Alakamisy IV Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

1. Akondro lonjehitra miondrika an-tany,

Ny raviny ringitra, vasoky ny andro;

Nilofika hatramin’ny faran’ny Ainy,

Ny nofony tena sakafo nomeny:

Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka, i Kristy!

2. Akondro lonjehitra miondrika an-tany,

Tsy zakan’ny taho fa vokatra loatra;

Ny Vatany itoeran’ny Hasin’ny Ray,

Loharano tsy ritra ipoiran’ny Aina.

Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka, i Kristy!

3. Akondro lonjehitra miondrika an-tany,

Kapaina hamela solofo alikisa;

Fa maty nesorina tamin’ny Hazo,

Natsangan’ny Ray mba hamelona antsika:

voankazo lonjehitra hanim-bahoaka, i Kristy!

Jo 19.30; Mt 26.26-29; Ko1 2.9; Ez 47,7; Jo 7,37-39; Apok 22,1.

 

SALAMO (II.a)144 (143)

Sas: Aoka re ianao ho mpandresy |

Handresy ny ratsy amin’ny tsara | indroa

Aoka re ianao ho mpandresy |

Handresy ny haizina amin’ny hazavana | indroa

Aoka re ianao ho mpandresy |

Handresy ny hala volo amin’ny fitiavana (Rom 12,21) | indroa

1. Hoderaina anie Ianao, ry Tompo ô!

Hoderaina anie Ianao, Ilay Vatolampiko!

Mpanazatra ireto tanako hiady;

Mpampianatra ny sandriko hiantafika.

2. Mpanomba sady mandako Izy manko,

Ilay Rovako ary koa Mpanafaka ahy;

Eny, Izy no Ampingako miaro ahy.

Omeny ahy ny fizakana ny vahoakako.

3. Inona àry ny olombelona, ry Tompo,

No mba tsarovanao izato izy,

Ary inona ny zanak’olombelona

No mba saininao ho zavatra tokoa?

4. Toy ny tsio-drivotra, eny, ny olombelona,

Ary aloka miserana ny androny.

Aondreho ny lanitrao, midîna, Tompo:

Dia kasiho ny tendrombohitra hirehitra.

5. Alefaso hifanaretsaka ny tselatra,

Atorahy ny tsipika, hampatahotra.

Ny tananao ahinjiro avy any ambony,

Ary dia ho afaka tokoa izany tenako.

6. Dia avoty aho amin’ny rano be,

Amin’ny tanan’ireo hafa firenena:

Lainga foana no hambaran’izy ireny,

Ary tanana mpamitaka ny tanany.

7. Ianao no hoderaiko sy hobiko,

Hobiko amin’ny antsa vaovao;

Ary koa hitendreko valiha,

Dia valiha tory folo mikarantsana.

8. Eny, izany dia ho Anao Ilay mahatonga

Ireo mpanjaka eran-tany ho mpandresy,

Sy miaro an’i Davida ilay mpanompo

Tsy ho voan’izay sabatra mamono.

9. Dia avoty ka vonjeo aho, ry Tompo ô,

Amin’ny tanan’ireo hafa firenena:

Lainga foana no ambaran’izy ireny,

Ary tanana mpamitaka ny tanany.

10. Hoderaina Ianao, Ray, Ilay tsara fo

Tia mamaly ny haratsiana amin’ny tsara;

Sy i Jesoa Mpandresy ny ota amin’ny Fitiavana;

Ary Ianao Ilay Mpankahery ny mpikatroka.

11. Ireo zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo

Mirobona faniry

Hatramin’ny fahakely ... Maharavo

12. Ireo zanakay vavy ho toa andry fehizoro

Izay tena tsara sokitra,

Fanao any an-dapa.

13. Ny sompitray anie mba ho tena feno hika,

Ary koa ho safomorona

Ho hipo-java-tsoa.

14. Ny andian’ondrinay, an’arivony, aman’alina,

Mameno ny kijana,

Ny ombinay matavy.

15. Ka tsy hisy na ny hirika na koa ny fandrobana,

Na antso vonjy aza

Anaty kianjanay.

16. Ka sambatra ny fjrenena izay mba toy izany,

E! sambatra fa manana

Ny Tompo ho Andriamanitra.

17. Isaorana Ianao, Jesoa, nahafoy ny Ainao feno,

Ny Ray kosa indro fa

Nanolotra azy Anao indray.

18. Ireo santatry ny soa sesehena any an-danitra,

Atolotrao anay izao

Ry Fanahy: misaotra Anao!

Sas: Aoka re ianao ho mpandresy

Handresy ny ratsy amin’ny tsara(indroa)

Aoka re ianao ho mpandresy

Handresy ny haizina amin’ny hazavana (indroa)

Aoka re ianao ho mpandresy

Handresy ny hala volo amin’ny fitiavana.(indroa)

 

na: SALAMO (IIa. + IIIa.)103 A (102 A)

Sas: Aoka re ianao ho mpandresy

Handresy ny ratsy amin’ny tsara (indroa)

Aoka re ianao ho mpandresy

Handresy ny haizina amin’ny hazavana (indroa)

Aoka re ianao ho mpandresy

Handresy ny hala volo amin’ny fitiavana (Rom 12,21) (indroa)

1. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko,

Misaora ny Anarany Masina,

O ry tenako tontolo!

(Misaora ny Tompo, misaora!)

2. Misaora ny Tompo. ô ry fanahiko,

Ny soa sesehena nataony

Aza misy hadinoina!

3. Avelany ireo otanao rehetra,

Ianao dia sitraniny koa

Amin’ny aretina rehetra.

(Misaora ny Tompo, misaora)

4. Ny ainao vonjeny tsy ho any andavaka,

Ka hatsaram-po sy fitiavana

No asarony anao.

5. Ny fahanteranao, rako-java-tsoa:

Ianao toy ny voro-mahery,

Mihavao, mihatanora

(Misaora ny Tompo, misaora)

6. Ny Tompo manao asa fahamarinana,

Ny ampahoriana rehetra

Hamarininy avokoa.

7. Ny lalany ambarany an’i Moizy,

Ny asa lehibe izay nataony,

Amin’ny zanak’Israely.

(Misaora ny Tompo, misaora)

8. Mpiantra sy Mpamindra fo ny Tompo,

Tsy malaky tezitra Izy

Ary be hatsaram-po.

9. Tsy mandrakizay ny fiampangany,

Tsy hoe lalandava ihany koa

Ny firehitry ny fony.

(Misaora ny Tompo, misaora)

10. Tsy araka izay hadisoantsika

No hasetriny havaliny antsika,

Na izay otantsika.

11. Toy ny lanitra avo any ambonin’ny tany,

No haben’ny hatsaram-pony

Amin’izay matahotra Azy.

(Misaora ny Tompo, misaora)

12. Fa toy ny atsinanana sy ny andrefana

No analavirany koa

Ny hadisoana amintsika.

13. Fa toy ny fangorahan’ny ray ny zanany

No mba angorahan’ny Tompo

An’izay matahotra Azy!

(Misaora ny Tompo, misaora)

14. Misaora ny Ray Mpamindra fo

Sy ny Zanaka vonjy ho antsiika

Ary Ilay Fanahy Fitiavana.

 

SALAMO (IIb. + IIIb.)103 B (102 B)

1. Fa toy ny fangoharan’ny ray ny zanany

No mba angoharan’ny Tompo

An’izay matahotra Azy!

(Misaora ny Tompo, misaora)

2. zay namoronana antsika, fantany,

Tsaroany fa vovoka isika:

Avy amin’ny vovo-tany.

3. Ny andron’ny olona toy ny ahitra;

Mamelana toa voninkazo

‘ Zay maniry eny an-tsaha. (Misaora ny Tompo ...)

4. Vao tsofin’ny rivotra dia tsy hita;

Ny toerana nisy azy teo

Tsy mahalala azy intsony.

5. Maharitra mandrakizay kosa

Ny hatsaram-pon’Izy Tompo

Ho an’izay matahotra Azy. (Misaora ny Tompo ...)

6. Ny fahamarinany ihany koa

Ho an’ny taranak’ireo,

Dia ny zanaka amam-parany.

7. Dia ireo izay manoa ny fanekeny,

Mahatsiaro ny manatanteraka

Izay sitraky ny fony. (Misaora ny Tompo ...)

8. Naorin’ny Tompo ny fiketrahany,

Nataony any an-tampon’ny lanitra;

Anjakany ny rehetra.

9. Misaora ny Tompo ianareo Anjeliny,

Mpitondra mahery ny didiny,

Mampandry sofina amin’ny teniny.

(Misaora ny Tompo ...)

10. Misaora ny Tompo ianareo, ry tafiny,

Mpanompo sy mpanatanteraka

Izay sitraky ny fony.

11. Misaora ny Tompo ianareo, ry asany,

Any amin’ny toeran-drehetra

Eran-tany fanjakany. (Misaora ny Tompo ...)

12. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko!

Ny Ray mpamela ny ota

Hatramin’ny impitopolo fito;

13. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko!

Isaory i Kristy fa nandray

Ny namoronana antsika. (Misaora ny Tompo ...)

14. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko

Isaory ny Fanahy Masina

Fitiavan-tsisy fetra.

Sas: Aoka re ianao ho mpandresy |

Handresy ny ratsy amin’ny tsara | indroa

Aoka re ianao ho mpandresy |

Handresy ny haizina amin’ny hazavana | indroa

Aoka re ianao ho mpandresy |

Handresy ny hala volo amin’ny fitiavana.| indroa

 

TONONKIRA (IV.)Jo 15,9-13.17

Fiv: Izao re no didiko: "Mifankatiava ianareo!"

1. Fa toy ny nitiavan’ny Raiko Ahy

No efa nitiavako anareo,

Koa dia mitoera amin’ny fitiavako.

Fiv: Izao re no didiko: "Mifankatiava ianareo!"

2. Hitoetra amin’ny fitiavako ianareo ,

Raha toa ka tandremanareo ny Didiko,

Toy izay nandalako ny Didin-dRaiko

Sy itoerako ao amin’ny fitiavany.

Fiv: Izao re no didiko: "Mifankatiava ianareo!"

3. Nambarako taminareo izany

Mba hanananareo Izany hafaliako,

Hahafeno tokoa ny hafalianareo.

Fiv: Izao re no didiko: "Mifankatiava ianareo!"

4. Koa mifankatiava fa izay no didiko ;

Dia toy izay nitiavako anareo.

Tsy misy azo atao hoe tena tia

Raha tsy mahafoy aina ho an’olon-tiana.

Fiv: Izao re no didiko: "Mifankatiava ianareo!"

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Rom 12.4-5

Toy ny tena iray ananantsika, misy rantsam-batana maro tsy mitovy asa, no maha-tena iray antsika ao amin’i Kristy, na dia maro aza isika; satria mifampirantsam-batana isika rehetra araka ny anjaran’ny tsirairay avy.

na: 1 Kor 12. 47

Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany; ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Samy mandray ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny besinimaro.

 

VALINKIRA (VI.)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy! (1 Kor 12,17)

1. Samy rantsambatany isika rehetra. (1 Kor 12,12b)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

2. Samy nizarana fanomezana isika. (1 Kor 12,7)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

3. Haja no omeo ny madinika ireny. (1 Kor 12,23)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

4. May moa ny tanana, ny vava no mitsoka. (Ohabolana)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

5. Taomin’Izy Ray ho amin’ny Zanany isika. (Jo 7,44)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

6. Tohina ny aty, maharary ny afero. (Ohabolana)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

7. Aza dia misaraka fa loza re izany. (1 Kor 1,11-13)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

8. Fa Izy Jesoa ihany re no Loha mampiray. (Kol 1,17; Ef 2,20b)

Fiv: Isika izao no Vatan’i Kristy!

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Ray ô, raha tsy azo esorina amiko ity kapoaka ity fa tsy maintsy

hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny Sitra-ponao, Ray ô! (Mt 26,42b)

Andininy:

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".

3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Ray ô, raha tsy azo esorina amiko ity kapoaka ity fa tsy maintsy

hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny Sitra-ponao, Ray ô!

 

RANOMBAVAKA (VIII.)

Tsy mahay mitia araka izay tokony hitiavana isika. Fa tonga kosa i Kristy

hampianatra antsika izany.

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

1. Jesoa ô, natolotrao teo ambony Hazofijaliana ny Ainao ho famonjena anay,

izahay kosa toa minia tsy mijery an’ireo izay mila vonjy aminay.

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

2. Jesoa ô, nambaranao tamin’ny mahantra sy ny madinika ny Tsiambaratelon’ny Ray, izahay kosa tsy mba sahy mizara amin’ny hafa ny fiainam-pinoana ivelomanay.

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

3. Jesoa ô, nentinao nanompo ny besinimaro ny fahaizana amam-pahalalana tao aminao izahay kosa toa mazana no mampiasa ny fahaizanay hamltahana na hanambakana.

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

4. Jesoa ô, nataonao maimaim-poana ireo asanao hamonjena ny olona, izahay kosa matetika mila tambiny, eny, na dia amin’ny asa fanasoavana ataonay aza.

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

5. Jesoa ô, nasehonao fa ao aminao no tena fiombonam-piainana sy fahasambarana, izahay kosa tsy dia mahatsiaro loatra ny mivavaka ho an’ireo Razana nialoha anay.

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

6. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv: Ny fomba nentinao nitia, ry Jesoa ô, mba velomy ao aminay.

Alohan’ny Rainay:

Ry Jesoa Tompo ô, izay tia mahafoy, ka tezao hatrany ny fonay

hahavokatra fitiavana mampahatsiaro ny famonjena nentinao

ho an’ny olona rehetra, ary hahatonga ho fiainanay ny tonom

bavaka nampianarinao hoe :

Rainay any an-danitra ...

 

TSODRANO (IX.)

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Ray

izay tsy mitsitsy na inona na inona,

ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,

ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina

hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0377