ANTSA (I.)
1. Tompo ô, inona re no atolotro Anao
Mba hisaorako Anao e
Amy soa sesehena vitanao?
Atolory Ahy ireny tanam-polonao,
Hofenoiko raki-tsoa tena ampoka.
Valiny: Eny e, Tompo ô,
Atolotro Anao amim-pitokiana izany
Hisaorako Anao e:
Misaotra e, mankasitraka, mankatelina.
2. Tompo ô, inona re no atolotro Anao
Mba hisaorako Anao e
Am’ireo raki-tsoa nafafinao?
Atolory Ahy ireny faharerahanao,
Hosoloiko hery vao tsy hay toherina.
Valiny: Eny e, Tompo ô,
Atolotro Anao amim-pitokiana izany
Hisaorako Anao e:
Misaotra e, mankasitraka, mankatelina.
3. Tompo ô, inona re no atolotro Anao
Mba hisaorako Anao e
Amy hery tsy hay tohaina sitrakao?
Atolory Ahy ireny tsy fahaizanao,
Hosoloiko fahendrena tsy hay toherina.
Valiny: Eny e, Tompo ô,
Atolotro Anao amim-pitokiana izany
Hisaorako Anao e:
Misaotra e, mankasitraka, mankatelina.
4. Tompo ô, inona re no atolotro Anao
Mba hisaorako Anao e
Amy fahendrena soa navelanao?
Atolory Ahy ireny fahorianao
Hosoloiko fanavotana ny namana.
Valiny: Eny e, Tompo ô,
Atolotro Anao amim-pitokiana izany
Hisaorako Anao e:
Misaotra e, mankasitraka, mankatelina.
5. Tompo ô, inona re no atolotro Anao
Mba hisaorako Anao e
Amy fanavotana sarobidy?
Atolory Ahy ireny helokao ireny
Hosoloiko ‘lay Fitiavana tsy levona.
Valiny: Eny e, Tompo ô,
Atolotro Anao amim-pitokiana izany
Hisaorako Anao e:
Misaotra e, mankasitraka, mankatelina.
(2 Kor 8,9; 1 Kor 1, 27; 2 Kor 12,10; Lk 21,15; 2 Kor 4,10-12; Kol 2,1; Lk 7,47)
SALAMO (II. + III.)139 A (138 A)
Sas: Na mbola tsy mangataka amin’ny Ray aza ianareo,
dia efa fantany, eny e, izay ilainareo. (Mt 6,8)
Andininy:
1. Ianao, ry Tompo ô, eh! mandinika ny amiko
Ary mahafantatra ahy.
2. Na handry hatory aho, na hitsangana hifoha,
Dia fantatrao izany.
3. Na any lavitra aza Ianao, dia efa azonao an-tsaina
Ny ao an’eritreritro ao.
4. Dia eo ambany masonao ny atoriako sy alehako;
Mahazatra Anao ny lalako.
5. Fa ny teny mbola tsy ao am-bavako aza moa, ry Tompo,
Efa fantatrao daholo.
6. Na aloha na aoriana, dia voambombanao aho,
Ny tananao miaro ahy.
7. Fahalalana mahagaga ambony loatra ho ahy izany,
Avo loatra ka tsy takatro?
8. Aiza moa no handehanako handosirako lavitra
Ny Fanahinao misaina ahy?
9. Ary aiza no handehanako handosirako any lavitra
Ny salovan-tavanao?
10. Na miakatra mananika ny lanitra aza aho,
Dia indro any Ianao.
11. Na dia mandry mitakiky any anatin’ny Seoly aza,
Dia indro eo Ianao.
12. Na halaiko aza ny elatry ny mazava atsinanana
Hilasiako andafin-driaka,
13. Dia ny tananao ihany no mitarika ahy ho any,
Ny tananao no mihazona ahy.
14. Ka hoy aho manao hoe: hanarona ahy, hiafenako
Ny haizina mikitroka.
15. Fa manjary hazavana manodidina ahy ny alina,
Ary na ny haizina aza
16. Tsy mba maizina aminao, ary ny alina toy ny andro
Ka mazava dia mazava.
* * *
17. Eh! Ianao
No nahary ny ao anatiko, ka namolavola ahy
Tao anaty kibondreniko.
18. Midera Anao aho
Fa izaho dia zava-mahagaga; ny asanao dia igagana
Mampiaiky ny fanahiko.
19. Ary ny amiko
Tsy niery taminao, tamin’ny namoronana ahy
Tao anatin’ny miafina;
20. Novolaina
Tao anaty kibon-tany. Izaho tsy mbola ary fomba,
Dia efa tazanao sahady.
21. Ka voasoratra
Amin’ny bokinao sahady ny androm-piainako rehetra,
Na tsy mbola nisy aza.
22. Andriamanitra ô!
Eh! tsy takatry ny saina ny eritreritrao ho ahy;
Ny hamaroany mahazendana;
23. Raha isaiko,
Tena maro noho ny fasika. Dia taitra aho, mifoha,
Mbola miaraka aminao.
24. Andriamanitra!
Mba zahao izay mba toetrako, dia fantatrao ny ao am-poko,
Ka sedrao re ny tenako.
25. Dia fantaro koa
Ny eritreritro miafina. Koa jereo sao mizotra
Amin’ny lalana mamitaka.
26. Tariho aho
Sy tantano mba hizotra amin’ny lalan’ny fiainana,
Dia fiainan-tsisy fetra.
27. O ry Ray,
Hoderaina anie Ianao, Ilay nahary anay rehetra,
Tam-pitiavan-dehibe.
28. O ry Zanaka,
Miangavy indrafo avy aminao izahay mpanota,
Rahefa hitsara anay Ianao.
29. Ry Fanahy,
Ianao mpisolovava anay zanak’Andriamanitra,
Amin’ny andro farany any.
Sas: Na mbola tsy mangataka amin’ny Ray aza ianareo,
dia efa fantany, eny e, izay ilainareo.
TONONKIRA (IV.) 1 Joany 4,13-18
Fiv: Fitiavana Andriamanitra!
1. Koa ny ahafantarantsika fa ao aminy ary isika,
Ary Izy monina ao amintsika;
2. Dia izao ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
Izahay vavolombelona nahita,
3. Manambara fa ny Ray dia naniraka ny Zanany
Ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.
4. Izay miaiky fa i Jesoa no Ilay Zanak’Andriamanitra
Dia monina ao aminy Andriamanitra,
5. Ary izy kosa monina ao amin’Andriamanitra,
Eny, monina ao amin’Andriamanitra.
6. Izahay dia nahafantatra ary nino ny fitiavana
Izay ao amin’Andriamanitra ho antsika.
7. Koa ny olona izay monina ao amin’ny fitiavana
Dia monina ao amin’Andriamanitra,
8. Ary Izy Andriamanitra dia monina ao aminy.
Andriamanitra, eny e, dia Fitiavana!
Fiv: Fitiavana Andriamanitra!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Hebr 7,25-26
Mahavonjy marimarina an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany i Jesoa,
satria velona mandrakizay hanao fifonanana ho azy ireo Izy. Eny tokoa, Mpisorombe
toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manantsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’
ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Eny hoy aho, eny e Jesoa: Kristy izay mangataka ho antsika! (Hebr 7,25)
1. Dia Ilay Zanaka malalan’Izy Ray e!
Nahavita izay sitrany rehetra. (Jo 7,4; 19,30)
Fiv: Eny hoy aho, eny e Jesoa: Kristy izay mangataka ho antsika!
2. Ka niantso ny mpanota ho sakaiza. (Jo 15,15)
Nietry tena mba hitovy amintsika. (Fil 2,7-8)
Fiv: Eny hoy aho, eny e Jesoa: Kristy izay mangataka ho antsika!
3. Dia niaina sy nijaly toa antsika
Mba ho vonjin’ny taranak’olombelona. (Hebr 4,15-16)
Fiv: Eny hoy aho, eny e Jesoa: Kristy izay mangataka ho antsika!
4. Eny, masina, tsy manan-tsiny koa (Hebr 7,26)
Sy mitoetra eo ankavanan’ny Nahary. (Hebr 1,13)
Fiv: Eny hoy aho, eny e Jesoa: Kristy izay mangataka ho antsika!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, hoy ny Tompo;
Sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, Aleloia! (Asa 20,35)
(Asolo ny Aleloia: Hoy ny Tompo)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, hoy ny Tompo;
Sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, Aleloia!
RANOMBAVAKA (VIII.)
Nahoana no mitady tokin’aina etsy sy eroa isika? Tsy ampy antsika ve i Jesoa naneho ny Fitiavany sy ny Heriny?
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
1. Ireo rehetra miezaka manompo Anao anie mba haharitra hidera Anao hatrany.
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
2. Ireo iharan’ny fanavakavahana isan-karazany anie tsy hiraviravy tanana, fa hitafy herimpo eo am-pitadiavana ny anjara masoandrony.
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
3. Izahay mpianatrao anie mba ho loha laharana hatrany hanao ny marina sady hiaro azy, eo anoloan’ny halatra isan-karazany, ny valifaty ...
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
4. Ireo matoky tena amin’izay ataony anie mba hahatsapa fa zava-poana izay atao raha tsy miaraka aminao.
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
5. Ireo manompo sampy, fa indrindra ireo manao ny vola ho andriamanitra anie mba hahita sy hahalala fa Ianao irery no harena tokana mendrika hokatsahina.
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
6. Ireo rehetra nody mandry dia ankininay amin’ny Famindram-ponao.
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
7. Azo ampiana na soloana fangarahana hafa
Fiv: Ry Jesoa Tokinay ô, Ianao no andrandrainay!
Rainay any an-danitra ...
Tsy mahefa na inona na inona ankasitrahin’ny Ray izahay, ry Jesoa Tompo,
raha tsy Ianao, satria manampetra ny herinay, ka izany no andrandranay ny
Fitiavanao mamonjy, eo amin’ny ezaka rehetra ataonay. Fa Ianao velona sy
manjaka miaraka amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona
rehetra mandrakizay. Amen.
TSODRANO (IX.)[ohatra]
Mpitsodrano:
Ilay mbola tsy hitan’ny maso,
Ilay nanatanteraka ny famantarana,
ary Ilay mampahafantatra ny hevitry ny Tenin’i Jesoa anie
hanazava sy hitari-dalana antsika
anatin’ny haizin’izao fiainana izao.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!