ANTSA (II.)
1. Jesoa Kristy ô,
Rahefa miposaka iny ny andro,
Ka te hamololona;
Hiara-migoka ny tana-masoandro
Ny tany tontolo.
Tsaroanay ny lanitr’i Betilehema,
Andro Noely!
Dia avy manatona Anao izahay
Fa te hampamokatra, eny e,
Tsirim-piadanana isan-tokonana. (indroa)
Fiv: I Jesoa Tompo, Masoandron’ny fiainana.
2. Jesoa Kristy ô,
Rahefa misandratra iny ny andro
Ka te hibaliaka;
Hiara-migoka ny tana-masoandro
Ny tany tontolo.
Tsaroanay ny lanitr’i Jerosalema,
Andron’ny Paka!
Dia avy manatona Anao izahay
Mba ho tafatsangana, eny e,
Hiara-misotro ny herin’ny Fiainana. (indroa)
Fiv: I Jesoa Tompo, Masoandron’ny fiainana.
3. Jesoa Kristy ô,
Rahefa mandrorona iny ny andro,
Ka te hitandavana;
Hiara-matory amin’ny masoandro mody
Ny tany tontolo.
Tsaroanay ny lanitry ny Vohitra Oliva,
Andro Fiakarana!
Dia avy manatona Anao izahay
Hifanapatapaka ahitra, eny e,
Ny amin’ny andro hiverenanao indray.
Fiv: I Jesoa Tompo, Masoandron’ny fiainana.
SALAMO (II.) 110 (109)
Sas: Eny, Mpanjaka Aho, hoy ny navalin’i Kristy teo anatrehan’i Pilaty.
Izay mivelona amin’ny fahamarinana, dia mihaino ny teniko. (Jo 18,37)
Andininy:
1. Izao no tenin’ny Tompo tamin’ny tompoko:
„ Ianao mipetraha avy eto ankavanako,
Ny fahavalonao dia indro hataoko
Hanjary fitoeran’ireo tongotrao“.
2. Atsotran’ny Tompo avy eto Siôna
Ny tehina maherin’ny fiandriananao:
„ Koa dia manjakà ary koa manampara
Hatrany ampovoan’ny fahavalonao“.
3. Ny andro hisehoan’ny fahefanao,
Ianao dia mpanjaka, mamira-pahamasinana:
„ Fa tahaka ny andro mazava atsinanana
Niteraka ny ando, Izaho niteraka anao“.
4. Fa izao ny velirano nianianan’ny Tompo,
Tamin’ny toky tsy miova, tsy misy anenenany:
„ Ianao dia Mpisorona mandrakizay,
Araka ny satan’i Melkisedeka“.
5. Hijoro ny Tompo eo ankavananao,
Hamotika mpanjaka amin’ny andron-katezerany.
Amin’ny riaka, hisotro eny an-dalana izy
Noho izany dia hatrakany hatrany ny lohany.
6. Derao ny Ray be fitiavana antsika!
Ny Tompo nandresy ny fahafatesana;
Derao ny Fanahy nananganana antsika,
Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.
Sas: Eny, Mpanjaka Aho, hoy ny navalin’i Kristy teo anatrehan’i Pilaty.
Izay mivelona amin’ny fahamarinana, dia mihaino ny teniko.
SALAMO (III.)112 (111)
Sas: Mizora toy ny zanaky ny mazava, fa ny asan’ny mazava
dia asa soa sy fahitsiana ary fahamarinana. (Ef 5,8-9)
Andininy:
1. Eny, sambatra ny olona
Izay matahotra ny Tompo,
Mankatelina tanteraka ny Didiny.
2. Ny taranaka amam-parany
Dia hahery eto an-tany;
Hohasoavina ny teraky ny marina.
3. Dia fananana sy harena
No miavosa ao an-tranony,
Ary haharitra doria ny fahamarinany.
4. Hazavana no miposaka
Ao anaty haizim-pito
Ho an’ny olona izay mahitsy fo;
5. Dia ireo mamindra fo
Sy miantra ary marina.
Ary izay tsara fanahy, mampisambotra.
6. Dia ataony amim-pahitsiana,
Ny fitantanana ny asany.
Ary izy tsy ho solafaka mihitsy.
7. Ny olomarina hotsarovana
Amin’ny taona mifandimby
Tsy hatahorany ireo tsaho milaza loza.
8. Tsy mihontsona ny fony
Fa miankina amin’ny Tompo.
Mahazo toky hatrany, tsy matahotra.
9. Ny fahamarinany e
Dia haharitra doria,
Ny voninahitra aman-dazany hitombo.
10. Mahita izany ny olon-dratsy
Ka dia romotra mihitsy,
Mihidy vazana, very hevitra aoka izany.
11. Ny fanirian’ny olon-dratsy
Dia ho levona, ho foana ...
Koa isaorana Andriamanitra Ilay Marina.
12. Ny hany atahoranay,
O ry Ray Mpahary ô:
Tsy hahavaly ny fitiavanao izahay.
13. Ny hany atahoranay,
Ry Jesoa Mpamonjy ô:
Sao mihataka aminao re izahay.
14. Ny hany atahoranay,
Ry Fanahy Masina ô:
Sao mampalahelo Anao re izahay.
Sas: Mizora toy ny zanaky ny mazava, fa ny asan’ny
mazava dia asa soa sy fahitsiana ary fahamarinana.
TONONKIRA (IV.)1 Joany 4, 8-12
Fiv: Fitiavana Andriamanitra!
Andininy:
1 . Izay tsy tia dia tsy mahay na mahalala an’Andriamanitra
Fa satria Andriamanitra: Fitiavana.
2. Toy izao no nisehoan’ny Fitiavan’Andriamanitra:
Andriamanitra naniraka ny Zanany:
3. Andriamanitra naniraka ny Zanany, 1lay Tokany
Honina eto amin’izao tontolo izao.
4. Mba ho amin’ny alalany no ivelomantsika.
Izao izany fitiavana izany.
5. Tsy isika anie akory no nitia an’Andriamanitra,
Fa dia Izy no nitia antsika kosa
6. Sy naniraka ny Zanany ho sorona fifonana,
Fanonerana ireo fahotantsika.
7. O ry havako malala, raha tahaka izany moa
No nitiavan’Andriamanitra antsika,
8. Dia tsy maintsy mba mifankatia isika samy isika:
Efa tia antsika manko Andriamanitra.
9. Fa tsy nisy olombelona na oviana na oviana
Ka hoe nahita maso an’Andriamanitra.
10. Raha mifankatia isika no honenan’Andriamanitra:
i Lavorary ao am intsika ny fitiavany.
Fiv: Fitiavana Andriamanitra!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Asa 2,32-36
I Jesoa dia natsangan’Andriamanitra ho velona; vavolombelon’izany izahay rehetra.
Ary nony efa nasandratry ny Tanan-kavanan’Andriamanitra Izy, dia nandray avy
tamin’ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, ka nampidina Azy araka izao
hitanareo sy renareo izao. I Davida izay tsy niakatra velively tany an-danitra anefa
nanao hoe: „Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eto ankavanako
ambar-panaoko an’ireo fahavalonao ho fitoeran-tongotra eo ambany tongotrao“.
Koa amin’izany ary, aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa
iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny no nataon’Andriamanitra ho
Tompo sy Kristy.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia! (Asa 2, 32)
1. Ny andro fahatelo dia niseho ny voninahiny.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
2. Niseho tsy niafinafina fa dia niharihary.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
3. Saingy olona voatendriny no nanehoany ny Tenany.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
4. Isika miara-belona isan’andro vaky aminy.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
5. Miaraka mihinana ny mofo, dia ny Tenany.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
6. Isika no irahiny hanambara ny any am-parany. (Asa 10,42)
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
7. Isika no antsoiny mba hitory ny Fitiavany.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
8. Ny santatra e no Azy fa isika mbola hatsangany.
Fiv: Natsangan’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Ankehitriny ny firenen-drehetra dia iray lova ary mpiombona anjara
amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. (Ef 3.6)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.
3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Ankehitriny ny firenen-drehetra dia iray lova ary mpiombona
anjara amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Ho an’izay tia, tsy misy hafaliana lehibe noho ny midera ilay tiana. Koa ndeha isika
hihoby ny fiderana an’Andriamanitra Ray...
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia! (Asolo ny Aleloia: mihoby ny Hasinao)
1. Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no Loharanon’Aina mamelona anay, ka mankasitraka Anao izahay!
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
2. Ry Andriamanitra Ray ô, Loharanon’ny Hazavan’ny fiainanay Ianao, ka mankasitraka Anao izahay .
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
3. Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no Loharanon’ny Fitiavana ifamatoranay olombelona, ka mihoby Anao izahay!
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
4. Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no fototry ny famindrampo, ka mamelà ny helokay lalandava. Misaotra anao izahay.
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
5. Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no Loharano ipoiran’ny zava-tsoa rehetra izay entinay hiderana Anao!
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
6. Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao nanangana an’i Jesoa Zanakao ho velona, mba velomy amin’ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
7. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa
Fiv: Mihoby ny Hasinao izahay, Ray ô, Aleloia!
Rainay any an-danitra ...
Andriamanitra ô, efa nanambara Anao Mpahary ny zava-boaary. Efa nanambara tamin’i
Moizy Ianao fa Andriamanitry ny Fanekem-pihavanana amin’ny vahoaka voafidy. Tsy
ampy Anao anefa izany, ka nanambara taminay ny Tenanao i Kristy fa Ray sy Zanaka
sy Fanahy Masina Ianao, ary nampiditra anay amin’izany Fianakaviana izany. Koa ny fiainanay manontolo anie mba hovan’ny Fanahy Masina ho sahaza ny maha zanak’Andriamanitra anay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Ilay velona sy
manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay. Amen.
Na:
Mba mijanòna re miaraka aminay Tompo ô, efa hariva Izao, efa mandrorona ny andro.
Tsilovy ny fonay eny an-dalana eny, mba hahafantaranay Anao eo am-pihainoana ny
Soratra Masina sy eo am-pizarana ny mofo. Ianao Ilay velona sy manjaka miararaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
TSODRANO (IX.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Ray
izay tsy mitsitsy na inona na inona,
ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,
ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina
hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!