Alakamisy IV Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.) Salamo 24 (23)

Sas: Aoka isika hiombom-po, aoka hiombom-bavaka, dia ho eo

anivontsika i Kristy, Aleloia! (Mt 18,19-20) (Asolo ny Aleloia: Kristy Jesoa)

1. An’ny Tompo avokoa ny tontolo sy ny hareny,

Ny tany sy ny mponina ao aminy rehetra.

2. Fa Izy no nanorina azy ambony ranomasina,

Sy nampitoetra azy ambonin’ny rano;

3. Ka zovy no hiakatra ny vohitry ny Tompo?

Ary iza no hijoro an-Toerana masina?

4. Izay madio tanana sy izay mazava fo,

Ary izay tsy manankina fanahy amin’ny sampy,

5. Izay tsy mianiana hamitaka ny hafa;

Hahazo tsodrano avy amin’ny Tompo izy,

6. Hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitra,

Dia Ilay Andriamanitra Mpamonjy azy.

7. Izany no vahoakan’izay mikaroka Azy

Mikaroka ny Tavan’Andriamanitr’i Jakôba.

8. Ianareo varavarana, andrao ny tatao,

Miandra ianareo varavaram-pahagola!

9. Ny Mpanjakan’ny voninahitra hiditra eo!

Fa iza io Mpanjakan’ny voninahitra io?

10. Ny Tompo mahery tsy resy resena,

Ny Tompo tsy resy resena amin’ny ady!

11. Ianareo varavarana, andrao ny tatao,

Miandrà ianareo varavaram-pahagola.

12. Ny Mpanjakan’ny voninahitra hiditra eo!

Fa iza io Mpanjakan’ny voninahitra io?

13. Ny Tompo Andriamanitra: Tompon’ny tafika,

Eny, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!

14. Ny Mpahary Raintsika, sy i Kristy Mpanjaka,

Ny Fanahy mpanamasina, omeo voninahitra.

Sas: Aoka isika hiombom-po, aoka hiombom-bavaka, dia ho eo

anivontsika i Kristy, Aleloia!

 

ANTSA (II.)

1. Raha noana mitofezaka iny aho,

Aniraho olona hotiavina,

Aniraho olona iray aho

Hiandrandra ny indrafoko.

Raha sendra ka mangetaheta aho,

Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,

Aniraho olona iray aho,

Handrosoako ala hetaheta.

Fiv: Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô!

Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô!

Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô!

Homeko maimaim-poana!

2. Raha jihitry ny hatsiaka aho,

Aniraho olona hotiavina,

Aniraho olona iray aho

Tsy manana hirakofana.

Raha tojo ny tsy fisiana aho,

Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,

Tariho mankany amiko

Ilay zandry fadiranovana.

Fiv: Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô!

Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô!

Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô!

Homeko maimaim-poana!

3. Raha sendra ka mitambesatra

Ilay Hazo Fijaliako,

Aniraho olona iray aho

Tsy mahazaka ny anjarany.

Raha sendra ny ratra anaty aho,

Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,

Aniraho olona iray aho

Miandry fanasitranana.

Fiv: Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô!

Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô!

Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô!

Homeko maimaim-poana!

4. Raha tonga ny andro ialana sasatra,

Aniraho olona hotiavina,

Aniraho olona iray aho

Hitambezo ny herin-tsandriko.

Raha sendra ka amavoina aho,

Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,

Aniraho olona iray aho

Hilazako ny hatsarany.

Fiv: Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô!

Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô!

Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô!

Homeko maimaim-poana!

5. Raha trotraky ny hakiviana aho,

Aniraho olona hotiavina,

Aniraho olona iray aho

Hanarenako ny herimpony

Raha mila ho tafintohina aho,

Jesoa, Tompon’ny fitiavana,

Aniraho olona iray aho

Harovako amin’ny mpanaratsy.

Fiv: Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô!

Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô!

Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô!

Homeko maimaim-poana!

6. Raha jembin’ny fitiavan-tena aho,

Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,

Sariho ny eritreritro

Hibanjina an’Izy Ray.

Naniraka Anao ho tia Izy,

Jesoa, Tompon’ny Fitiavana,

Nanolotra ny Fanahy

Hizara hafaliana feno!

Fiv: Fitiavana tsy atakalo, Jesoa ô!

Afoiko ho azy manontolo, Jesoa ô!

Fitiavana tsy ankamerina, Jesoa ô!

Homeko maimaim-poana!

 

SALAMO (III.)143 (142)

Sas: Noharianao izahay mba ho Anao, ka tsy hitony

ny hetahetam-ponay raha tsy eo anilanao. (Md Augustin)

Andininy:

1. Mba henoy ny fivavahako, ry Tompo Andriamanitra;

Mandrenesa Ianao ny antsoko noho ny fahamarinanao.

Mba valio re ity izaho fa Ianao dia mahatoky.

Aza miditra hitsara an’ity mpanomponao.

2. Fa ny miaina, tsisy marina eo anoloanao:

Ny fahavalo e mitady ny hahafaty itony tenako,

Ny fiainako itsahiny hihosona amin’ny tany,

Atakiziny hitovy amin’ny efa maty aho.

3. E injao fa mihareraka ao anatiko ny aiko,

Mihorohoro raiki-tahotra ny ao am-poko ao.

Dia tsaroako avokoa ireo androko fahiny,

Ny asa vitanao rehetra dia tsaroako ihany koa.

4. Nodinihiko ary teo ny zava-bitan-tananao,

Dia manandratra ny tanako mankaminao aho,

Ary indro aho fa eto anoloanao izao,

Toy ny tany karakaina sy mangetaheta rano.

5. Koa faingana re, ry Tompo, mba valionao aho!

Efa reraka dia reraka tokoa anie ny aiko!

Aza afeninao ahy ny salovan-tavanao:

Ndrao ho toy ireo mitsitra any anaty lavaka aho.

6. Ataovy reko vao maraina ny fitiavanao re,

Fa satria Ianao anie no ataoko fitokiana.

Atoroy ahy ny lalana izay tokony hombana:

Fa mankany aminao no anandratako fanahy!

7. Mba afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Tompo!

Eo anilanao ihany no fialofana ho ahy.

Ampianaro aho, ry Tompo, hanao ny sitrakao,

Fa Ianao tokoa anie no Ilay Tompo Andriamanitro.

8. Enga anie ny fofon’aina mahasoa avy aminao

Mba hitarika ahy hankany amin’ny tany marina any.

Mba velomy, Tompo, ny aiko noho ny Anaranao,

Esory anaty fahoriana noho ny fahamarinanao.

9. Koa isaorana ny Ray mampahafantatra antsika

Ny halehiben’ny fitiavany raha vao maraina koa,

Sy ny Zanaka nanoro hanao ny sitrak’Izy Ray,

Ary koa ny Fanahy mpanoro lalana antsika.

Sas: Noharianao izahay mba ho Anao, ka tsy hitony

ny hetahetam-ponay raha tsy eo anilanao.

 

TONONKIRA (IV.)Iz 66,10-14

Sas: Nandroso, nanatona an’ilay Jerosalema any an-danitra isika, ilay

Tanànan’Andriamanitra velona, sy ny Anjely alinalina, fivorian-­­karavoana,

fiangonan’ny mpino voasoratra anarana any an-danitra. (Hebr 12,22)

Andininy:

1. Mifalia ianareo amin’ny Jerosalema!

Miravoa miaraka aminy

Ianareo izay tia azy!

Miaraha-mientana aminy

Ianareo nisaona azy!

2. Ianareo dia hitsentsitra, hinono eo aminy,

Ka ho voky tambitamby;

Dia higoka ianareo

Ary hankafy erý

Ny hafenoan’ny voninahiny.

3. Hoy ny Tompo manko hoe: "E! alefako aminy

Toy ny ony ny fiadanana,

Toy ny tondra-drenirano,

Ny voninahitra aman-daza

An’ireo firenena".

4. Dia hampinonoina ianareo, hotrotroina;

Horotsiana eo am-pofoana.

Toy ny tambitambin-dreny

Izay fanaony amin-janany,

Ny tambitambiko ho anareo.

5. Eny, ho voatambitamby e ao Jerosalema,

Dia hahita ianareo

Ka ho falifaly fo;

Moa ny anareo ny taolana

Toy ny ahitra mitsiry,

6. Eh! hobio ny Ray Nahary be fitiavana antsika,

Sady Ray moa no reny,

Ilay Zanaka Mpanjaka

Vadin’ny Fiangonana,

Ilay Fanahy Mpampiombona.

Sas: Nandroso, nanatona an’ilay Jerosalema any an-danitra isika, ilay

Tanànan’Andriamanitra velona, sy ny Anjely alinalina, fivorian-karavoana,

fiangonan’ny mpino voasoratra anarana any an-danitra.

 

SALAMO (V.)147 (146)

Sas: Manaiky ny Fiangonana sy mandray azy ho Reninay izahay

Andriamanitra ô, ka tsy misalasala miantso Anao hoe Rainay. (Md Cyprien)

Andininy:

1. Eny, Tsara ny mihoby

Ilay Andriamanitsika,

Eny, mety ny mihira

Ny fankalazana Azy!

2. Fa ny Tompo no manangana

An’ilay Jerosalema,

Ilay mamory izay voaely

Amin’ny zanak’i Israely;

3. Izy koa no manasitrana

An’ireo ‘zay toro fo

Sy mitsabo koa ny fery

Amin’ny ratran’izy ireo.

4. Ilay manisa tsirairay

Irony kintana rehetra,

Sy miantso azy ireo

Am in’ny anarany avy.

5. Lehibe ny Tompontsika

Ary goavana ny heriny:

Tsisy olo-maharefy

Raha ny halalinan-tsainy.

6. Izy Tompo dia manandratra

An’ireo manetry tena,

Mampietry ho amin’ny tany

Ireo olona tsy mpino.

7. Koa venteso ho an’ny Tompo

Ny fisaorana amin-kira,

Dia tendreo ny valiha

Ho an’Andriamanitsika!

8. Fa ataony rako-drahona

Ny lanitra eny ambony,

Ka manomana orana Izy

Mba ho an’ny tanimboly;

9. Mampitsiry ahitra Izy

Eny an-tendrombohitra eny

Mbamin’ireo karazana anana

Izay ilain’ny olombelona.

10. Manome firaofana Izy

Mba ho an’ny biby fiompy,

Ary izay ilainy kosa

Ho an’ny zanaka goaika.

11. Tsy ny herin’ny soavaly

No hoe mahafinaritra Azy

Na ny tanjaky ny mpiady

No hoe sitraky ny fony;

12. Fa izay matahotra Azy,

Ireo no sitraky ny Tompo.

Dia ireo izay manantena

Ny hatsaram-pony ihany.

13. Isaoranay Ianao, ry Ray:

Ny Fiangonan’i Kristy

No anangonanao ny mpino

Amin’ny tsiokan’ny Fanahy.

Sas: Manaiky ny Fiangonana sy mandray azy ho Reninay izahay

Andriamanitra ô, ka tsy misalasala miantso Anao hoe Rainay.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)Rom 8, 14-17

Tokoa fa zanak’Andriamanitra izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra, satria tsy fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hamerina anareo indray amin’ny tahotra, fa Fanahim-pananganan-janaka, iantsoantsika hoe: Aba! Ray! ary ny tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’iKristy; satria raha miombom-pijaliana aminy isika, dia hiombom-boninahitra aminy koa.

 

VALINKIRA (VII,)

Fiv: E mpandova an’Andriamanitra isika, Aleloia! (Rom 8,17)

1. Nozarainy tamintsika ny Tsiambaratelony

Mba handraisantsika an-tanana ny ho avy miaraka aminy. (Mt 11,25)

Fiv: E mpandova an’Andriamanitra isika, Aleloia!

2. Nozarainy tamintsika ny afom-Pitiavany

Andrehetana ny fon’izay mikaroka ny Tavany. (Lk 12,49)

Fiv: E mpandova an’Andriamanitra isika, Aleloia!

3. Nozarainy tamintsika ireo asan’ny Tanany

Hizakana ny voaary izay natolony ho antsika. (Sal 8,6-7)

Fiv: E mpandova an’Andriamanitra isika, Aleloia!

4. Nozarainy tamintsika ny Lapa fonenany

Anorenany ny lanitra amin-izay itoerantsika. (Jo 14,3-23; 17,24)

Fiv: E mpandova an’Andriamanitra isika, Aleloia!

 

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo ,

ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho zanaky ny Ray any

an-danitra ianareo. (Mt 5.44-45a)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala

anareo , ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho zanaky

ny Ray any an-danitra ianareo.

 

RANOMBAVAKA (VIII.)

Ny ray aman-dreny tsy manolo bato mafana ny zanany, fa mitsinjo izay rehetra ilainy,

na sakafo, na fanabeazana, na fianarana. Dia tsy hanome antsika ny sakafo ara-nofo

sy ny sakafo ara-panahy ve Ilay Raintsika any an-danitra?

Fiv: Ry Rainay any an-danitra ô, omeo anay anio ny hanina sahaza anay.

1. " Tsy ny mofo ihany no mahavelona, hoy Ianao fa ny Teny rehetra aloaky ny vavan’­Andriamanitra”, koa i Jesoa ilay Teninao anie ho sakafo manome hery anay isan’andro, mandra-pahatonganay any aminao.

Fiv: Ry Rainay any an-danitra ô, omeo anay anio ny hanina sahaza anay.

2. Ny Zanakao no Mofon’Aina nalefanao avy any an danitra, koa izy Jesoa anie hahafa-diana anay izay mangetaheta sy noana hasambarana sy fiadanana.

Fiv: Ry Rainay any an-danitra ô, omeo anay anio ny hanina sahaza anay.

3. Misy ny "nofonkena mitam-pihavanana”, koa ny Nofo aman-dRan’ny Zanakao nomaninao ho anay, raisinay amin’ny Eokaristia anie hamelona sy hanamafy ny fihavananay aminao.

Fiv: Ry Rainay any an-danitra ô, omeo anay anio ny hanina sahaza anay.

4. " Izay iray vatsy, iray aina”, ka ny sakafo haninay anie hampitombo ny fiombonana aina eo aminay olombelona, ary ny tsy fisiany na ny tsy fahampiany kosa mba tsy hitarika fisaraham-bazana, fa vao mainka koa aza hiteraka firaisan-kina hahazoana izay sakafo sahaza anay.

Fiv: Ry Rainay any an-danitra ô, omeo anay anio ny hanina sahaza anay.

5. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv: Ry Rainay any an-danitra ô, omeo anay anio ny hanina sahaza anay.

Rainay any an-danitra ...

Ny fanatanterahana ny sitra-ponao maniraka Azy, ry Ray, no lazain’i Jesoa

Zanakao fa sakafo ivelomany, koa tahio izahay zandriny, tsy hanary ny herim-po sy herim-panahy nomenao mba hanananay amby ampy amin’ny zavatra rehetra, hoentinay mankahery izay olona osa kokoa noho izahay. Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay, izay velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

 

TSODRANO (X.)[ohatra]

Mpitsodrano:

Enga anie hitantana sy hiaro antsika Andriamanitra Ray nampanantena ny Mpamonjy, ny Zanaka nanaiky ho tonga olombelona iray rà amintsika, mba hanavotra antsika, ary ny Fanahy Masina mitaona antsika hibebaka mba hanomana ny fontsika handray ny Mesia.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089