Alahady IV Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.) SALAMO 99 (100)

Misy Salamo sasantsasany efa ao amin’ny boky Ankalazao teo aloha izay miverina indray amin’ny Herinandro faha-4, ka nohavaozina ny dikan-teny mba hanaraka akaiky kokoa ny teny fototra. Mitovy anefa ny ngadona ka azo raisina ho solon’ny taloha. Salamo: 23 (24); 50 (51); 89 (90); 99 (100); 109 (110); 117 (118); 142 (143).

Fiv: Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy, koa ndeha

hasandratsika ny feon’ny voaary tontolo ho fiderana ny Ray. (Apok 1,6)

1. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,

Tompoy Izy amim-piravoravoana,

Tongava eo Aminy mihira, mihoby,

Fiv: Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy, koa ndeha

hasandratsika ny feon’ny voaary tontolo ho fiderana ny Ray.

2. Ekeo fa Andriamanitra anie Izy Tompo;

Fa Azy isika satria noharîny;

Isika vahoakany, ondry fiandriny.

Fiv: Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy, koa ndeha

hasandratsika ny feon’ny voaary tontolo ho fiderana ny Ray.

3.Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra;

Ny kianjany koa idiro amin’antsa,

Isaory Izy ary derao ny Anarany.

Fiv:Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy, koa ndeha

hasandratsika ny feon’ny voaary tontolo ho fiderana ny Ray.

4.Satria Izy Tompo, endrey tsara fo,

Fa mandrakizay doria ny fitiavany,

Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv:Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy, koa ndeha

hasandratsika ny feon’ny voaary tontolo ho fiderana ny Ray.

5.Andeha isika hiara-misaotra ny Tompo,

Hihoby Ilay Zanany ombam-pahefana,

Derao ny Fanahy manamasina antsika.

Fiv:Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy, koa ndeha

hasandratsika ny feon’ny voaary tontolo ho fiderana ny Ray.

 

ANTSA (II).

1.Tamin’ny andro voalohany

Dia lasa maraina koa,

Lasa nankany amin’ny fasana,

Lasa nankany amin’ny fasana i Maria Madalenina;

Kanjo indro tsy nampoiziny

Fa nikipaka teo ny vato

Nanarona ny atin’ny fasana.

Nankaiza ny Tompo no midanadana ny fasana? (indroa)

Dia lasa i Maria re,

Lasa nankany amin’ny Mpianatra

Nilaza ny zavatra hitany:

Nalain’olona, ho’ aho, i Jesoa Tompo

Ka tsy fantatray izay nanaovany Azy! (indroa)

Fa nahoana re

No fonenan’ny maty a

No itadiavana

Ilay Tompon’ny Aina?

Aza hadinoina re

Fa ny voa nafafy tsy maintsy maty,

Raha tsy izany mitoetra eny foana

Tsy hahita ny fahavelomana.

2.Izao no andro fitsanganana

Andresena ny fijaliana

Tambin’ny ota sy ny haizina.

Tambin’ny ota sy ny haizina ny fahorian’olombelona!

Izao no andro fitsanganana

Amelomana ny mpanota

Matory amin’ny fahafatesana.

Tadiavo ny Tompo fa Izy no Lalan’ny Fiainana! (indroa)

Izao no andro fitsanganana

Santatr’ilay fampakarana

Ho any amin’ny tanin’ny velona.

Raha miara-maty amin’i Jesoa Tompo:

Hitsangana indray izay manaraka Azy. (indroa)

Efa velona

I Jesoa Tompo,

Fa nandresy, ho’aho,

I Jesoa Tompo.

I Jesoa Tompo re,

Efa voasoratra tamin’ny boky

Fa hanala ny tany tontolo

Amin’ny gejan’ny fahafatesana.

Tamin’ny andro voalohany,

Ilay nijaly ka novonoina,

Efa nitsanganko velona! (indroa)

 

Na:ANTSA hafa (II.b)

1.Jesoa Tompo ô! Nandresy Ianao!

Nandresy ny herin’ny Maizina,

Itoeran’ny fahafatesana!

Satria nitsangan-ko velona,

Ka manafaka anay amin’ny fatotry ny tahotra,

Mba ho afaka mijoro hanambara koa ny marina.

Fiv:Velona Ianao, Jesoa!

Mibaliaka Hazavana.

Hazavana tondraka Aina,

Aina feno avy amin’ny Ray! Aleloia!

2.Jesoa Tompo ô! Nitia Ianao!

Nitia anay olombelona

Hatramin’ny fara fitiavana,

Kanefa nitsangan-ko velona,

Ka manafaka anay amin’ny gejan’ny hoe “Halako!”

Mba ho afa-mifandray amin’ny zandrinao rehetra.

Fiv:Velona Ianao, Jesoa!

Mibaliaka Hazavana.

Hazavana tondraka Aina,

Aina feno avy amin’ny Ray! Aleloia!

3.Jesoa Tompo ô! Tsy tana Ianao!

Namoha ny hidin’ny Fasana,

Nampikipaka ny rangolahy:

Dia indro nitsangan-ko velona,

Ka manafaka anay amin’ny fonjam-pahazarana,

Mba ho vonona hanaraka ny tsiokan’ny Fanahy.

Fiv:Velona Ianao, Jesoa!

Mibaliaka Hazavana.

Hazavana tondraka Aina,

Aina feno avy amin’ny Ray! Aleloia!

 

SALAMO (III.) 118 (117)

Sas:Maahatalanjona ny asan’Andriamanitra:

Kristy natolotra noho ny fahotantsika;

Kristy nitsanganko velona ho fanamarinana antsika;

hiverina indray hanandratra antsika. (Rom 4,25)

Andininy:

Aleloia!

1.Isaory ny Tompo, Ilay tsara fo,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Aoka i Israely hihoby Azy hoe:

Fa mandrakizay ny fitiavany!

2.Hihoby Azy koa ny zanak’i Aarôna,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Ny matahotra ny Tompo hihoby Azy hoe:

Fa mandrakizay ny fitiavany!

3.Tanatin’ny jaly aho no niantso ny Tompo,

Ka e novaliany aho dia afaka.

Momba ahy ny Tompo, izaho tsy matahotra;

Ka iza no hahatohitra ahy?

4.Momba ahy ny Tompo sy miaro ahy,

Voabandriko ireo fahavaloko.

Aleo dia aleo re mifefy amin’ny Tompo

Toy izay amin’ny olombelona.

5.Aleo dia aleo re mifefy amin’ny Tompo

Toy izay amin’ireo izay matanjaka!

Dia nanemitra ahy ny firenena rehetra:

Naringako tamin’ny Anaran’ny Tompo!

6.Izy ireo nanodidina, nanarona ahy.

Naringako tamin’ny Anaran’ny Tompo!

Dia niangona tamiko toy ny fanenitra:

Naringako tamin’ny Anaran’ny Tompo!

7.Mirehitra toy ny afona tsilo:

Naringako tamin’ny Anaran’ny Tompo!

Naronjiny mafy aho, natosiny ho lavo,

Fa namonjy ahy ny Tompo.

8.Ny Tompo no heriko ary fiderako;

Fa Izy no vonjy ho ahy.

Dia feom-pifaliana ary koa fandresena

No indro ao an-dain’ny marina:

9.„ Mahery ny sandrin’ny Tompo, mihinjitra,

Mahery ny sandrin’ny Tompo!“

Izaho tsy ho faty fa ho velona kosa

Hitory ny asan’ny Tompo.

10.Nofaizin’ny Tompo aho, eny nofaiziny,

Fa tsy mba natolony ho faty.

Vohay ny varavaran’ny fahamarinana

Hidirako hisaotra ny Tompo.

11.„ Inty ary ny varavaran’ny Tompo:

Ny marina no miditra eo!“

Isaorako Ianao fa namaly ny antsoko,

Fa Ianao re no vonjy ho ahy.

12,Ny vato niavonan’ny mpanorin-trano

No vato natao fehizoro;

Izany tokoa no asan’ny Tompo,

Mahagaga eo amin’ny masontsika.

13.Ity re no andro nataon’Izy Tompo

Hiravoana sy hifaliantsika!

Omeo re, ry Tompo, omeo ny famonjena.

Ry Tompo ô, omeo ny fandresena!

14.Hotsofina rano amin’ny Anaran’ny Tompo,

Hotsofina rano izay tonga!

Avy eto amin’ny tranon’ny Tompo izahay

No mitsodrano anareo!

15.Ilay Tompo Andriamanitra manilo antsika.

Koa dia milahara ianareo,

Mandraisa daholo ianareo sampan-kazo

Hatreny akaikin’ny otely.

16.Ianao no Andriamanitro, isaorako Ianao,

Asandratro Ianao Andriamanitro!

Isaory ny Tompo, Ilay tsara fo!

Fa mandrakizay ny fitiavany!

17.Isaory ny Ray izay nanavotra antsika,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Ny Zanaka sy ny Fanahy Mpankahery,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Sas:Maahatalanjona ny asan’Andriamanitra:

Kristy natolotra noho ny fahotantsika;

Kristy nitsanganko velona ho fanamarinana antsika;

hiverina indray hanandratra antsika.

 

TONONKIRA (IV.)Dan 3,52-57

Sas:Endrey izany halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny

fahendreny ary ny fahalalany: tsy hita pesipesenina ny

didim-pitsarany, tsy azo fantarina ny lalany, Aleloia! (Rom 11,33).

Andininy:

1.Isaorana indrindra Ianao, Ry Tompo Andriamanitry ny Razana,

Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

2.Isaorana ny Anaranao, fa masina, be voninahitra

Ka mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

3.Isaorana indrindra Ianao an-tempoly be voninahitra

fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

4.Isaorana indrindra Ianao ambony fiketraha-mpanjaka

fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

5.Isaorana indrindra Ianao mah’tsinjo ny halalin’ny hantsana

fa mendrika dera sy laza isaorana mandrakizay!

6.Isaorana indrindra Ianao mipetraka ambony Kerobima

fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay.

7.Isaorana indrindra Ianao manerana tany aman-danitra

fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

8.‘ Nareo rehetra asan’ny Tompo, derao Izy Tomponareo,

fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

9.Isaorana Ianao, ô ry Ray, mahefa sy feno fitiavana,

deraina Ianao, ry Zanaka, isaorana mandrakizay!

10.Isaorana koa ny Fanahy, fa santatry ny hasambarana,

fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay!

Sas:Endrey izany halalin’ny haren’Andriamanitra

sy ny fahendreny ary ny fahalalany: tsy hita pesipesenina

ny didim-pitsarany, tsy azo fantarina ny lalany, Aleloia!

 

SALAMO (V.) 150

Sas:Mivavaha lalandava, misaora amin’ny zavatra rehetra,

fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho antsika rehetra. (1 Tes 5,17-18)

Andininy:

1.Derao Andriamanitra any an-toerany masina,

Derao eny an-danitra isehoan’ny heriny,

Derao amin’ny asany feno fahefana,

Derao fa ambony lehibe tapitr’ohatra.

2.Derao Izy amin’ny feon’anjomara,

Derao Izy amim-baliha sy lokanga,

Derao Izy amin’ny jejy sy sodina,

Derao Izy amin’ny dihy sy amponga.

3.Derao Izy amin’ny feon’ny kipantsona,

Dia amy kipantsona fienti-mamindra;

Ny voaary rehetra izay manana aina

Dia aoka hihira, hidera ny Tompo.

4.Derao Andriamanitra be voninahitra,

Derao koa ny Zanaka fa voninahiny,

Derao ny Fanahy noho Izy nirahiny

Hampientana antsika hihira ny anarany.

Sas:Mivavaha lalandava, misaora amin’ny zavatra rehetra,

fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho antsika rehetra.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 2 Tim 2,8.11-13

Tsarovy i Jesoa Kristy nitsangana velona, ilay avy amin’ny taranak’i Davida, araka ny Evanjely toriko. Mahatoky tokoa izao teny izao: Raha miara-maty Aminy isika, dia hiara-belona Aminy koa. Raha miaritra fijaliana miaraka Aminy isika, dia hiara manjaka Aminy koa. Raha mandà Azy isika, dia ho laviny koa. Raha mivadika Aminy isika, Izy kosa tsy mivadika na oviana na oviana, satria tsy mandà ny tenany Izy.

 

VALINKIRA (VII.)

Fiv:Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Mpamonjy antsika, koa mifalia, Aleloia!

1.Nandresy ny fahafatesana i Jesoa Zanak’Andriamanitra, Aleloia!

Fiv:Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Mpamonjy antsika, koa mifalia, Aleloia!

2.Ka indro Izy fa nasandratra tolorana fahefana, Aleloia!

Fiv:Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Mpamonjy antsika, koa mifalia, Aleloia!

3.Fa Izy no fananganana hamelona antsika indray, Aleloia .

Fiv:Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Mpamonjy antsika, koa mifalia, Aleloia!

4.Ilay Tompon’ny fiadanana miseho eto anivontsika, Aleloia!

Fiv:Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Mpamonjy antsika, koa mifalia, Aleloia!

 

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas:Na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo

amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, Aleloia! (Mt 18,20)

(Asolo ny Aleloia mandritra ny Karemy: Hoy ny Tompo)

Andininy:

1Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay “Mpaminanin’ny Avo indrindra”,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas:Na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo

amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, Aleloia!

 

RANOMBAVAKA (IX.)

Mba hiantsoantsika ny Ray, dia raiso ireo teny fampianaran’ny Zanany nankasitrahiny satria matoky fa hankasitrahiny koa isika, mamerina ny vavaka nampianarin’ny Zanany.

Tsy misy Vavaka tsara kokoa noho ilay nampianarin’ny Tompo izay fanaontsika hatrany hatrany, ka amin’ny Herinandro faha-4 dia samy nalaina ho fiverenana amin’ireo Ranombavaka sasany ny andininy 7 amin’io Vavaka io. Manjary fandinihina fa moaboasana azy ireo fangatahana maro manaraka azy avy, ka tena manampy antsika handray azy lalina ao ampo.

Fiv:Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

1.Efa nanamasina ny Anaranao tamin’ny fanavotana an’i Israely Ianao fahiny, ry Ray, koa hamasino ny vahoakanao izay misetra andro sarotra ankehitriny.

Fiv:Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

2.Antsoinao ho masina tahaka Anao izahay, ry Ray, koa omeo anay ny Fanahinao mahery dia ho tanterakay izany.

Fiv:Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

3.Irahin’ny Zanakao ho fanasina sy fahazavana izahay, ry Ray, koa ataovy mahita ny oha-pitondran-tena ivelomanay ny mpiara-monina, dia hanome voninahitra Anao.

Fiv:Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

4.Efa nivavaka haha-iray ny mpino rehetra ny Zanakao, ry Ray, koa tsofy rano ireo

ezaka fifanatonana ataon’ny Fiangonana mitondra ny Anaranao.

Fiv:Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao ety an-tany tahaka ny any and-anitra.

5.Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv:Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Rainay any an-danitra ...

Ry Tompo Rainay ô, mankalaza ny nitsanganan’ny Zanakao ho velona izahay anio, ary mino fa velona eto anivonay Izy. Koa noho ny Fanahinao Masina, dia tsy ho firehan-kevitra fotsiny anie izany finoanay izany, fa ho fiainana miara-belona aminy tokoa, ary dia tsy hiala ao am..onay ny fahatsiarovana sy ny fitiavana Azy, anio tontolo andro sy amin’ny andro rehetra iainanay. Fa Izy velona sy manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

na:

Ry Tompo Ray Masina ô, mahatalanjona ny halalin’ny Fitiavanao anay olombelona, satria Ianao no nanome anay an’i Jesoa Zanakao „Ilay vato niavonan’ny mpanao trano, nefa indro natsanganao ho Fehizoro“ ka mahatonga anay ho zanaka mpandova Anao miaraka aminy. Hipololotra tsy an-kijanona avy ao am-ponay anie ny Fiderana ny Fitiavanao ho fanomezam-boninahitra ny Anaranao Masina. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Zanakao Tomponay, izay velona sy manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay, no angatahanay izany . Amen.

 

TSODRANO (X.)

Mpitsodrano:

Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

izay Andriamanitra tokana,

hampiray fo sy saina antsika mandrakariva

araka ny mahairay Azy.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0072