FANAINGANA (I.)Salamo 113 (112)
Fiv: Ry olombelona ô, izao no tadiavin’Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony amim-panetren-tena hatrany. (Mikea 6,8)
1. Derao, ry mpanompon’ny Tompo
Derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny anaran’ny Tompo
Na izao na ho mandrakizay.
Fiv: Ry olombelona ô, izao no tadiavin’Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony amim-panetren-tena hatrany.
2. Tongava marain-tsy hariva:
Hidera ny Anaran’ny Tompo:
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany Avo dia Avo!
Fiv: Ry olombelona ô, izao no tadiavin’Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony amim-panetren-tena hatrany.
3. Moa misy mitovy amy Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony,
Ka miondrika Izy mijery,
Na lanitra izany na tany.
Fiv: Ry olombelona ô, izao no tadiavin’Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony amim-panetren-tena hatrany.
4. Alàny amy fako ny ory,
Esoriny avy eo ny mahantra:
Apetrany anilan’andriana
Andriana izay fanta-bahoaka.
Fiv: Ry olombelona ô, izao no tadiavin’Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony amim-panetren-tena hatrany.
5. Ny momba amponeniny an-trano:
Niteraka maro ka faly.
Isaory ny Ray tia antsika:
Ny Ainy efa nomeny antsika.
Fiv: Ry olombelona ô, izao no tadiavin’Andriamanitra aminao:
ny hizotra eo imasony amim-panetren-tena hatrany.
ANTSA (II.)
1. Nanjavona ireo olon-kendry tia fihavanana ...
Manda aron’ny tanàna.
Nankaiza ireo mpandimby, toa samy tola,
Vitsy no sahy mijoro hiaro ny tena marina?
Tankina sy ritra va re ilay fitiavana
Narotsako tao am-pony?
Fiv: Ray aho!
Na tsy andrin’ny hafa aza
Ny ora hiverenanao, ry oloko ô,
Izaho kosa miandry anao
Matoky anao, mbola tia anao.
Ray Aho, satria Andriamanitra Aho!
2. Miripaka ny olo-marina; voavidy vola,
Vola hozatry ny fiainana
Nankaiza ireo voaantso, toa samy babo,
Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy?
Tankina sy ritra va re ilay fahendrena
Narotsako tao am-pony?
Fiv: Ray aho!
Na tsy andrin’ny hafa aza
Ny ora hiverenanao, ry oloko ô,
Izaho kosa miandry anao
Matoky anao, mbola tia anao.
Ray Aho, satria Andriamanitra Aho!
3. Mitsipaka fitiavan-dRay ny zaza mpandany
Dimby, fanantenako.
Nankaiza ireo mpanoro, samy midongy,
Vitsy no sahy maniry ny hodiany, ny hiverenany?
Tankina sy ritra va re ilay indrafo
Narotsako tao am-pony?
Fiv: Ray aho!
Na tsy andrin’ny hafa aza
Ny ora hiverenanao, ry oloko ô,
Izaho kosa miandry anao
Matoky anao, mbola tia anao.
Ray Aho, satria Andriamanitra Aho!
SALAMO (III.)108 (107)
Sas: Ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra dia ny mba hahatonga
ny firenen-drehetra ho fanatitra ankasitrahan’Izy Ray, Aleloia! (Rom 15,16)
(Asolo ny Aleloia: Ankasitrahan’Izy Ray)
Andininy:
1. Dia matoky izany foko, Andriamanitra ô,
Ka hiventy hira aho
O ry Voninahitro!
Mifohaza ianareo, ry lokanga sy valiha,
(ry lokanga sy valiha)
Fa izaho ndeha hamoha ny mazava atsinanana.
(ny mazava atsinanana)
2. Hidera Anao am-pivoriam-bahoaka aho
Ary dia hiantsa Anao
Eo anivom-pirenena!
Fa lehibe noho ny lanitra ny Hatsaram-ponao,
(ny Hatsaram-ponao)
Mahatakatra ny rahona ny Fahamarinanao.
(ny Fahamarinanao)
3. Misandrata, ry Andriamanitra eny andanitra,
Ny voninahitrao anie
Hanerinerina amin’ny tany!
Mba ho afaka ny olo-maminao, valio aho,
(Tompo ô, valio aho)
Dia vonjeo amin’ny tananao havanana izy ireo.
(Dia vonjeo izy ireo)
4. Hoy ny Tompo ao antoerany masina:
„ Endrey izany hafaliako,
I Sikema hosarahiko,
Ny lohasahan’i Sokôta hozaraiko hitsitoko!
(hozaraiko hitsitoko)
Ahy izao i Galaada, ahy koa i Manase!
(ahy koa i Manase)
5. I Efraima no fiarovana ny lohako!
I Joda kosa indray
Dia ho tehim-piandrianako!
I Moaba moa no dobon-drano ataoko fisasàna,
(ataoko fisasàna)
Ary Edôma no ananganako orim-batom-panjakako!
(orim-batom-panjakako)
6. I Filistia nanehoako fandresena!
Iza moa no hitondra ahy
Ao an-tanàna izay mimanda?
Ary zovy no hitarika ahy ho tonga hatrany Edôma?
(zovy no hitarika ahy)
Moa tsy Ianao, ry Andriamanitra, izay nanary anay?
(Moa tsy Ianao, ry Andriamanitra)
7. Eny, moa tsy Ianao tokoa, ry Andriamanitra
‘ Lay tsy miaraka miroso
Amin’ny tafikay intsony?
Koa vonjeo amin’ny mpampahory anay izahay,
(amin’ny mpampahory anay)
Fa tsy misy antony inona ny vonjin’olombelona!
(ny vonjin’olombelona)
8. Ao amin’Andriamanitra isika
No mahavita asa soa,
Dia ireo zava-mahagaga.
Ary Izy hanitsakitsaka ny mpampahory antsika!
(ny mpampahory antsika)
Koa ny firenen-drehetra anie hidera Azy Tompo!
(hidera Azy Tompo)
9. Ho an’ny Ray anie ny hoby sy ny haja,
Ilay tia ny hahavonjy
Ny firenen-drehetra;
Sy ho an’i Jesoa Ilay nahafoy ny Ràny
(Ilay nahafoy ny Ràny)
Ary ho an’ny Fanahy Ilay manendry antsika hiasa.
(Ilay manendry antsika hiasa)
Sas: Ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra dia ny mba hahatonga
ny firenen-drehetra ho fanatitra ankasitrahan’Izy Ray, Aleloia!
TONONKIRA (IV.)Izaia 61,10-62,5
Sas: Nodiovin’i Kristy ny Fiangonana,
tamin’ny batemy fandroana arahina teny,
satria sitrany ho toy ny ampakarina,
mamirapiratra, tsisy pentina, fa masina. (Ef 5, 26-27)
Andininy:
1. Mientanentana ravo amin’ny Tompo aho;
Ny fanahiko faly amin’ny Andriamanitro:
Fitafiam-pamonjena no narakony ahy.
2. Lamba fahamarinana no natafiny,
Fehilohana mpampakatra no nomeny
Ary haingo marevaka toy ny ampakarina.
3. Toy ny tany efa lonaka mampitsimoka
Ireo voa izay nalatsaka tao anatiny;
Toy ny saha mampitsiry ireo masom-boly
4. Izy Tompo Andriamanitra mampitrebona
Hampitsiry fiderana ary fahamarinana
Anatrehan’ireo firenen-drehetra.
5. Noho ny antony aminao àry, ry Siôna,
Tsy hangina hijanona fotsiny aho;
Noho ianao, ry Salema, tsy hitsahatra aho.
6. Raha tsy efa miposaka toa maraina
Izany fahamarinana sy famonjena,
Ka mirehi-mazava toa lelan’afo.
7. Ny voninahitra sy ny fahamarinana
Dia ho hitan’ny mpanjaka sy ireo firenena;
Ka anaram-baovao no hiantsoana anao.
8. Fa ny vavan’ny Tompo no hanonona azy,
Ka ianao ho fehiloha mamirapiratra
Eo an-tanan’ny Tompo, eo am-pelatanany.
9. Fa ho satro-piandrianan’Andriana ianao
Eo an-tanan’ilay Andriamanitrao.
Ianao tsy hantsoina hoe „Ilay nafoy“.
10. Tsisy hiantso ny taninao hoe „Tany haolo“,
Fa ianao dia hatao hoe „Tena sitrako“,
Ka ny taninao indray hoe „Ilay onenana“.
11. Satria efa nametraka taminao
Ny fankasitrahany Izy Tompo,
Ka ny taninao izany hanjary honenana.
12. Ary toy ny ampakaran’ny tovolahy
An’izay virjiny halainy ho vady,
No ampakaran’ireo zanakao anao.
13. Dia ho toy ny ifalian’ny zazavavy
Amin’ ilay tovolahy mampakatra azy,
No hifalian’ny Tompo aminao koa.
14. Koa ny Ray Ilay nanorina ny Fiangonana,
Ilay Zanany sy ny Fanahy Mpamelona,
No derao amin’ny hoby manakoako.
Sas: Nodiovin’i Kristy ny Fiangonana,
tamin’ny batemy fandroana arahina teny,
satria sitrany ho toy ny ampakarina,
mamirapiratra, tsisy pentina, fa masina. (Ef 5, 26-27)
SALAMO (V.)146 (145)
Sas: Aleloia, Aleloia! Nampahiratra ny jamba ny Tompo | indroa
Aleloia, Aleloia! Ary tsara avokoa izay nataony,
izay nataony tety amintsika tsara avokoa. (Mk 7,37)
Andininy:
1. Aleloia! Derao!
E! Derao re ny Tompo!
Ry fanahiko, hirao
Ny fiderana Azy Tompo!
2. Izaho hidera Azy Tompo
Amin’ny androko rehetra,
Ary hiantsa ny Andriamanitro,
Raha mbola velona aina.
3. Aza mba mitoky foana
Amin’ny olona mpifehy,
Na amin’ny zanak’olombelona
Izay tsy afa-mamonjy:
4. Raha tapitra aina ireny
Dia miverina amin’ny tany,
Ary izany andro izany
No haharavan’ny fikasany.
(Aleloia! Derao ê! Derao re ny Tompo!)
5. Sambatra e ny matoky
Ny Andriamanitr’i Jakôba,
Ary izay manankim-po
Amin’ny Tompo Andriamanitra.
6. Dia Izy Ilay namorona
Irony tany aman-danitra,
Mbamin’ny ranomasim-be
Sy ny ao aminy rehetra.
7. Ilay Mpitandro ny marina
Amin’ny taona tsisy fetra,
Ary manome ny rariny
An’ireo am-pahoriana.
8. Ilay manome sakafo
Ho an’ny noana mitofezaka;
Izy Tompo Ilay mamaha
Ny fatoran’ny mpigadra.
(Aleloia! Derao ê! Derao re ny Tompo!)
9. Izy Tompo mampahiratra
Ny mason’ireo jamba;
Izy Tompo mampitraka
Ny milofika sy kivy.
10. Izy Tompo tia ny marina
Sy miaro ny vahiny:
Tompo andrin’ny kamboty
Mbamin’ny mpitondra tena.
11. Izy Tompo mampiviona
Ny halehan’ny olon-dratsy;
Izy Tompo dia hanjaka
Amin’ny taona tsisy fetra.
12. Eny, Izy, ry Siôna,
No tena Andriamanitrao
Amin’ny taona mifandimby.
Aleloia! Aleloia!
(Aleloia! Derao ê! Derao re ny Tompo!)
13. Ho an’ny Ray be fiantra,
Ho an’ny Zanaka Mpamonjy
Sy Fanahy Mpisolovava,
Ny voninahitra sy ny haja.
Sas: Aleloia, Aleloia! Nampahiratra ny jamba ny Tompo | indroa
Aleloia, Aleloia! Ary tsara avokoa izay nataony,
izay nataony tety amintsika tsara avokoa.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)1 Kor 15,3-5
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; dia nalevina, ary nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; dia niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny Roa ambin’ny folo lahy.
VALINKIRA (VII.)
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
1. Izany no Vaovao Mahafaly: Nahita ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
2. Nitsangan-ko velona marina Izy: Nahita ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
3. Nasandratra anilan’Ilay Rainy: Nahita ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
4. Ilay Rainy nanjary iombonantsika: Nahita ny Tompo aho. (Jo 20,18)
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
5. Izany no Vaovao Mahafaly: Matoky ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
6. Fa tombon-dalana ny Azy Tompo: Matoky ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
7. Ny lala-nodiaviny hodiavintsika: Matoky ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
8. Ny Tompo hiverina haka antsika: Matoky ny Tompo aho.
Fiv: Izany no Vaovao Mahafaly
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas: Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
ka nisy olona nahita azy, dia lasa amin-kafaliana izy nivarotra ny fananany
rehetra, ary nividy ilay saha. (Mt 13,44)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
ka nisy olona nahita azy, dia lasa amin-kafaliana izy nivarotra ny fananany
rehetra, ary nividy ilay saha.
RANOMBAVAKA (IX.)
Tsy misy zava-banona eto an-tany raha tsy eo ny Tompo. Zava-poana izay rehetra ataontsika raha tsy miantehitra aminy isika.
Fiv: Izay miantehitra aminao, Tompo ô, tsy ho solafaka rahoviana.
1. Tompo ô, Vatolampy Ianao: tena mandry ivohon’ny vato tokoa ireo mino Anao sy matoky Anao. Fitiavana tsy miovaova ny fitiavanao, ka velom-piderana Anao izahay.
Fiv: Izay miantehitra aminao, Tompo ô, tsy ho solafaka rahoviana.
2. Tompo ô, Fahendrena Ianao: tena fahendrena manerana ny tany rehetra sy ny taona rehetra. Ary ny firenen-drehetra sy ny taranaka mifandimby dia maniry Anao sy mikatsaka Anao. ka velom-pisaorana Anao izahay.
Fiv: Izay miantehitra aminao, Tompo ô, tsy ho solafaka rahoviana.
3. Tompo ô, Manda Ianao: tena manda aron’ny madinika sy ny osa, ary manandratra ireo atao tsinontsinona; ka velom-pisaorana Anao izahay.
Fiv: Izay miantehitra aminao, Tompo ô, tsy ho solafaka rahoviana.
4. Tompo ô, Ranovelona Ianao: tena rano manala hetaheta an’ireo main’ny tanik’andro amin’ny adim-piainana, ka velom-piderana Anao izahay.
Fiv: Izay miantehitra aminao, Tompo ô, tsy ho solafaka rahoviana.
5. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa
Fiv: Izay miantehitra aminao, Tompo ô, tsy ho solafaka rahoviana.
Rainay any an-danitra ...
Ry Tompo Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra ô, alaim-panahy tsy
hiantehitra afa-tsy amin’ny herin’ny tenanay Izahay, ka vonjeo tsy hanao
an-kilabao ny Fahefanao mandidy sy mitantana ary mandahatra ny zavatra
rehetra, dia tsy ho sodokan’ny reharehan’olombelona, fa hiantehitra indrindra
amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Zanakao, Ilay velona sy manjaka
miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay.
Amen.
TSODRANO (X.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,
ny Zanaka izay nirahiny hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,
ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie
hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!