Vavaka Maraina

I. FANAINGANA

FANAINGANA 1 SALAMO 100 (99)

Fiv: Avia hitsaoka ny Zanak’Andriamanitra, avia re!

Izy nifidy an’i Maria ho Reniny.

1 Hobio Izy Tompo ry tany tontolo,

Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,

Tongava eo aminy mihira miravo.

Fiv: Avia hitsaoka ny Zanak’Andriamanitra, avia re!

Izy nifidy an’i Maria ho Reniny.

2 Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.

Fa azy isika satria nohariany

Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Fiv: Avia hitsaoka ny Zanak’Andriamanitra, avia re!

Izy nifidy an’i Maria ho Reniny.

3 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra

Ny ao an-kianjany idiro amin-dera

Derao izy Tompo: ny Anarany isaory.

Fiv: Avia hitsaoka ny Zanak’Andriamanitra, avia re!

Izy nifidy an’i Maria ho Reniny.

4 Miaiky isika fa tsara ny Tompo

Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,

Amin’taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv: Avia hitsaoka ny Zanak’Andriamanitra, avia re!

Izy nifidy an’i Maria ho Reniny.

5 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo

Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,

Derao ny Fanahy mahamasina antsika.

Fiv: Avia hitsaoka ny Zanak’Andriamanitra, avia re!

Izy nifidy an’i Maria ho Reniny.

 

FANAINGANA 2

1 Ry Fiangonana Jerosalema vaovao mahereza!

Mitsangana mitafia hazavana, mandrenesa!

Aleloia!

2 Indro mamiratra anivonao ny voninahitr’Izy Tompo!

Dia i Kristy ‘lay Zanany tonga Nofo: Izy Tompo!

Aleloia!

II. ANTSA

ANTSA 1

1 Misy feo miantso anao

Ka henoy ry Maria!

‘Zao ny Tenin’Izy Tompo nolazain’ny mpaminany:

"Ny tarana-behivavy no hamotika ny Ratsy."

Tsy iza izany fa ianao ‘zay voafidy mba ho Reniny.

Moa vonona ny hino ‘zay voalahatr’Izy Tompo?

Fiv: Tena sitrako tokoa

‘Zay voalazan’Izy Tompo!

2 Misy feo miantso anao,

Ka henoy ry Josefa!

‘Zao ny Tenin’Izy Tompo nolazain’ny mpaminany.

"Fa taranak’i Davida ‘lay Mpamonjy vao ho teraka."

Tsy iza akory fa ianao no hiantoka ny Razany.

Moa vonona ianao ny hiahy ‘zay ho Reniny?

Fiv: Tena sitrako tokoa

‘Zay voalazan’Izy Tompo!

3 Misy feo miantso anao

Ka henoy ry olon-tiany.

Mba tsaroanao va re ilay Tenin’Izy Tompo:

"Tena zanak’Andriamanitra tanteraka ianareo"?

Voatendry ianao izao mba ho tarany eto an-tany.

Moa vonona hitia, eny hatramy fahavalo?

Fiv: Tena sitrako tokoa

‘Zay voalazan’Izy Tompo!

4 M isy feo miantso anao

Ka henoy ry voafidy!

Mba tsaroanao va re ilay Tenin’Izy Tompo:

"Ny fanananao hilaozy dia avia manaraka Ahy"?

Voatendry ianao izao mba hanokan-tena ho Azy.

Moa vonona tokoa, eny ambara-pahafaty?

Fiv: Tena sitrako tokoa

‘Zay voalazan’Izy Tompo!

5 Misy feo miantso anao

Ka henoy ry tinendry!

Mba tsaroanao va re ilay Tenin’Izy Tompo:

"Mandehana, mitoria ny Vaovao Mahafaly"?

Voatendry ianao izao hanamasina ny olona.

Moa vonona hanompo sy hamory ny vahoaka?

Fiv: Tena sitrako tokoa

‘Zay voalazan’Izy Tompo!

 

ANTSA 2

1 Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy

F’eo imason’olombelona

Tsy mba veriny tadidy ny hatsaran-tarehinao

F’eo imason’Izy Tompo

Tsy mba veriny tadidy ny hatsaram-panahinao.

2 Mananjara ianao Maria raha samy vehivavy,

F ‘eo imason’olombelona

Tsy mba veriny tadidy raha ny firazananao;

F’eo imason’Izy Tompo

Tsy mba veriny tadidy ny finoana niainanao!

3 Mananjara ianao Maria noho ilay naterakao

F’eo imason’olombelona

Tsy mba veriny tadidy ny anaran-janakao;

F’eo imason’Izy Tompo

Tsy mba veriny tadidy fa nahay nanaiky ianao!

4 Mananjara ianao Maria raha samy vehivavy,

F’eo imason’olombelona

Tsy mba veriny tadidy ny herimpo nanananao;

F’eo imason’Izy Tompo

Tsy mba veriny tadidy ny fon-dreny nentinao!

5 Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy,

F’eo imason’olombelona

Tsy mba veriny tadidy ny fahaizanao nangina;

F’eo imason’Izy Tompo

Tsy mba veriny tadidy fa nanetry tena ianao!

 

III. SALAMO

SALAMO 46 (45)

Sas: Aza matahotra e, ry Maria, fa homba anao ny Tompo

ary ianao no voafidiny ho Renin’ny Mpamonjy. (jereo Lk 1,28-31)

Andininy:

1 Andriamanitra no Hery sy Fiarovana ho antsika

Sady tolo-pamonjena

Raha sendra fahoriana.

Koa na tany hikorosy sy ho tapitra hianjera.

Ny havoana koa hihovitra ao anaty ranomasina,

Ary ny onjany hitroatra,

Hisamboaravoara mafy,

Ny tendrombohitra hiletsy... Tsy hatahorantsika izany!

Momba antsika ‘lay Tompon’ny hery;

Ny Andriamanitr’i Jakôba, Manda vato ho antsika!

2 Misy ony mampifaly ny Tanànan’Andriamanitra,

Ilay masina indrindra

Amy Vohitry ny Avo.

Andriamanitra eo anivony ka tsy hihontsona izy,

Dia ilay mamonjy azy mbola vao mangiran-dratsy.

Misafoto ny vahoaka,

Dia hikoa ny fanjakana:

Rah’ midoboka ny feony dia hihotsaka ny tany.

Momba antsika ‘lay Tompon’ny hery;

Ny Andriamanitr’i Jakôba, Manda vato ho antsika!

3 Mba jereo ny asa vitan’Izy Tompo teto an-tany:

Dia ny fandravana maro:

Ka ny ady nofongorany ...

Ny kalesy, ny tsipika sy ny lefona fiadiana

Nopotehiny avokoa sy nodorany ho kila ...

"Mitsahara ka ekeo

Fa Izaho no Andriamanitra

‘Lay Manapaka ny tany sy ny firenen-drehetra.

Momba antsika ‘lay Tompon’ny hery;

Ny Andriamanitr’i Jakôba, Manda vato ho antsika!

Sas: Aza matahotra e, ry Maria, fa homba anao ny Tompo

ary ianao no voafidiny ho Renin’ny Mpamonjy.

 

SALAMO 118 (117)

Sas: ‘Ty aho mpanompovavin’ny Tompo,

Aoka ho tanteraka amiko araka ny Teninao. (Lk 1,38)

Andininy:

1 Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Lazao ry Israely, ry fianakaviany

Fa mandrakizay ny fitiavany!

2 Lazao, ry Aarona, ry fianakaviany,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Lazao, ry matahotra am-po azy Tompo,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

3 Terem-pahoriana aho no niantso ny Tompo,

Ka henony dia nohalalahiny!

Momba ahy Izy Tompo, ka tsisy ahiko,

Tsy misy afa-manohitra ahy.

4 Fa momba ahy ny Tompo sy manampy ahy,

Bandriniko ny fahavaloko;

Aleo dia aleo re mifefy amy Tompo

Toy izay re mifefy aman’olona.

5 Aleoko tokoa re mifefy amy Tompo

Toy izay amin’olomahery;

Naronjina mafy aho fa tiana ho lavo,

Fa tonga namonjy ahy ny Tompo.

6 Deraiko fa heriko mantsy Izy Tompo.

Nanaiky ho mpamonjy ny aiko.

Mihoby sy faly aho fa tra-pamonjena.

Miantsa ao an-tranon’ny Marina.

7 Natsotran’ny Tompo ny tanan-kavanany,

Natsotrany hanampatra ny heriny;

Ka indro aho ho velona tsy mba ho faty,

Hiantsa ny ataon’Andriamanitra.

8 Nitsapa ahy mafy tokoa Izy Tompo

Kinanjo aho tsy foiny ho faty;

Vohay ny varavaran’ny fahamarinana

Hidirako hisaotra ny Tompo.

9 Fa eto tokoa n’varavaran’ny Tompo:

Ny marina no miditra aminy.

Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo:

Nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.

10 Ny vato natsipin’ny mpanorin-trano

No indro natao fehizoro:

lzany no asa nataon’Izy Tompo,

Ka gaga ny maso mijery.

11 Izao re no andro nataon’Izy Tompo

Hiravoravoana, hifaliana,

Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy,

Tongava hanome fandresena.

12 Ny Anaran’ny Tompo no hitsofana rano

‘Zay tonga miseho anatrehany.

He tsofinay rano tokoa ianareo,

Mivory ato antranon’ny Tompo.

13 Fa tena Andriamanitra Ilay Tompontsika,

Manilo ary koa manazava.

Avia milahara mitan-tsampankazo,

Avia, manatona ny Otely.

14 Ry Tompo Andriamanitra, isaorako Ianao,

lsaorako ny Anaranao:

Ataovy antso avo fa tsara ny T ompo,

Fa mandrakizay ny fitiavany.

15 Ataovy antso avo ny Ray izay namonjy,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Ny Zanaka sy ny Fanahy Mpankahery,

Fa mandrakizay ny fitiavany!

Sas: ‘Ty aho mpanompovavin’ny Tompo,

Aoka ho tanteraka amiko araka ny Teninao.

 

3: SALAMO 121 (120)

Sas: Mifalia ry Maria, fa nosoavina

Noho ny vehivavy rehetra ianao

Ary nosoavina i Jesoa naloaky ny kibonao.

Andininy:

1 Miandra any an-tendrombohitra ny masoko.

Avy aiza ary no ho tonga izany vonjiko?

2 Avy any amin’izy Tompo re ny vonjiko,

Fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra;

3 Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka

Satria tsy sondrian-tory fa miambina,

4 Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,

Fa miambina an’i lsiraely re ny Tompony.

5 Ny Tompo miahy anao amin’ny alina

Ny Tompo eo aniIanao ka miambina.

6 Masoandro ny atoandro, tsy afaka hisompatra,

Ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.

7 Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany;

Ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.

8 Miambina anao mandroso sy miverina,

Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.

9 lsaorako lalandava re ny Tompoko:

Ny Ray ‘zay nanangana ahy sy mitsimbina,

10 Ny Zanaka hazavana mahavelona

Naniraka ny Fanahy mahasambatra.

Sas: Mifalia ry Maria, fa nosoavina

Noho ny vehivavy rehetra ianao

Ary nosoavina i Jesoa naloaky ny kibonao.

 

SALAMO 150

Sas: Sambatra ianao nino ny Tompo, sambatra!

Ataony tokoa ‘zay voalazany anao, sambatra! (Lk 1,45)

Andininy:

1 Derao Andriamanitra any an-toerany masina,

Derao eny an-danitra isehoan’ny heriny,

Derao amin’ny asany feno fahefana,

Derao fa ambony lehibe tapitr’ohatra.

2 Derao Izy amin’ny feon’anjomara,

Derao Izy amim-baliha sy lokanga,

Derao Izy amin’ny jejy sy sodina,

Derao Izy amin’ny dihy sy amponga.

3 Derao Izy amin’ny feon’ny kipantsona,

Dia amy kipantsona fienti-mamindra;

Ny voaary rehetra izay manana aina

Dia aoka hihira, hidera ny Tompo.

4 Derao Andriamanitra be voninahitra,

Derao koa ny Zanaka fa voninahiny,

Derao ny Fanahy noho Izy nirahiny

Hampientana antsika hihira ny anarany.

Sas: Sambatra ianao nino ny Tompo, sambatra!

Ataony tokoa ‘zay voalazany anao, sambatra!

 

SALAMO 87 (86)

Sas: Talohan’ny hahafatesany i Jesoa

dia nahita an’i Maria sy ‘lay mpianatra malalany

‘zay nilazany hoe: "Indro ny Reninao“. (jereo Jo 19,25-27)

Andininy:

1 Ry Siona, ry Siona!

Eny an-tendrombohitra masina

No naorin’ny Tompo ianao,

Ilay Tompo tsy mahafoy anao!

2 Ny fonenan’i Jakoba,

Maromaro ihany izy ireny,

F’ianao no andrian’ny fony

Tiany mihoatra ny sisa rehetra.

3 Ry Tanànan’Izy Tompo!

Andriamanitrao mitantara

Zava-maro malaza tokoa,

‘Zao no tena anandratany anao.

4 "I Rahaba s’i Babela:

Mahafantatra ahy izy ireo,

Ary i Tira s’i Filistia,

Ary i Etiopia sy ny hafa,

5 ‘Zao no ambara momba ireo:

Izy, hono, teraka tao!“

I Siona tsy tahaka izany:

"Ny rehetra no teraka tao!“

6 Ny Avo indrindra, ry Siona

Manamafy orina anao!

Hosoratany anatin’ny boky

Ny vahoaka fa: "teraka tao“.

7 Ny andriana eran-tany,

Toy ny zanakao tsisy hafa!

Izy ireo samy faly milaza:

Fa Ianao loharano niaviany.

8 Ry Siona Vaovao,

Aoka isaorantsika ny Ray

Nosoratany ny anarany,

Azo antoka mandrakizay.

Sas: Talohan’ny hahafatesany i Jesoa

dia nahita an’i Maria sy ‘lay mpianatra malalany

‘zay nilazany hoe: "Indro ny Reninao“.

 

IV. TONONKIRA

TONONKIRA lz 9,1-3.5-6

1 Nahita hazavana tomarataratra

N’vahoaka namaky ny haizimpito;

Namirapiratan’ilay mazava

Ireo nogejan’ny fahoriana.

Nahafaly ny fon’ny vahoaka Ianao,

Ry tompo Andriamanitra tsara fo,

N’fanahiny kosa dia ravoravo,

Ka mirana izy anatrehanao.

2 Mibitaka toy ny mpijinja izy,

Mihoraka toy ny mizara babo,

Satria na ny bao teo antsorony aza,

Na ireo tsora-kazo nakapok’azy,

Na koa ny firitsoka nampijaly,

Dia samy nopotipotehinao,

Tahaka izay efa nataonao

Ilay tamin’ny andron’i Madiana.

3 Fa zaza no teraka ho antsika,

Endrey zazalahy no nomena antsika:

Ka indro napetraka ho zakainy

Ilay fanjakana natolotra azy.

Ny anarany Andrianapanolotsaina

Andriananaharimaherisandry

Andrianarainifotoandrehetra

Andrianatomponifiadanana.

4 Dia hitatra kosa ny fanjakany,

Ka tsy hanam-petra ny fiadanana,

Manerana ny tany fanjakany

Sy eo amin’ny fiandrianan’i Davida.

Ho marina hatrany ny fitsarany

Hatramin’izao k’ho mandrakizay

Tanteraka izany an-tsotrapo,

Dia noho ny fitiavan’ny Ray antsika.

 

TONONKIRA lz 11,1-5

Fiv: "Andriamanitra eto amintsika: O! Emanoela!"

1 Fa Solofo iray hitsimoka amy fototr’i Jesea,

Hisy rantsana hitsiry avy amin’ny taranany ;

Ny Fanahin’Izy Tompo no hitoetra ao aminy.

Fiv: "Andriamanitra eto amintsika: O! Emanoela!"

2 ‘Lay fanahy fahendrena sy fahazavan-tsaina,

‘Lay fanahy mpankahery ary koa mpanoro hevitra,

‘Lay fanahy fahalalana ary fitiavam-bavaka.

Fiv: "Andriamanitra eto amintsika: O! Emanoela!"

3 Tsy mba araka ny endri-javamisy no hitsarany,

Na koa araka ny teny ‘zay lazain’ny vavan’olona,

Tsy izany no amoahany ny didim-pitsarana.

Fiv: "Andriamanitra eto amintsika: O! Emanoela!"

4 Ny madinika ho tsarainy ara-drariny avokoa,

Ary didimpitsarana amin’ny hitsiny tokoa

No homeny sy havoakany ho an’ny malahelo.

Fiv: "Andriamanitra eto amintsika: O! Emanoela!"

5 Ireo meloka ho vonoiny amy fofon’ain’ny vavany.

Ka ny rariny hataony fehikibo hisikinana,

Dia ny marina hatrany no hataony fitafiana.

Fiv: "Andriamanitra eto amintsika: O! Emanoela!"

 

TONONKIRA lz 40,1-8

Fiv: Ny Tenin’ny Tompo!

1 Ampionony ny fon’ny vahoaka:

Lazao ao am-pon’ilay Jerosalema

Fa tapitra ny andron’ny fahoriana,

Ny ota nataony voavela avokoa,

Satria fikapohana indroa miantona

No efa nataon’ny Tompo azy ireo.

Fiv: Ny Tenin’ny Tompo!

2 Injay misy feo manao antso avo:

"Amboary ny lalankizoran’ny Tompo:

Ny sakelindalan-drehetra ahitsio,

Totofy avokoa ireo lohasaha,

Ireo tendrombohitra mbamin’ny havoana

Ataovy mitovy torosy daholo.

Fiv: Ny Tenin’ny Tompo!

3 Hiseho am’izay ny herin’ny Tompo,

Dia ‘lay voninahiny ambony tokoa,

Mba samy hahita an’izany avokoa

Ny olondrehetra na iza na iza.

Ny Tompo Mahery no efa niteny.

Ilay Zanahary no efa nivolana.

Fiv: Ny Tenin’ny Tompo!

4 Injay misy feo manao hoe: Antsoy!

Dia nisy niteny namaly an’izany.

"Ahoana ny antso ‘zay mety hataoko?"

Ahitra ihany ny nofo rehetra.

Koa tahaka ny vony mamelana antsaha

Ny hatsarantarehiny kanto dia kanto.

Fiv: Ny Tenin’ny Tompo!

5 Malazo ny vony, mariry ny ahitra,

Reh’fa seranin’ny Ain’Izy Tompo.

Dia ahitra ihany ny olo-miaina;

Malazo ny vony, mariry ny ahitra.

Fa tsy mba izany ny Tenin’ny Tompo

Fa Teny maharitra mandrakizay.

Fiv: Ny Tenin’ny Tompo!

 

TONONKIRA lz 40,9-11

1 Miakara amy toerana ambony dia ambony

Ianao ‘zay mitory Vaovao Mahafaly,

‘Lay hafatra soa ho an’ireo ao Siôna;

Ataovy antso avo ho renesim-bahoaka

Ianao ‘lay mpitory Vaovao Mahafaly,

‘Lay hafatra soa ho an’i Jerosalema.

2 Esory ny tahotra, akaro ny feo,

Lazao amy vohitra ao Joda hoe:

Indro fa tonga ny Tompo Nahary,

‘Lay Tompo Mahery Andriamanitrareo.

Ny herin’ny sandriny ampinga handreseny

Ho enti-manangana ilay fanjakany.

3 Ireo valisoany dia manaraka azy,

Ny sandan’ilay fandreseny anoloany.

Tahaka ny mpiandry Izy miandry ny ondriny:

Angoniny ireo zanak’ondry rehetra,

Trotroiny ‘zay kely sy mbola minono,

Ireo reniondry roahiny mora.

 

TONONKIRA lz 55,10-11

1 Toy ny erika mifafy sy ny orana milatsaka

Avy eny an-danitra eny

Tsy miverina hiakatra ho rahona tsy akory

Rah’ tsy efa mahavonto, mahalonaka ny tany.

Dia toy izany koa ny Teniko

Hoy ny Tompo Zanahary.

2 Tsy miverina eny ambony lasa rahona indray

Rah’ tsy efa mampitsiry

Mampamelana ny voly hahazoana voa afafy

Sy sakafo mahavoky iveloman’ny vahoaka.

Dia toy izany koa ny Teniko

Hoy ny Tompo Zanahary.

3 Toy izany koa ny Teny ‘zay lazaiko sy toriko

Tsy miverina amiko izy

Rah’ tsy efa mahavita ‘zay kasaiko hotontosaina

Ary tiako hotanterahina ny amy nanirahako azy.

Toy izany koa ny Teniko

Hoy ny Tompo Zanahary.

 

TONONKIRA lz 63,7.9.16.17.19b

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

1 Ny famindrampo sy ny asan’ny Tompo

Dia hankalazaiko isan’andro isan’andro,

Fa maro no efa nataony ho antsika,

Ary Izy efa niantra an’i lsiraely.

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

2 Ka Izy no tonga Mpamonjy azy ireo,

No sady nangoraka, feno fitserana.

Fa tamin’ny andron’ny fampahoriana,

Ny Tompo nitsinjo azy ireo lalandava.

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

3 Nihodina taminy anefa izy ireo,

Ka nampalahelo n’ Fanahiny Masina.

Niseho ho fahavalon-jareo ary Izy

Ka rafitra niady namely azy ireo.

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

4 Zareo kosa niantso hoe: "Rainay Ianao.

I Abrahama tsy mah’lala anay

F’Ianao dia Ianao re Tompo no Ray,

Mpanavotra anay hatr’ izay ela izay.

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

5 Rah’ izany no efa niantsoanay Anao,

Nahoana ‘zahay re no aveIanao

Hivaona amy lalana voasoritrao,

Ka tonga maditra, tsy hahatahotra Anao?

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

6 Fa noho ny fitiavanao ‘reto mpanompo,

Miantso izahay, avia mitodiha?

Dia aoka Ianao mba handrov’tra ny lanitra

Ka hidina ety aminay amin-kery".

Fiv: Ao ka Ianao hanokatra ny lanitra

ka hidina ety aminay amin-kery.

 

TONONKIRA Dan 3, 52-57

Sas: Rahefa tonga ny fotoana, dia nirahin’Andriamanitra

ny Zanany nateraky ny Virjiny.

Andininy:

1 lsaorana indrindra Ianao

Ry Tompo Andriamanitry ny Razana,

Fa mendrika dera sy laza

lsaorana mandrakizay!

2 lsaorana ny Anaranao

Fa masina, be voninahitra

Ka mendrika dera sy laza

lsaorana mandrakizay!

3 lsaorana indrindra Ianao

an-tempoly be voninahitra

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

4 lsaorana indrindra Ianao

ambony fiketraha-mpanjaka

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

5 lsaorana indrindra Ianao

mah’tsinjo ny halalin’ny hantsana

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

6 lsaorana indrindra Ianao

mipetraka ambony Kerobima

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

7 lsaorana indrindra Ianao

manerana tany aman-danitra

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

8 ‘Nareo rehetra asan’ny Tompo,

derao Izy Tomponareo,

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

9 lsaorana Ianao, ô ry Ray,

mahefa sy feno fitiavana,

deraina Ianao, ry Zanaka,

isaorana mandrakizay.

10 lsaorana koa ny Fanahy

fa santatry ny hasambarana,

fa mendrika dera sy laza

isaorana mandrakizay!

 

V. SALAMO

 

VI. TENIN’ANDRIAMANITRA

lz 7,13-14

Niteny tamin’i Akaza mpanjakan’i Joda ny Tompo tamin’ny alalan’i lzaia mpaminany nanao hoe: "Mihainoa ary, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia mbola mihantsy an’Andriamanitra koa ianareo? Noho izany, dia ny tenan’Izy Tompo no hanome famantarana anareo: Indro ny virjiny hitoe-jaza, ka ho tera-dahy, ary i Emanoela no hatao anarany.“ (izany hoe: eto amintsika Andriamanitra.)

na :Jen 3,14-15

Nony nanota i Adama sy i Eva,

hoy Ravehivavy tamin’ny Tompo Andriamanitra: "Nofitahin’ny bibilava aho, ka nihinana.“ Ary boy ny Tompo tamin’ny bibilava: "Noho ny nataonao, dia voaozona amin’ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra eny an-tsaha ianao: hikisaka amin’ny kibonao, ary hihinana vovotany amin’ny andro rehetra hiainanao. Hataoko mpifandrafy ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany: hanorotoro ny lohanao io taranany io, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.“

na: 2Sam 7,12-13

Hoy i Natana mpaminany tamin’i Davida mpanjaka:

Rahefa tapiIra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao, dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany. Izy no hanorina Trano ho Ahy, ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

 

VII. VALINKIRA

VALINKIRA 1

Fiv: Aleloia! Arahaba ry Renin’Andriamanitra! (Lk 1,28-35)

1 Aza matahotra hoy ny Anjely.

Indro ny Tompo nitsinjo anao.

2 Zanaky ny Avo no haterakao.

Indro ny Tompo nifidy anao.

3 I Jesoa no anaran’ny Zanakao.

Indro ny Tompo fa homba anao.

4 Masina indrindra ny Zanakao.

Izy no hanjaka amy firenena.

 

VALINKIRA 2

Fiv: Hiteraka Zazalahy ny Virjiny! (Mt 1,23)

1 Ny Tompo eo anivontsika no fiantso Azy (Mt 1,23)

(Fiv: Eny e, eny hiteraka Zazalahy ny Virjiny)

2 Haharitra tsisy fetra ny fanjakany (Lk 1,33)

(Fiv: Eny e, eny hiteraka Zazalahy ny Virjiny)

3 Hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota (Mt 1,21)

(Fiv: Eny e, eny hiteraka Zazalahy ny Virjiny)

4 Ary izy no Mpampihavana ny tany (Ef 2,14)

(Fiv: Eny e, eny hiteraka Zazalahy ny Virjiny)

 

VIII. TONONKIRAN’ I ZAKARIA (Lioka 1,68-79)

Sas 1: Tany Betlehema dia niteraka ny Zanany Lahimatoa

i Maria, dia nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona

fa tsy nisy hitoerany mantsy tany an-tranombahiny. (Lc 2,6-7)

Sas 2: Nony tonga ny fetr’andro voatendrin’Andriamanitra

dia nirahiny ny Zanany natera-behivavy mba hanavotra

ny taranak’olombelona. (Gal 4,4)

Sas 3: Azo raisina ihany koa ny Sasinkira amin’ny Tononkiran’i Maria

Andininy:

1 Deraina lsaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’ Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’ izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra“,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatln’ ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas 1: Tany Betlehema dia niteraka ny Zanany Lahimatoa

i Maria, dia nampandriany teo amin’ny fihinanambilona

fa tsy nisy hitoerany mantsy tany an-tranombahiny.

Sas 2: Nony tonga ny fetr’andro voatendrin’Andrtamanitra

dia nirahiny ny Zanany natera-behivavy

mba hanavotra ny taranak’olombelona.

 

XI. RANOMBAVAKA

RANOMBAVAKA 1

Raha hitan’i Maria fa sahirana ireo olona tompon’ny fanasana, tamin’ny fampakaram-bady tao Kana, dia nitalaho tamin’i Jesoa izy ho azy ireo, ka nahazo mihoatra noho izay nangatahina izy ireo. - Mihaino ny vavaka ataontsika miaraka amin’ny Reniny koa Izy ankehitriny.

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

1 Tian’ny Ray manokana i Maria, ry Jesoa, satria Izy no nifidy azy ho Reninao; - koa mba ataovy tia azy toy izany koa izahay.

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

2 Sitraky ny Ray tsy ho voakasi-pahotana ny Reninao, ry Jesoa, noho ny asa fanavotana tsy maintsy hotontosainao; - koa diovy izahay mpanota mba ho voavonjy.

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

3 Tamin’ny herin’ny Fanahy Masina no torontoronina Anao i Maria, ry Jesoa; koa enga anie hanova anay ho toa Anao ny Fanahy Masina noho ny vavaka ataony.

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

4 Lalan-davitra sy sarotra, ry Jesoa, no nataon’i Maria sy i Josefa hahatongavana tany Betlehema, kanefa efa niaraka tamin’izy ireo Ianao; - koa miaraha ihany koa amin’ireo mandeha lavitra.

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

5 Raha nitady hisakana Anao tsy hanatanteraka izay nanirahan’ny Ray Anao ireo havanao, ry Jesoa, i Maria Reninao kosa nanaiky izay sitraky ny Ray; - koa arovy tsy hatahotra loza ireo izay tadiavin’ny havany hamadika ny fahamarinana.

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

6 Fangatahana hafa

Fiv: Henoy re izahay, ry Jesoa Zanak’i Maria!

7 RAINAY ANY AN-DANITRA ...

Ry Andriamanitra Ray ô!

Tao anaty finoana feno sy vavaka lalina

no nanomanan’i Maria ny nahatongavan’ny Mpamonjy.

Koa ny vavaka ataony anie hanampy anay

hanomana tsara ny fonay handray an’i Kristy.

lzany sy izany no angatahinay ...

 

RANOMBAVAKA 2

I Jesoa irery ihany no Mpanelanelana antsika amin’ny Ray. Mahafaly Azy anefa ny manome antsika ny fahasoavany rahefa mivavaka ho antsika i Maria.

Fiv: Nankatò an’i Maria sy i Josefa Ianao, ry Jesoa, ka ekeo ny vavakay!

1 Nitarika Anao hivavaka tao an-Tempoly tany Jerosalema

i Maria sy i Josefa, ry Jesoa, tamin’ny fotoana voadidy;

- mba ataovy mahita ohatra velona am-pinoana tena m ika

troka sy mahatarika avy amin’ny Ray aman-dreniny ny tanora.

Fiv: Nankatò an’i Maria sy i Josefa Ianao, ry Jesoa, ka ekeo ny vavakay!

2 Raha nijanona tany anTempoly Ianao, ry Jesoa,

teo afovoan’ny mpampiana-dalàna,

dia nitotototo nitady Anao i Maria sy i Josefa,

- mba omeo an’izay rehetra mahatsiaro tena ampinoana

ny saina hitady Anao mandra-pahahitany Anao.

Fiv: Nankatò an’i Maria sy i Josefa Ianao, ry Jesoa, ka ekeo ny vavakay!

3 Hafaliana ho andReninao, ry Jesoa

ny mahita Anao mandrakariva

manatontosa ny fandaharan’Andriamanitra;

- mba ataovy mahita hafaliana amin-Janany toy izany

ny Ray aman-dReny niteraka rehetra.

Fiv: Nankatò an’i Maria sy i Josefa Ianao, ry Jesoa, ka ekeo ny vavakay!

4 Notiavinao i Maria Reninao, ry Jesoa;

mba tariho ho tia azy toy ny nitiavanao azy izahay.

Fiv: Nankatò an’i Maria sy i Josefa Ianao, ry Jesoa, ka ekeo ny vavakay!

5 Fangatahana hafa

Fiv: Nankatò an’i Maria sy i Josefa Ianao, ry Jesoa, ka ekeo ny vavakay!

RAINAY ANY AN-DANITRA ...

Ry Andriananahary Rainay ô!

Nomenao hafaliana i Maria nahita an’i Jesoa

nitombo fahendrena sy fahasoavana hatrany

teo anatrehanao sy ny olombelona;

koa ataovy mitombo fahendrena sy fahasoavana ihany koa

izahay zandrin’ i Kristy,

eo anatrehanao sy ny olombelona,

mba hanomezan’izy ireo voninahitra Anao.

lzany sy izany no angatahinay ...

 

RANOMBAVAKA 3

Rahefa nahaheno ny fiantsoan’ Andriamanitra azy i Maria Virjiny

dia tsy nisalasala fa nanaiky izany, satria nino izy fa tsy misy

tsy hain’Andriamanitra atao. Koa izao isika izao anie tsy hiamba-

hamba hanao hoe:

Fiv: Mino izahay Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao!

1 Nino i Abrahama fa tsisy tsy vitanao, ry Tompo,

ka tonga Rain’ny mpino;

- koa mba omeo finoana latsa-paka haelinay amin’ny mpiara-

belona izahay mpianatr’i Kristy rehetra.

Fiv: Mino izahay Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao!

2 Nomenao mitafotafo an’i Masina Maria ny fahasoavanao

amin’ny maha-Renin’Andriamanitra azy;

- koa mba omeo ny Fiangonanao ny fahasoavana

amin’ny maha-Renin’ny mpino azy.

Fiv: Mino izahay Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao!

3 Rahefa nahaheno ny fanenjehan’ny Farisianina sy ny

Mpanora-dalana ny Zanany i Maria, dia nino hatrany

fa io Zanany io no Ilay Irakao, ry Ray;

koa hamafiso ny finoanay zanakao mba tsy ho kivy izahay

rahefa tojo tsy fahombiazana ny asa sahaninay.

Fiv: Mino izahay Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao!

4 Na nalevina aza ny Zanany, dia nino i Maria fa mahay

mamonjy an’izao tontolo izao Izy Jesoa;

koa enga anie ho tonga fanavotana ny namana ny fijaliana

amam-pahafatesan’ny olona miombona amin’i Jesoa.

Fiv: Mino izahay Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao!

5 Fangatahana hafa

Fiv: Mino izahay Tompo ô, fa tsisy tsy vitanao!

RAI NAY ANY AN-DANITRA ...

Ry Andriamanitra Zanahary Rainay ô!

Tao amin’i Maria zanakavavin’i Siona niteraka an’i Kristy

no tanteraka ny teny fampanantenana tamin’ny tanànan’i

Jerosalema, nambaranao tamin’ny vavan’ny Mpaminany.

Koa mba ataovy ho tonga amin’ny fanaperana noho ny aminay

ny vohitra sy ny tanàna onenanay.

Izany sy izany no angatahinay ...

 

X. TSODRANO

Fiavian’ny Tompo

Mpitsodrano:

Enga anie hitantana sy hiaro antsika

Andriamanitra Ray nampanantena ny Mpamonjy,

ny Zanaka nanaiky ho tonga olombelona

iray ra amintsika, mba hanavotra antsika,

ary ny Fanahy Masina mitaona antsika hibebaka

mba hanomana ny fontsika handray ny Mesia.

Valiny (itovizana amin’ny Tsodrano rehetra)

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Noely

Mpitsodrano:

Hitsodrano sy hitsimbina antsika anie

Andriamanitra Ray naniraka ny Zanany ho Mpamonjy antsika,

ny Zanaka tonga nofo aman-dra ka niara-nonina tamintsika,

ary ny Fanahy Masina niterahan’i Maria Azy Kristy Zanaka.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Masina Maria

Mpitsodrano:

Handrotsaka ny fahasoavany amintsika anie

Andriamanitra Ray nanolotra fanomezana tsy manam-paharoa an’i Maria,

ny Zanaka tia sy nanaiky azy ho Reniny,

ary ny Fanahy Masina nanamasina sy nanome azy ny voninahitra maha-Mpanjakavavin’ny lanitra.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona: 1.

Mpitsodrano:

Hiaro antsika

mandia tany tsy ho solafaka

ary miloloha lanitra tsy ho lena anie

ny Fitiavan’Andriamanitra Ray

sy ny Fahazavan’i Kristy

ary ny herin’ny Fanahy Masina.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

 

Mandavan-taona: 2.

Mpitsodrano:

Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,

ny Zanaka izay nirahiny hampanjanaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,

ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie

hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

 

Mandavan-taona: 3.

Mpitsodrano:

Ilay nahary ny ranomasina noho ny sitrapony ihany,

Ilay nampitony ny rivo-doza tamin’ny Teniny tokana,

ary Ilay rivotra mitsoka malefaka anie

hampitody antsika any amin’ilay Seranana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

 

Mandavan-taona: 4.

Mpitsodrano:

Ilay mbola tsy hitan’ny maso,

Ilay nanatanteraka ny famantarana,

ary Ilay mampahafantatra ny hevitry ny Tenin’i Jesoa anie

hanazava sy hitari-dalana antsika

anatin’ny haizin’izao fiainana izao.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

 

Mandavan-taona: 5.

Mpitsodrano:

Andriamanitra Ray izay tsy manolo-bato mafana,

ny Zanaka izay nampitombo mofo ho an’olona an’arivony,

ary ny Fanahy izay mizarazara fanomezan-tsamihafa

ny voaary manontolo anie

hanome antsika izay fahasoavana ilaintsika izao

sy mandritra ny andro rehetra hiainantsika.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

 

Mandavan-taona: 6.

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Ray

izay tsy mitsitsy na inona na inona,

ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,

ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina

hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

 

Mandavan-taona: 7.

Mpitsodrano:

Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

izay Andriamanitra tokana,

hampiray fo sy saina antsika mandrakariva

araka ny mahairay Azy.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0137