FANAINGANA (II.) Salamo 67 (66)
Fiv:Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie
ny asantsika rehetra, Aleloia. (jereo Kol 3,17) (Asolo ny Aleloia: Voninahitry ny Ray)
1Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
2Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Fiv:Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie
ny asantsika rehetra, Aleloia.
3Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
4Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fiv:Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie
ny asantsika rehetra, Aleloia.
5Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
6Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Fiv:Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie
ny asantsika rehetra, Aleloia.
7Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.
8Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Fiv:Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie
ny asantsika rehetra, Aleloia.
9Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany
‘ Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!
Fiv:Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie
ny asantsika rehetra, Aleloia.
ANTSA (II.)
1.Raha tojo ny patsa iray tsy omby vava,
Fa fongana tampoka izay nantenaina,
Nikoa izay naorina sy nokasaina ...
Ankino amin’ny Tompo ny fo aman-tsaina ...
Tsarovy i Josefa, ilay sahiran-tsaina,
Nomen’Izy Tompo fampanantenana
Ho Rain’ny Mesia:
Anilan’ireo miady saina ny Tompo
ka mihaino azy ireny.
2.Raha tojo olam-piainana saro-bahana,
Raha sendra safidy mitaky finoana,
Ka ny valin-teny haningotra ny aina ...
Ankino amin’ny Tompo ny to aman-tsaina ...
Tsarovy i Maria, nanaiky ny Teny,
Nomen’Andriamanitra ny hafaliana
Ho Renin’ny Tompo:
Miandany amin’ny olon-tia Azy Ilay Avo
ka mitsinjo azy ireny.
3.Raha tojo safidy hihatra aman’aina,
Ho sandan’ny fiainana izay hosedraina,
Tanaty fitiavana sy fanekena ...
Ankino amin’ny Tompo ny mafy hozakaina ...
Tsarovy i Jesoa tao Getsemania,
Nomen’ny Rainy ny Voninahitra
Sahaza ny Zanaka:
Miandany amin’izay manaiky Azy ny Ray,
ka manangana azy ireny!
4.Raha lavo nitrosina noho ny halemena,
Namadika toky sy teny nekena,
Ka mila ho resin’ny fahakiviana ...
Ankino amin’ny Tompo, na fahotana aza ...
I Piera nibaboka ny hakanosàny,
Nomen’i Jesoa fampanantenana
Ho Andrim-piangonany:
Manatona ny olo-nanota ny Tompo,
ka manova azy ireny.
SALAMO (III.)90 (89)
Sas:Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala Anao Ray hany Andriamanitra
marina, sy i Jesoa Kristy Ilay nirahinao, Aleloia! (Jo 17.3)(Asolo ny Aleloia: ry Ray ô)
Andininy:
1.Ianao no fialofana ho anay, ry Tompo ô,
Tamin’ny taona nifandimby hatrizay hatrizay.
2.Fa tsy mbola nisy teraka irony tendrombohitra,
Moa ny tany koa tsy ary mbamin’izao rehetra izao,
3.Dia efa Ianao tokoa anie no Ilay Tompo Andriamanitra,
Hatrizay ka ho mandrakizay doria antaranoana.
4.Ny taranak’olombelona ampodinao ho vovoka
Hoe: „Modia, hoy Ianao, ô ry zanak’i Adama!“
5.Aminao ny arivo taona dia mandalo toy ny omaly,
Seran’andro iray monja, sombin’alina iambenana.
6.Nataonao indray mifaoka izy ireny: zary nofy,
Ka misinda vao maraina, sy miserana toa ahitra:
7.E! mamelana maraina ka miserana tokoa,
Fa rahefa takariva dia milofika malazo.
8.Fa ny hatezeranao dia mahafoana anay,
Ary ny haviniranao dia mampihorohoro anay.
9.Nahariharinao imaso irony hadisoanay,
Ny tsiambaratelonay anoloan’ny tavanao.
10.Ny andronay mihafohy raha tezitra Ianao,
Indray mihelina toa sento ireo taona iainanay.
11.Fitopolo taona monja no anjara fiainanay
Izay maharitra indrindra no mahatratra valopolo.
12.Fa ny maro amin’ireny fijaliana sy tomany,
Eny, mihelina tokoa dia ilaozanay ny tany.
13.Zovy moa no hahalala ny herin’ny hatezeranao?
Zovy koa no hahatsinjo izany haviniranao?
14.Ampianaro izahay hahay hanisa ny andronay,
Hahatonga ny fonay amin’izany fahendrena.
15.Miverena re, ry Tompo! Eny, rahoviana re?
Ary aoka Ianao hilefitra aminay mpanomponao!
16.Vao maraina dia fenoy ny fitiavanao izahay
Mba hifaly sy hiravo amin’ny andronay rehetra.
17.Mba soloy ho hafaliana ireo andro amaizanao
Mbamin’ny taona izay niaretanay ny ngidim-pahoriana.
18.Ny mpanomponao re, mba anehoy ny asanao,
Ny taranaka amam-para, ny famirapiratrao.
19.Enga anie ka homba antsika mianakavy hatrany hatrany,
Izany halemem-panahin’Izy Tompo Andriamanitra.
20.Hamafiso hahasoa ireo asa vitanay,
Hamafiso re ny vokatry ny asan-tananay!
21.Mba hobio ny Ray nahary izay namelona ny Zanany
Santatry ny hitsanganantsika ao amin’ny Fanahy.
Sas:Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala Anao Ray hany
Andriamanitra marina, sy i Jesoa Kristy Ilay nirahinao, Aleloia!
TONONKIRA (IV.)Izaia 42,10-16
Sas:Matokia ianareo, fa Izaho Kristy
efa naharesy an’izao tontolo izao. (Jo 16.33)
Andininy:
1.Mandredòna hira vao ho an’ny Tompo!
Koa samia midera Azy
Avy any am-para-vazan-tany any
Ianareo tandranomasina sy izay anatiny ao,
Ianareo, ry nosy maro sy ny mponiny rehetra.
2.Aoka samy hanandra-peo ny tany efitra
Sy ny vohitra ao aminy,
Mbamin’ny toby izay onenan’i Kedara!
Ny mponina any Ankaram-bato aoka hihobin-karavoana;
Ny any an-tampon-tendrombohitra, hihora-pifaliana!
3.Eny, aoka anie ireny hanome
Voninahitra ny Tompo,
Ary hampanakoako fiderana,
Dia fiderana Azy any amin’ny nosy maro!
Fa ny Tompo indro avy toy ny lehilahy mahery.
4.Dia fohaziny ny firehetam-pony
Toy ny lehilahy mpiady.
Miantsoantso mafy izy sy mandrahona,
Ary indro fa miroso manoloana fahavalo,
Toy ny lehilahy mahery feno herim-po tokoa.
5.„ Efa hatry ny ela aho no nangina,
Nikombom-bava tsy niteny,
Sy nanindry koa ny foko tsy hitroatra.
Fa izao dia mitaraina toy ny olomihetsi-jaza,
Misefosefo sady sempotra tsy avy miaina aho.
6.Ny tendrombohitra rehetra sy havoana
Horavako avokoa;
Ny zava-maitso rehetra eny, ataoko maina,
Ary ny ony hampanjariako tora-pasika makiana,
Moa ny dobo sy kamory horitraiko mba ho maina.
7.Amin’izay dia hotarihiko ny jamba
Hankamin’ny lalana tsy fantany;
Hampizoriko amin’ny lalana tsy hainy,
Ny haizim-pito hataoko tonga hazavana ho azy ireo,
Ny korontam-bato kosa hanjary lalana mahitsy.
8.Voninahitra ho Anao, ry Ray.
Ilay Tompon’ny tantara
Amin’ny fiainan’olombelona rehetra,
Dera anie ho Anao, Jesoa, Ilay nandresy ny haratsiana;
Dera anie ho Anao, Fanahy, mpanova sento ho hafaliana.
Sas:Matokia ianareo, fa Izaho Kristy
efa naharesy an’izao tontolo izao.
SALAMO (V.) 134 A (135 A)
Sas:Nanala antsika tamin’ny fahefan’ny haizina Andriamanitra Ray, ka namindra
antsika amin’ny Fanjakan’ny Zanany malala, Ilay ahazoantsika ny fanavotana sy
ny famelan-keloka. (Kol 1,13-14)
Andininy (1-7.14):
1.Ka derao e ny Anaran’ny Tompontsika!
Ry Mpanompon’ny Tompo samia midera.
Ianareo ‘zay mitoetra ao an-tranony ao,
Ao an-kianjan’ny Tompo Andriamanitsika!
2.He! derao ‘zany hasoan’ny Tompontsika!.
‘ Zany Anarany mamy ê, redony an’antsa.
I Jakôba voafidin’ny Tompo ho Azy;
Ka nataony fananany i Israely.
3.Dia fantaro fa ambony, lehibe ny Tompo,
Ka mihoatra an’ireo andriamani-kafa.
Fa izay sitrapony dia tontosainy,
Any an-danitra ambony sy eto an-tany.
4.Ranomasina sy hantsam-be rehetra,
Dia samy anehoany ny sitrapony.
‘ Rony rahona akariny hitatao
Ka ny ora-manelatra manjopiaka!
5.‘ Tony rivotra tsofiny hivoaka hiala
Avy amin’ny toerany nitobiany!
Dia nasiany ny lahimatoa rehetra
Na ny biby na ny olona tao Ejipta.
6.Famantarana maro sy fah’gagana
No nalefany hamely an’i Faraona;
Dia nikapoka maro amy firenena,
Nahafaty mpanjaka mahery vaika!
7.Ry Sihôna mpanjakan’ny Emoria,
Sy ry Oga mpanjakan’ny ao Basana.
Ka ny tanin’ireny nomeny ho lova
Ho lovan’ny vahoakan’Israely!
14.Hoderaina ny Anaran’ny Ray Nahary
Fa Mpanjakan’ny lanitra sy ny tany
Omen-dera ny Zanany Lahimatoa
Ary koa ny Fanahy ‘zay Mpanolo-tsaina.
Sas:Nanala antsika tamin’ny fahefan’ny haizina Andriamanitra Ray, ka namindra
antsika amin’ny Fanjakan’ny Zanany malala, Ilay ahazoantsika ny fanavotana sy
ny famelan-keloka. (Kol 1,13-14)
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)Gal 6,1-3
Ry Rahalahy, raha misy nanao hadisoana dia aoka ho ianareo anti-panahy no hanarina azy amin-kamoram-po; ary mitandrema tena ianao, moa ianao koa tsy mety ho azon’ny
Fakam-panahy? Koa mifanotrona am in’ny zava-manahirana ianareo, ary amin’izany
anatanterahana ny lalàn’i Kristy. Satria raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanefa
izy tsy inona akory, dia mamita-tena.
VALINKIRA (VII.)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy. (Lk 10,1)
1.Raha mahay mifankatia ianareo
Dia ho fantatra tokoa fa tena mpianatro. (Jo 13.35)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
2.Ka esory ny ahiahy sy tebiteby;
Hotanteraka ny Didin’Izy Tompo.
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
3.Fahoriana hiaraha-mitondra tena maivana,
Tsy ho lavitra mpitsabo raha marary. (Ohabolana Mal.)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
4.Hampionona anareo ny Tompontsika,
Dia hampionona ny ory ianareo. (2 Kor 1,4)( 5 om.)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
6.Olon-droa mifampatoky miditra ala,
Tsy matahotra ny loza raha mamindra. (Ohabolana Mal.)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
7.Indro Izaho no naniraka anareo
Toy ny ondry eo anivon’ny amboadia. (Lk 10,3)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
8.Raha solafaka ny namanao iray
Asehoy ny hadisoany dia areno. (Mt 18,15)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
9.Raha misy roa mangataka amin’ny Raiko
Dia ho sitrany tokoa, ka homeny. (Mt 18,19)
Fiv:Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy.
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas:Indro Izaho Kristy miaraka aminareo isan’andro isan’andro,
mandra-pahatapitry ny taona rehetra. (Mt 28,20b)
Andininy:
1‘ Ndeha hisaorana ny Tompo Andriamanitr’Isiraely
Fa namangy sy nanavotra ny olony tokoa:
Indro tandro-pamonjena no najorony ho antsika,
Dia avy amin’ny taranak’i Davida ilay mpanompony.
2Fa izany rahateo no nambarany hatrany
Tamy vavan’ireo Mpaminany masiny fahiny:
Hovonjeny amy fahavalontsika manko isika
Sy halàny avy eo an-tanan’ireo mpankahala antsika.
3Indro asehony fa namindrany fo ny Razantsika
Ka tandrovany ny fanekena masina nataony,
Velirano tsy mifody, fianianana tsy miova,
Dia tamin’i Abrahama Razambe iombonantsika.
4Fa isika hoe halàny avy eo an-tanam-pahavalo,
Fa tsy tiany hanompo Azy amin-tahotra isika
Fa ho amy toetra masina sy marina tokoa
Eo imasony, mandritra ny andro rehetra iainantsika.
5Fa Ianao kosa, anaka dia indro fa izao
Dia atao hoe Mpaminanin’Izy Tompo Avo indrindra
Fa hizotra eo alohan’Izy Tompo manko ianao
6Hahafahanao mamboatra izay lalana hombany,
Dia hatoronao ny olony ny tena famonjena:
Famelana ny hadisoany sy ny heloka nataony!
7Fa satria Izy Andriamanitra namindra fo tokoa
Ka nandeha ilay masoandro hamonjy antsika avy any ambony
Dia masoandro miposaka fanilo manazava ...
8Manazava ‘reo ‘zay monina ao anaty haizim-pito
S’ireo difotry ny alo-pahafatesana manara
F’any lalam-piadanana no hitondrany antsika!
Sas:Indro Izaho Kristy miaraka aminareo isan’andro
isan’andro, mandra-pahatapitry ny taona rehetra.
RANOMBAVAKA (IX.)
Tsy ho vizana ny handinika sy hampihatra isan’andro vaky ireo tonom-bavaka
nampianarin’i Kristy Jesoa isika, koa hoventesintsika amim-pinoana izao ny hoe:
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
-
Toa an’i Kristy naneho ny Endrikao tety an-tany dia enga anie ny Kristianina
rehetra mba ho zanaka taha-dRay tokoa.
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
2.Toa an’i Kristy nanavotra ny olombelona hatramin’ny fara fofon’ainy, dia enga
anie izahay mba hilofo hifamonjy eo amin’ny fiainana andavanandro.
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
3.Toa an’i Kristy nitory ny Teny Soa avy aminao, dia enga anie mba ho tonga nofo
eo amin’ny fiainanay ny Teninao torinay amin’ny hafa.
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
4.Toa an’i Kristy nanaiky hanao ny Sitraponao fa tsy ny azy, dia enga anie ny
tanora mba hitondra ny fiainana araka izay irinao.
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
5.Toa an’i Kristy niara-niasa lalandava taminao dia enga anie koa ny asanay
rehetra mandritra ny herinandro mba hiarahanay manatontosa amin’ny Zanakao.
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
6.Azo ampiana na soloana fangatahana hafa
Fiv:Hatao anie ny Sitraponao Ray ô!
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra!
Rainay any an-danitra ...
Ry Andriamanitra Ray Mpiahy ny olombelona, anio izahay dia hanohy ny asa
na ny fianarana fanaonay isan’andro, ary asa mandreraka tokoa ho an’ny maro.
Koa noho ny ohatra nomen’ny Zanakao Ilay Mpandrafitra ary noho ny herin’ny
fitsimbinan’ny Fanahy Masina, dia enga anie mba samy hahatanteraka ny
andraikiny amin-kafaliana ny olombelona tsirairay, tsy hanasoavana ny tena
ihany fa hitiavana Anao sy ny namana.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay...
TSODRANO (X.)[ohatra]
Mpitsodrano:
Andriamanitra Ray izay tsy manolo-bato mafana,
ny Zanaka izay nampitombo mofo ho an’olona an’arivony,
ary ny Fanahy izay mizarazara fanomezan-tsamihafa
ny voaary manontolo anie
hanome antsika izay fahasoavana ilaintsika izao
sy mandritra ny andro rehetra hiainantsika.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!