Alatsinainy IV Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

1. E! mangina tsy miteny ny tanàna,

Ary singana ny tenako vesarana alahelo(indroa)

Nefa injao misy feomitsetra

Toa miritsoka eo anilako!

Moa va re Ianao, ry Ray? (indroa)

Hay raha sina ka variana

Ireo manodidina ahy,

Dia Ianao tsy mahafoy

No mivimbina hafaliana! (indroa)

Hay va re, hay va re Ianao ...

Hay va re, Ianao ry Ray! … (indroa)

2. Eny, tokana aho anivon’ny vahoaka,

Ary feno tebiteby, raiki-tahotra isan’andro (indroa)

Nefa injao misy tanana

Izay mitehin-tsoroka ahy!

Moa va re Ianao, Jesoa?(indroa)

Hay raha lasa ka nandao

Izay nataoko mba ho toky,

Dia Ianao tokoa, Razoky,

No hany sisa tsy manary! ... (indroa)

Hay va re, hay va re Ianao ...

Hay va re, Ianao Jesoa ...(indroa)

3. Ao anatin’ny mangidy izany izaho,

Ahy irery manko izany tsy mahita an’iza an’iza (indroa)

Nefa injao tsio-drivotra,

Toa mamelombelona ahy!

Moa va re Ianao Fanahy? (indroa)

Hay raha tojo onjam-piainana

Mandrendrika, mahory,

Dia Ianao no Fitiavana,

Izay tonga mampitraka! (indroa)

Hay va re, hay va re Ianao ...

Hay va re, Ianao Fanahy! ...(indroa)

Setriny: Hay va re Andriamanitra ô

Ray, Zanaka sy Fanahy!(indroa)

 

SALAMO (II.-III.)136 (135)

Fiv: Mandrakizay ny hatsaram-pony

Andininy:

1. E! isaory ny Tompo fa tsara fo ...

E! isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra ...

E! isaory ny Tompon’ny tompo, isaory ...

2. Ilay hany nanao zava-mahagaga ...

Ilay nanao ny lanitra amim-pahendrena ...

Ilay nampisy tany eo ambony rano ...

3. Ilay nanao ny fanazavan-dehibe ...

Dia masoandro hanjaka amin’itony andro ...

Mbamin’ny volana, kintana, amin’ny alina ...

Fiv: Mandrakizay ny fitiavany

4. Ilay namely ireo matoan’i Ejipta ...

Ilay namoaka an’i Israely tamin’ny taniny ...

5. Tamin’ny tanana mavitrika, mahery ....

Ary tamin’ny sandry henjana, mafonja ...

6. Ilay nizara roa ny Ranomasina Mena ...

Nampizotra an’i Israely teo anivony ...

7. Ilay nandrendrika an’i Faraona tao ...

Ka ny tafiny rehetra koa navariny ...

Fiv: Mandrakizay ny hatsaram-pony

8. Ny vahoakany dia indro nampizoriny ...

Ary nentiny namakivaky efitra ...

Ny mpanjaka mpieboebo dia nazerany ...

9. Ireo mpanjaka lehibe dia novonoina ...

Dia Sehôna izay mpanjakan’i Amôria ...

Sy ry Oga izay mpanjakan’i Basàna ...

10. Ka ny tanin’izy ireo dia nomeny ...

Holovan’i Israely ilay mpanompony ...

Ary isika izay nijaly tsy nohadinoiny ...

11. Fa nesoriny teo an-tanam-pahavalo ...

Ny miaina rehetra omeny hanina ...

Andriamanitry ny lanitra e, isaory! ...

12. Isaory Ilay Ray mahatsiahy ny olony ...

Sy Ilay nahafoy ny Ainy ho vonjintsika ...

Ary Ilay Mpandresy an’i Satana ...

Fiv: Mandrakizay ny hatsaram-pony

 

TONONKIRA (IV.)Joany 15,14-16

Azo raisina lalandava ireo Tononkira nalaina tamin’ny Testamenta Vaovao ao amin’ny Herinandro voalohany sy faha-2 voatondro ho an ny Vavaka Hariva araka ny andro. Harena lehibe ho an’ny fiainantsika koa. ary tena mampivavaka, ireo Tononkira 7 nalaina tamin’ny Joany ato amin’ny Herinandro faha-4, hahitana ny hamamian’i Kristy sy fandalinana ny fitiavantsika Azy.

1. Ianareo e no havako sy olon-tiako,

Raha manatanteraka ny andidiako.

2. Ianareo tsy ataoko mpanompo intsony,

Fa ireny, tsy hainy ny ataon’ny tompony.

3. Fa nataoko hoe havana ianareo:

Nilazako izay henoko tamin-dRaiko.

4. Tsy mba hoe ianareo no nifidy Ahy,

Fa Izaho no nifidy anareo kosa,

5. Dia nanendry anareo mba handeha sy hamoa,

Haharetan’ny vokatrareo tokoa.

6. Ka homen’ny Ray anareo daholo

Ny hangatahinareo amin’ny Anarako.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)1 Piera 1,3-5

Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa araka ny famindrampony lehibe no niterahany antsika indray ho amin’ny fanantenana velona, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tsy laitran-doto, tsy mety lefy; voatokana ho anareo izany lova izany ao an-danitra; dia ianareo arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana, mba ho amin’ny famonjena efa vonon-kaseho miharihary amin’ny andro farany.

 

VALINKIRA (VI.)1 Piera 1,3-5

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

1. Endrey ny indrafon’Andriamanitra Ray.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

2. Nanavotra antsika amin’ny ratsy rehetra.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

3. Nanandratra ambony ny Zanany tiany.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

4. Namelona fanantenana ho antsika.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

5. Nanolotra hery hiarovana antsika.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

6. Isaoran’ny olona mino rehetra.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

7. Hanangan-ko velona antsika any aoriana.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

8. Hanomana lova mateza ho antsika.

Fiv: Ilay niteraka antsika indray tamin’ny rano sy ny Fanahy.

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Ny tenanay izao no mandre, ka fantatray fa i Jesoa tokoa,

no Ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. (Jo 4.42)

Andininy:

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.

3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Ny tenanay izao no mandre, ka fantatray fa i Jesoa tokoa,

no Ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.

 

RANOMBAVAKA (VIII.)

Mazàna ny olombelona no mitady voninahitra ho an’ny tenany.

Fa isika kosa dia tsy mikatsaka afatsy ny voninahitry ny Tompo:

Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina.

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô.

1. Tompo ô, mba hotsaroan’ny kristianina anie fa ny asa rehetra ataony,

dia fanehoana ny Voninahitrao amin’ny hafa.

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô

2. Tompo ô, mba hitombo hatrany anie ny herimpon’ireo mpampita ny finoana,

ka ho tsapan’ireo olona karakarainy fa tena imasoany ny voninahitrao.

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô.

3. Tompo ô, mba ho taratry ny Voninahitrao anie ny ezak’ireo ray aman-dreny

manabe ny zanany.

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô.

4. Tompo ô, mba ho ny Fahamarinanao anie no hanentana ireo mpitondra

vahoaka eo amin’ny asa ataony.

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô.

5. Tompo ô, mba ho ny Fitiavanao anie no hanenika an’ireo mpitsabo,

ka hahitan’ireo marary ny Asanao.

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô.

6. Tompo ô, hamindranao fo anie ireo nodimandry mba ho afaka hibanjina ny Endrikao.

7. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv: Tantano haneho ny voninahitrao ny asanay, Tompo ô.

Rainay any an-danitra ...

Ianao, ry Kristy Jesoa, no hany tena Voninahitry ny Ray, koa ampio izahay

tsy hisaraka aminao, hahamendrika ny asanay sy ny fiainanay, maneho ny

Voninahitry ny Ray. Fa Ianao velona sy manjaka miaraka amin’Andriamanitra

Ray sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

TSODRANO (IX.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Ilay nahary ny ranomasina noho ny sitrapony ihany,

Ilay nampitony ny rivo-doza tamin’ny Teniny tokana,

ary Ilay rivotra mitsoka malefaka anie

hampitody antsika any amin’ilay Seranana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0205