Vavaka Hariva

I. ANTSA

ANTSA 1

1 Ry Renin’ Andriamanitra, midera anao ‘zahay

Fa Izy ‘lay Mahefa ka nahary ny tontolo,

Namolavola vatana natokany ho anao

Hiteraka ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Fiv: Eny ry Maria ô, ry Eva vaovao,

Natokan’Andriamanitra ho reninay ianao

Ny fony be fitiavana nafindrany aminao

Ka nentiny hanasoavana an’izao tontolo izao.

2 Ry Renin’ Andrimanitra, midera anao ‘zahay

Fa Izy ‘lay nifantina ny Razanao fahiny

Nanoro anao mba hino ‘zay voalaza taminao

Ka hino koa ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Fiv: Eny ry Maria ô, ry Eva vaovao,

Natokan’Andriamanitra ho reninay ianao

Ny fony be fitiavana nafindrany aminao

Ka nentiny hanasoavana an’izao tontolo izao.

3 Ry Renin’Andriamanitra, midera anao ‘zahay

Fa Izy ‘lay tsy miova raha manao fifanekena

Nanampy anao hijoro sy hanantena am-pitokiana

Ho taratry ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Fiv: Eny ry Maria ô, ry Eva vaovao,

Natokan’Andriamanitra ho reninay ianao

Ny fony be fitiavana nafindrany aminao

Ka nentiny hanasoavana an’izao tontolo izao.

4 Ry Renin’Andriamanitra, midera anao ‘zahay

Fa Izy ‘lay naniraka ny Zanany ho mpamonjy

Nanainga anao ho tia izay nataony taminao

Hitiavanao ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Fiv: Eny ry Maria ô, ry Eva vaovao,

Natokan’Andriamanitra ho reninay ianao

Ny fony be fitiavana nafindrany aminao

Ka nentiny hanasoavana an’izao tontolo izao.

5 Ry Renin’Andriamanitra, midera anao ‘zahay

Fa Izy ‘lay nandefa ny Fanahy Mpandavorary

Nambomba anao hatrany mba ho lavorary Ianao

Ho santatry ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Fiv: Eny ry Maria ô, ry Eva vaovao,

Natokan’Andriamanitra ho reninay ianao

Ny fony be fitiavana nafindrany aminao

Ka nentiny hanasoavana an’izao tontolo izao.

 

ANTSA 2

Fiv: Zanak’Andriamanitra ny Zanakao, ry Maria!

Ny taranaka rehetra miantso anao hoe: sambatra!

1 Fomba ahoana no hitokisana ny Tenin’llay Avo

Fa hitera-dahy ianao tsy noho ny sitrapon’ny nofo?

Nefa ianao tsy mba nila famantarana fa nino.

Fiv: Zanak’Andriamanitra ny Zanakao, ry Maria!

Ny taranaka rehetra miantso anao hoe: sambatra!

2 Telopolo taona feno, tsy mba nisy mpahalala

No niarahan’i Jesoa taminao, ry Maria,

nefa ianao nino Azy ho Mpamonjy ny olombelona.

Fiv: Zanak’Andriamanitra ny Zanakao, ry Maria!

Ny taranaka rehetra miantso anao hoe: sambatra!

3 Fa niaritra ny mafy tamin-Janakao ianao

Raha nenjehin’ireo Jody lohandohan’ny mpisorona

Nefa ianao nino Azy ho Mpanjakan’i Israely.

Fiv: Zanak’Andriamanitra ny Zanakao, ry Maria!

Ny taranaka rehetra miantso anao hoe: sambatra!

4 Hitanao ny Zanakao izay niampatra sy maty

Tsy mba very toky ianao niandrandra fitsanganana

Ary ianao nino Azy ho ‘lay Zanak’Andriamanitra.

Fiv: Zanak’Andriamanitra ny Zanakao, ry Maria!

Ny taranaka rehetra miantso anao hoe: sambatra!

 

II. + III: SALAMO

SALAMO 1 110 (109)

Sas: Ny Fanahy Masina hidina ao aminao,

Ka Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. (Lk 1,35)

Andininy:

1 Hoy Andriamanitra tamin’ny Tompoko:

Avia mipetraka eto an-kavanako

Ho mandra-panaoko ny fahavalonao

Ho tonga fitoeran’ireo tongotrao.

2 Ny tehinao mahery hahinjitry ny Tompo

Avy any Siona, avy any an-danitra;

Koa dia manjaka ary koa mandidia,

Hatreo am-povoan’ny fahavalonao.

3 Anao ny fiandrianana hatram’ny vao teraka

Fa masina Ianao ary enim-boninahitra

Manerana ireo tendrombohitra masina

Sy voatsodrano hatrany am-bohoka.

4 lzao ny fianianana avy amin’ny Tompo:

"Ianao dia Mpisorona mandrakizay

Ka toy ny fanaon’i Melkisedeka!“

Nianiana ny Tompo ka tsy mba hanenina.

5 Ny Tompo hijoro eo an-kavananao

Ho vinitra ery hanamongo mpanjaka

Hisotro am’n’ny riaka eny an-dalana Izy

Hitraka ny lohany, hijoro mahitsy.

6 Derao ny Ray be fitiavana antsika!

Ny Tompo nandresy ny fahafatesana,

Derao ny Fanahy nananganana antsika,

Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.

Sas: Ny Fanahy Masina hidina ao aminao,

Ka Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.

SALAMO 2 125 (124)

Sas: Ho zary famantarana hotoherina ity Zaza ity, ry Maria,

hahatonga fandavoana na fananganana ho an’ny besinimaro. (Lk 2,34)

Andininy:

1 ‘Zay matoky ny Tompo Tsitoha

Ho sahala amy Jerosalema!

Marim-pototra toa vatolampy,

Tsy hihontsona mandrakizay.

2 I Siona tanàna mimanda,

Voahodidina vohitra avo,

Fa ny Tompon’ny tafika kosa

No mba mandan’ireo nofinidiny!

3 Tsy hanjaka amin’olo-mahitsy

Raha ny herin’ny ratsy fanahy,

Ndrao ny marina koa no ho lavo

Ho voatarik’ireo olon-dratsy!

4 "Hasoavy ny olo-mahitsy,

Fa ireo ‘zay mandika ny didy:

Akipaho miaraka amy ny ratsy;

Andriamanitra marina Ianao.

5 Aoka hiadana i Israely

Mba hisaorany Anao, ô ry Ray,

Zanakao no miandany aminay

Manan-kery handresena izahay“.

Sas: Ho zary famantarana hotoherina ity Zaza ity, ry Maria,

hahatonga fandavoana na fananganana ho an’ny besinimaro.

SALAMO 3 (147)

Sas: Raha hitan’i Maria sy i Josefa tao an-tempoly i Jesoa dia niteny azy ireo hoe: "Tsy fantatreo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho?“. (Lk 2,49)

Andininy:

1 Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,

Derao Andriamanitra, ry Siona!

2 Ilay manamafy ny vavahady

Miahy ireo ankizy ao anatinao;

3 Miantoka anao handry fehizay,

Manetsaka anao mena-bary kanto;

4 Mandefa ny didiny ho ety an-tany,

Dia teny miriotra tsy hay tohaina;

5 Mandatsaka oran-toa volonondry

Mamafy fanala mangasohaso;

6 Mandraraka ireo vongan-dranomandry

Mandefa ny hatsiaka hampivaingan-drano;

7 Miteny izy anefa dia miempo ireny

Mitsonika mora dia lasa rano;

8 Nametraka ny hafany ho an’i Jakoba,

Ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!

9 Tsy misy olon-kafa nomeny izany:

Ny satany manko nafeniny azy.

10 lsaory ny Ray izay nifidy antsika,

Ny Zanany Teny nomeny antsika;

11 Natolony antsika ny fanjakany,

Satria ny Fanahiny momba antsika!

Sas: Raha hitan’i Maria sy i Josefa tao an-tempoly i Jesoa dia niteny azy ireo hoe: "Tsy fantatreo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho?“.

 

SALAMO 4 131 (130)

Sas: Fony mbola fahazaza dia nipetraka tany Nazareta i Jesoa

ary nanaiky an’i Maria sy i Josefa. (Lk 2,51)

Andininy:

1 Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,

Ka ny masako mijery tsy mianjona!

Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,

Ireo avo tsy sahaza alaviriko!

2 Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka,

Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny

Matokia ny Tomponao, ô ry Jakoba ô

Hatrizao sy amy taona tsisy fetrany!

3 O ry Ray, Ianao mpiahy ny madinika,

O ry Zanaka, mpitondra fahafahana!

Ry Fanahy, loharanom-piadanana,

Ny fanahiko no miantsa: voninahitra!

Sas: Fony mbola fahazaza dia nipetraka tany Nazareta i Jesoa

ary nanaiky an’i Maria sy i Josefa.

SALAMO 5 127 (126)

Sas: Nijoro teo ampototry ny Hazo nifantsihan’i Jesoa

i Maria Reniny. (Jo 19,25)

Andininy:

1 Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano,

Zary miasa foana ‘zay manorina azy ireny!

Raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna,

Zary miandrv foana ny mpiambina mitily.

2 Eny, sasa-poana ianareo miaritory,

Taitra vao maraina, nefa zara raha mba voky.

Hafa ny olo-tiany, fa matory tsy manahy;

Mbol’ eo am-pandriana dia tolorany sakafo.

3 Indro koa ny zanaka fa lova avy amy Tompo

Valisoa tokoa anie ‘reo menaky ny aina!

Hery ny tsipika eny an-tanana mpiady!

Hery koa ny Zanaky ny fahatanorana.

4 Sambatra ‘zay mahafeno kotra tam’ireny

Sambatra satria mahazo toky fa handresy

Tsy hitsanga-menatra raha misy fahavalo

Hiharihary marina tokoa ny fandreseny!

5 Saotra no atolotra ny Ray miahy antsika

Dera ho an’ny Zanaka ‘zay eo anivontsika

Ary ny Fanahy ‘zay itsofan-drano antsika

Aoka hoderaina amin’ny asa vitantsika.

Sas: Nijoro teo ampototry ny Hazo nifantsihan’i Jesoa

i Maria Reniny.

IV. TONONKIRA

TONONKIRA 1 (Efez 1,3-10)

Sas: Noraisintsika ny Fanahy nananganan’Andriamanitra antsika ho zanany ka ahafahantsika miantso Azy hoe: Ray ô! (Rom 8,15)

1 Hisaorana anie ny Rain’i Jesoa Tompontsika

Noho Izy mitahy antsika avy any an-danitra any:

Fanahin’i Kristy Jesoa no nomeny antsika!

2 lsika efa nofidiny noho i Jesoa Tompo

Talohan’ny nahariana izao tontolo izao

Satria ‘sika tiany ho masina tsy manantsiny.

3 Natokany mialoha isika olontiany

Hatsangany mba ho zanany am’i Jesoa Tompo

lzany anefa no nataony dia ny sitrapony.

4 Andeha ary hankasitraka ity nataony

Nosoaviny taminJanany tokoa isika

Ny Zanany ‘zay namonjy antsika tamy rany.

5 Navelany ny helotsika noho ny fahefany

‘Zay nentiny antanandroa hanasoa antsika

Fa hendry izy mahalala tsara izay ataony.

6 Naborany tamintsika koa ny fikasany

Mikasika an’i Jesoa Zanany, fa tiany isika

Ka indro hotanterahiny amy ny fotoany.

7 Tsy inona fa mba handrindra izao rehetra izao ,

Ireo any an-danitra any s’ireo eto antany

Hanaiky filoha tokana dia Jesoa Tompo.

Sas: Noraisintsika ny Fanahy nananganan’Andriamanitra

antsika ho zanany ka ahafahantsika miantso Azy hoe: Ray ô!

 

TONONKIRA 2 (Efez 2,13-6.18-19)

Fiv: Ankohonan’Andriamanitra isika!

1 Fa hatramin’izao ‘nareo izay lavitra fahiny

Dia nanjary tonga akaiky noh’ ny ran’i Jesoa.

Avy amin’Izy Tompo e ny fihavanantsika!

Fa isika tsy niombona, nakambany ho iray.

Fiv: Ankohonan’Andriamanitra isika!

2 Ka ny nofony aman-dràny no nentiny nandrava

Ilay efitra nizara dia ny fankahalàna.

Avy amin’Izy Tompo e ny fihavanantsika!

Ka nofoanany ny didy sy ny fomba aman-dalàna.

Fiv: Ankohonan’Andriamanitra isika!

3 Fa na Jiosy manko isika na hafa firenena,

Efa sitrany ho iray sy ho olom-baovao.

Tena mihavana amy Ray ‘zao isika roa tonta,

Fa nakambany ho iray tamin’ny Hazofijaliana.

Fiv: Ankohonan’Andriamanitra isika!

4 lo no nentiny nandrava izay nampifankahala;

Ary Izy Tompo ihany no ahafahantsika,

Hifanatrika amy Ray, dia isika roa tonta,

Ao amin’ny Fanahy mampivondrona ho iray.

Fiv: Ankohonan’Andriamanitra isika!

5 Avy amin’Izy Tompo e ny fihavanantsika!

Tsy vahiny intsony isika na olona manjeny,

Havantsika ny olomasina ary tompon-tany tsika:

Ankohonan’Andriamanitra isika hatramizao!

Fiv: Ankohonan’Andriamanitra isika!

 

TONONKIRA 3 1 Jo 1,1-4

1 Ilay efa nisy hatrany am-boalohany

Ka renay kosa ary hitanay maso,

Nobanjininay, notsapainay tanana,

Dia Teny Fianiana mandrakizay.

Fa Izy Fiainana tao amy Ray

Niseho taminay.

2 Fa efa niseho ny tena Fiainana,

Nahita izahay ka indro mijoro

Ho vavolombelony sahy miteny

Ny tena Fiainana mandrakizay.

Fa Izy Fiainana tao amy Ray

Niseho taminay.

3 Ilay hitanay ary koa henonay

No indro ambaranay kosa anareo

Hanananareo fiombonana aminay :

Ny Ray sy ny Zanaka no iombonanay

Ho feno tanteraka ny hafal lana

‘Zay ao amintsika.

TONONKIRA 4 Hebr 1. 1-4

1 Eny imbetsaka Andriamanitra niteny.

Tamin’ny fomba maro samihafa,

Tamin’ireny Ntaolo Razantsika ireny,

Ka ireo Mpaminany notsiloviny

No nitenenany fahiny.

2 Amin’ny vanin’andro farany izao,

Indro ilay Zanany mihitsy,

Ilay voatendry ho mpandova ny tontolo

Sy nahariany izao rehetro izao,

No nitenenany amintsika.

3 lo Zanany io no hazavan’ny voninahiny

Sy endriky ny Rainy Andriamanitra,

Ka mampaharitra izao rehetra izao

Amin’ny herin’ny teniny

Dia ny teniny mahefa.

4 Nony efa vita ny fandiovana ny ota

Dia mitoetra any ambony Izy,

Eo ankavanan’Andriamanitra Rainy.

Eo amin’ny seza fiandrianany

Any amin’ny avo indrindra.

5 lo Zanany io no hazavan’ny voninahiny

Sy endriky ny Rainy Andriamanitra;

Lasa ambony noho ny Anjely Izy Tompo,

Fa ambony ilay anara-nolovàny:

Hafa noho ny azy ireo.

 

TONONKIRA 5 (Hebr 2,14-15.11.17-18)

1 Satria ny olombelona nofo aman-drà (indroa)

Dia niombona tamin’izany Izy Tompo:

Ho entiny handresy amy fahafatesany (indroa)

‘Lay manana ny herin’ny fahafatesana.

2 Ny nofo amandrany no nentiny hanafaka

Ireo ‘zay niharan’ny fanandevozana,

Nandritra ny andro rehetra niainany, (indroa)

Noh’ ny fahatahorana fahafatesana.

3 Koa izy rehetra dia fototra iray,

Na izay manamasina na ny hamasinina.

Ka Jesoa tsy menatra miantso azy ireo (indroa)

Hoe rahalahiko na hoe anabaviko.

4 lzany no antony nahatonga azy

Mitovy amy zandriny amy zava-drehetra,

Ho tonga Mpisorona be indrafo (indroa)

Sy ankasitrahan’Andriamanitra Ray.

5 Hanatitra sorom-pifonana Izy

Ho enti-manonitra ny otan’ny olona;

Noho Izy nalaina fanahy sy nijaly (indroa)

Dia afa-mamonjy ‘zay alaina fanahy.

TONONKIRA 6 (Tito 2,11-14)

Fiv: Niseho an-karihary ny fahasoavan’Andriamanitra.

1 Ny fahasoavan’ Andriamanitra niseho an-karihary,

Loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,

Ka mampianatra antsika mba hiala

Amin’ny ota ‘zay mpahazo ny tsy mpino,

Sy filàna ‘zay mpisarika ny olona eto an-tany.

Fiv: Niseho an-karihary ny fahasoavan’Andriamanitra.

2 Aoka ho malina isika, ho mpivavaka tokoa

Sy hanaraka ny marina amin’ny androntsika izao,

Fa miandry ny hasambarana antenaina,

Ny fisehoan’ny voninahitr’i Jesoa

‘Lay Kristy Mpamonjy antsika Andriamanitra Mahery.

Fiv: Niseho an-karihary ny fahasoavan’Andriamanitra.

3 Ary Izy rahateo dia nanolotra ny Tenany

Hanavotany antsika amin’ny hadisoan-drehetra

Sy mba hanasany antsika ho voadio,

Fa natokany ho vahoaka mba ho Azy,

Sy hikely aina fatratra amin’ny fanaovan-tsoa.

Fiv: Niseho an-karihary ny fahasoavan’Andriamanitra.

TONONKIRA 7 (Tito 3,4-7)

1 Efa niharihary tamintsika ny indrafon’Andriamanitra

Efa nidanadana ho antsika ny Fitiavan’Izy Tompo

Tena maimaim-poana no amonjeny ny taranak’olombelona

N’asa ataontsika am-pahamarinana: tsy sandany velively.

2 Lahatry ny indrafony no nidinan’ny Tompo hamonjy n’olona

Tamin’ny niterahany azy ireo amy rano sy ny Fanahiny

Olona vaovao tokoa isika noho ny herin’ny Fanahiny

Io Fanahiny io no nilatsaka sy nanavao antsika:

3 Jesoa Kristy, ‘lay Mpamonjy no tena vy nahitana

Izy no fahasoavan’Andriamanitra, tokin’ny olombelona

Efa nohamarinin’ny fitiavany isika ka manantena

Afaka manantena fa handova ny fiainana tsisy fetra.

V. TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Gal 4,36:

Fony mbola zaza isika

dia nandevozin’ny abidiam-pianarana amin’izao tontolo izao:

nony efa fotoana dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany:

natera-behivavy Izy, nateraka voafehin’ny lalàna,

mba hanavotra izay voafehin’ny lalàna

sy hahazoantsika ny zo maha-zanaka.

Eny, zanaka tokoa ianareo,

fa nirahin’Andriamanitra ny Fanahin’ny Zanany

honina ao ampontsika, miantso hoe: "Aba Ray“

2. na: Rom 1,14

Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apostoly

sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra

izay nampanantenainy rahateo, tamin’ny alalan’ny mpaminany

ao amin’ny Soratra Masina,

momba ny Zanany,

izay nateraky ny taranak’i Davida,

araka ny nofo,

ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra,

tamin’ny nitsanganany ho velona

araka ny Fanahy Masina

dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

 

3. na: Asan’ny Apostoly 1,12-14

Nony efa nakarina any an-danitra ny Tompo

dia niverina tany Jerosalema ny Apostoly,

avy teo amin’ny tendrombohitra Oliva,

izay lalana azo aleha sabata, raha eo Jerosalema.

Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerana izy ireo,

Dia niray saina izy rehetra,

ary naharitra nivavaka

niaraka tamin’ny vehivavy sasany

sy i Maria Renin’i Jesoa

ary ny rahalahiny.

 

VI. VALINKIRA

VALINKIRA 1

Fiv: Fa Zanaky ny Avo ‘lay Masina naterakao.

1 Efa nidina taminao ny Fanahy

Satria momba anao lalandava ny Tompo. (Lk 1,35)

Fiv: Fa Zanaky ny Avo ‘lay Masina naterakao.

2 Efa nidina taminao ny Fanahy

Tsy hoe fanirian’ny olombelona izany. (Jn 1,13)

Fiv: Fa Zanaky ny Avo ‘lay Masina naterakao.

3 Efa nidina handray antsika Izy Tompo

Hampihavana antsika tokoa amin’ny Ray. (2 Kor 5,18)

Fiv: Fa Zanaky ny Avo ‘lay Masina naterakao.

4 Efa nidina handray antsika Izy Tompo

Isaory ny Ray nahatonga an’izany. (Jn 3,16)

Fiv: Fa Zanaky ny Avo ‘lay Masina naterakao.

 

VALINKIRA 2

Andriamanitra Ray Zanahary Tompo:

Nahary tongotra aman-tanana

Lolohavina sy tompoina

Fa Mpanjaka ambony indrindra

ATAOVY ENIN-KAJA AMAM-BONINAHITRA!

Ilay Zanaka tonga Nofo

Voninahitra ho an’ny Rainy

Fihavanana sy fiadanana

No entiny ety amintsika

ATAOVY ENIN-KAJA AMAM-BONINAHITRA!

Ny Fanahin’ny Ray nitsimbina an’i Maria

Mba ho tonga Renin’Andriamanitra

No manentana ny fiainantsika

Mba ho zanaka manaha-dRay!

ATAOVY ENIN-KAJA AMAM-BONINAHITRA!

 

VII. TONONKIRAN’I MARIA

TONONKIRAN’I MARIA 1

Sas 1:

Mankalaza e mankalaza, mankalaza Anao, ry Tompo,

Ny foko, ny fanahiko, Andriamanitra ô;

Falifaly e falifaly, falifaly ao aminao

Ny foko, ny fanahiko, ry Mpamonjy ahy.

Andininy:

1 Na bitika aza aho, na tsinontsinona,

Notiavinao aho mpanomponao;

Taranaka mifandimby no indro hidera ahy hoe sambatra,

Fa soa lehibe tokoa no natao, nataon’Izy Tompo ho ahy:

Ny Masina anie no anarany.

2 Fa tsofiny rano ny taranaka,

Taranaka amam-para matahotra azy;

Ny heriny dia nampariny handrava ireny mpiavonavona,

Naongany fahefana ireo nalaza ho miezinezina:

Ny bitika no nasandrany.

3 Ny noana fenoiny zava-tsoa,

Ny mpanan-karena dia noroahiny;

Navotany ilay vahoaka voafidy efa nekeny hotiavina,

Tsarovany lalandava ny dina tamin’ny razantsika:

Hotiaviny omban-taranaka.

Sas 1:

Mankalaza e mankalaza, mankalaza Anao, ry Tompo,

Ny foko, ny fanahiko, Andriamanitra ô;

Falifaly e falifaly, falifaly ao aminao

Ny foko, ny fanahiko, ry Mpamonjy ahy.

 

TONONKIRAN’I MARIA 2 (Lk 1,46-55)

Sas 2: O ry Maria ô!

Voatendrin’ Andriamanitra handova

ny fiketrahan’i Davida Razambeny ny Zanakao

ka tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. (Lk 1,32a-33)

Sas 3: Nandinika ny zava-drehetra momba an’i Jesoa

i Maria Reniny. (Lk 2,19)

Sas 4: Niray saina ny mpianatr’i Jesoa

ary naharitra nivavaka niaraka tamin’i Maria Reniny. (Asa 1,14)

Andininy:

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra“ aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany“.

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas 2: O ry Maria ô!

Voatendrin’ Andriamanitra handova

ny fiketrahan’i Davida Razambeny ny Zanakao

ka tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. (Lk 1,32a-33)

Sas 3: Nandinika ny zava-drehetra momba an’i Jesoa

i Maria Reniny. (Lk 2,19)

Sas 4: Niray saina ny mpianatr’i Jesoa

ary naharitra nivavaka niaraka tamin’i Maria Reniny. (Asa 1,14)

 

VIII. RANOMBAVAKA

RANOMBAVAKA 1

Ho an’ny tena Mpianatr’i Kristy, ny Renin’i Jesoa dia Reniny

ihany koa izay mitalaho ho antsika.

Fiv: Mitalaho ho anay, ry Tompo,

ilay efa nahita sitraka hatrizay

teo imason’Andriamanitra Ray.

1 Raha nikaroka izay hamonoana Anao i Heroda, ry Jesoa,

notsilovin’ny hazavana avy tany andanitra kosa ireo

Ray aman-dReninao, ka nieren-doza Ianao;

- aza avela ho voarohy ihany koa ireo enjehina tsy ara-drariny.

Fiv: Mitalaho ho anay, ry Tompo,

ilay efa nahita sitraka hatrizay

teo imason’Andriamanitra Ray.

2 Zanaka Lahimatoa Ianao, ry Jesoa, ka nanao fanatitra

zana-domoina roa i Maria sy i Josefa, araka ny fomba,

ary tolotry ny myhyntry izany;

- koa mba ataovy ankasitrahan’ny Ray izay mba anananay na dia kely aza.

Fiv: Mitalaho ho anay, ry Tompo,

ilay efa nahita sitraka hatrizay

teo imason’Andriamanitra Ray.

3 Toy ny notanterahin-tsabatra ny fon’i Maria raha nahita

ny mpiray firenena aminy tsy nino sy nanameloka an’i Jesoa;

- enga anie ity firenena mamintsika ity mba hifikitra sy hino tanteraka an’i Kristy.

Fiv: Mitalaho ho anay, ry Tompo,

ilay efa nahita sitraka hatrizay

teo imason’Andriamanitra Ray.

4 Rahefa niteraka Anao i Maria zanakavavin’i Siona, ry Kristy, dia tanteraka tamin’izay ny fiandrasan’ireo vahoaka mpino tao Siona;

- koa mba ataovy mandray ny Vaovao Mahafaly ny olona mbola miandry ny Famonjena.

Fiv: Mitalaho ho anay, ry Tompo,

ilay efa nahita sitraka hatrizay

teo imason’Andriamanitra Ray.

5 Fangatahana hafa

Fiv: Mitalaho ho anay, ry Tompo,

ilay efa nahita sitraka hatrizay

teo imason’Andriamanitra Ray.

RAINAY ANY AN-DANITRA ...

Andriamanitra Ray Mpahary ny olombelona ô!

Nony nanota ny olombelona tany ampiandohàna,

dia tsy nety ho resin’ny ratsy Ianao,

fa nanomana Adama vaovao ho Mpamonjy, dia i Jesoa,

ary Eva vaovao ho renin’ny mpianany, dia i Maria.

Koa ampio izahay hahay hanaiky ny sitrakao masina,

toy ny naneken’i Jesoa sy i Maria izany,

dia mba ho tody soa any amin’ilay fiainana tsy mety lefy.

lzany sy izany no angatahinay ...

 

RANOMBAVAKA 2

Tonga olombelona tao ankibon’i Maria Virjiny ny Zanak’Andriamanitra

mba haneho ny lalan-kizorantsika eto an-tany, nefa izao tontolo izao

iainantsika mbola tototra fanangolena mamitaka.

Fiv: Tompo ô, aza avela hivily amin’ny laIanao izahay!

1 Ny Teninao, ry Tompo, no Fahamarinana sy Fiainana;

- aza avela ho sodokan’ny teny tsara lahatra izahay.

Fiv: Tompo ô, aza avela hivily amin’ny laIanao izahay!

2 Vao naheno ny momba an’i Elizabeta i Maria Reninao, ry

Jesoa, dia lasa nidodododo namangy azy;

- aza avela ho mpijery fotsiny na ho mpitazana kanosa

izahay rahefa misy namanay sahirana na darofana.

Fiv: Tompo ô, aza avela hivily amin’ny laIanao izahay!

3 Fitaizana tonga lafatra, ry Jesoa, no nanabeazan’i Maria sy i Josefa Anao;

- aza avela odianay tsy hita ny fahorian’ny kamboty sy ny zanaky ny tokantrano tsy mifanaraka.

Fiv: Tompo ô, aza avela hivily amin’ny laIanao izahay!

4 Saro-pantarina ny fiainanao, ry Jesoa, ka nandinika sy nikaroka izany lalandava i Maria;

- aza avela hianina amin’ny zavatra tsy dia lehibe loatra izahay, fa hanao ho tena fototry ny hafalianay ny fibanjinana ny fiainanao sy ny Teninao.

Fiv: Tompo ô, aza avela hivily amin’ny laIanao izahay!

5 Fangatahana hafa

Fiv: Tompo ô, aza avela hivily amin’ny laIanao izahay!

RAINAY ANY AN-DANITRA ...

Ry Andriamanitra Rainay ô!

Fifandraisana mahagaga no nataonao

tamin’ny nahaterahan’ny Zanakao,

fa vehivavy iray no nanome Azy ny maha-olombelona;

Izy kosa manome an’izay rehetra mino Azy

ny maha-Zanakao Andriamanitra.

Koa ataovy ho velom-pisaorana lalandava izahay

ary ho masim-piainana mandrakariva.

lzany sy izany no angatahinay ...

 

RANOMBAVAKA 3

Ry havako, sitrak’i Jesoa ny manaiky ny vavaka ataontsika nefa

sitrany koa ny hiombonantsika fo sy feo aloha raha mivavaka,

dia isika samy mpino Azy eto an-tany, ary ny olomasina any an-danitra,

indrindra i Masina Maria Reniny malalany izay iarahantsika miantso

an’i Jesoa Zanany manao hoe:

Fiv: Mangataka ho anay ny Reninao, ry Kristy ô!

1 Raha niara-nivavaka tamin’i Maria ireo Apostoly, ry Jesoa,

dia nidina tamin’izy ireo ny Fanahy;

- izahay koa miaraka aminy, mitalaho aminao,

mba hanirahanao ny Fanahy ny Fiangonana.

Fiv: Mangataka ho anay ny Reninao, ry Kristy ô!

2 Sitrakao nomem-boninahitra miaraka aminao ny vatana amam-panahin’ny Reninao, ry Jesoa, ho santatr’ireo rehetra ho voavonjy;

- mba ataovy raiki-tadidy ao an-tsainay lalandava ilay voninahitra iantsoanao anay.

Fiv: Mangataka ho anay ny Reninao, ry Kristy ô!

3 Sitrakao, ry Jesoa, ny iantsoan’ny taranaka rehetra ny Reninao hoe: Sambatra;

- koa mba ataovy masim-piainana sy mendrika hoderaina izay rehetra manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana.

Fiv: Mangataka ho anay ny Reninao, ry Kristy ô!

4 Fony teto an-tany Ianao, ry Jesoa, dia nanasitrana ireo marary izay nitalaho taminao tamim-pinoana;

- koa mba ataovy mahita fanalana alahelo, noho ny vavak’i Masina Maria Reninao, ireo marary sy izay rehetra mijaly ankehitriny, toy ny ataon’ny reny be fitiavana.

Fiv: Mangataka ho anay ny Reninao, ry Kristy ô!

5 Fangatahana hafa

Fiv: Mangataka ho anay ny Reninao, ry Kristy ô!

RAINAY ANY AN-DANITRA ...

Ry Andriamanitra Ray ô!

Tao anatin’ny Vavaka niarahany tamin’ny roa ambin’ny folo lahy no nanomanan’i Maria ny nidinan’ny Fanahy Masina. Noho ny fitalahoana ataony miaraka aminay izao anie dia mba ataovy taitra amin’ny asan’ny Fanahy ny fonay.

lzany sy izany no angatahinay ...

 

IX. TSODRANO

Fiavian’ny Tompo

Mpitsodrano:

Enga anie hitantana sy hiaro antsika

Andriamanitra Ray nampanantena ny Mpamonjy,

ny Zanaka nanaiky ho tonga olombelona

iray ra amintsika, mba hanavotra antsika,

ary ny Fanahy Masina mitaona antsika hibebaka

mba hanomana ny fontsika handray ny Mesia.

Valiny: (itovizana amin’ny Tsodrano rehetra)

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Noely

Mpitsodrano:

Hitsodrano sy hitsimbina antsika anie

Andriamanitra Ray naniraka ny Zanany ho Mpamonjy antsika,

ny Zanaka tonga nofo aman-dra ka niara-nonina tamintsika,

ary ny Fanahy Masina niterahan’i Maria Azy Kristy Zanaka.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Masina Maria

Mpitsodrano:

Handrotsaka ny fahasoavany amintsika anie

Andriamanitra Ray nanolotra fanomezana tsy manam-paharoa an’i Maria,

ny Zanaka tia sy nanaiky azy ho Reniny,

ary ny Fanahy Masina nanamasina sy nanome azy ny voninahitra maha-Mpanjakavavin’ny lanitra.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 1

Mpitsodrano:

Hiaro antsika

mandia tany tsy ho solafaka

ary miloloha lanitra tsy ho lena anie

ny Fitiavan’Andriamanitra Ray

sy ny Fahazavan’i Kristy

ary ny herin’ny Fanahy Masina.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 2

Mpitsodrano:

Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,

ny Zanaka izay nirahiny hampanjanaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,

ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie

hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 3

Mpitsodrano:

Ilay nahary ny ranomasina noho ny sitrapony ihany,

Ilay nampitony ny rivo-doza tamin’ny Teniny tokana,

ary Ilay rivotra mitsoka malefaka anie

hampitody antsika any amin’ilay Seranana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 4

Mpitsodrano:

Ilay mbola tsy hitan’ny maso,

Ilay nanatanteraka ny famantarana,

ary Ilay mampahafantatra ny hevitry ny Tenin’i Jesoa anie

hanazava sy hitari-dalana antsika

anatin’ny haizin’izao fiainana izao.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 5

Mpitsodrano:

Andriamanitra Ray izay tsy manolo-bato mafana,

ny Zanaka izay nampitombo mofo ho an’olona an’arivony,

ary ny Fanahy izay mizarazara fanomezan-tsamihafa

ny voaary manontolo anie

hanome antsika izay fahasoavana ilaintsika izao

sy mandritra ny andro rehetra hiainantsika.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 6

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Ray

izay tsy mitsitsy na inona na inona,

ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,

ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina

hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

Mandavan-taona 7

Mpitsodrano:

Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

izay Andriamanitra tokana,

hampiray fo sy saina antsika mandrakariva

araka ny mahairay Azy.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0075