Magnifica Humanitas, antso hanompoan’ny teknolojia ny maha-olona

Ny momba ny faharanitan-tsaina artifisialy (Intelligence artificielle na IA) no ivon’ny hafatra lehibe ampitain’ny Papa Léon XIV ao amin’ny Magnifica Humanitas, taratasy ansiklika nosoniaviny tamin’ny 15 Mey 2026. Ao anatin’ity lahatsoratra lehibe momba ny fampianaran’ny Fiangonana Katolika mikasika ny fiarahamonina ity, dia manentana ny olona rehetra ny Papa mba hampiasa ny fandrosoana ara-teknolojia ho tombontsoan’ny tsirairay, fa tsy hamela izany hanimba ny hasin’ny maha-olona.


Teknolojia mandroso, nefa tsy tokony hanadinoana ny mahaolona

Araka ny fanazavan’ny Papa, dia tsy fahavalo tokony hatahorana ny teknolojia, ary tsy ratsy fotsiny amin'izao ny faharanitan-tsaina artifisialy. Afaka manampy amin’ny fikarohana ara-tsiansa izy, manatsara ny fitsaboana ary manamora ny asa andavanandro. Na izany aza, hoy izy, dia miankina amin’ny fomba famolavolana sy fampiasana azy ny vokatra aterany. Raha ny tombontsoan’olom-bitsy ihany no tanjona, dia mety hiteraka tsy rariny sy fanilikilihana izany.

Manasongadina loza maromaro ity taratasin'ny Papa ity, indrindra ny mety hisoloan’ny milina tsikelikely ny asan’ny olona, ny fanapahan-kevitra tsy ara-drariny ateraky ny kajy ara-tsiansa, ary ny fampiasana ny IA amin’ny ady sy ny fitaovam-piadiana mahaleo tena. Mampitandrina ihany koa ny Papa ny amin’ny mety hanilihana ireo olona sahirana tsy hahazo asa, fitsaboana na tolotra ilainy noho ny fanapahan-kevitra raisin’ny rafitra informatika.


Antso ho amin’ny andraikitra iombonana

Tsy ampy, araka ny hafatra ao amin’ny Magnifica Humanitas, ny mamela ny orinasa sy ny mpamorona teknolojia hanapa-kevitra samirery momba ny hoavin’ny IA. Ilaina ny lalàna mazava, ny fanaraha-maso mahomby ary ny fanombanana ny fiantraikan’ny teknolojia eo amin’ny fiainan’ny olona. Tokony ho hita taratra amin’izany ny rariny ara-tsosialy, ny fiarovana ny mahantra, ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny tontolo iainana.

Ampahatsiahivin’ny Papa ihany koa fa tsy tokony havela ho eo am-pelatanan’ny firenena matanjaka sy orinasa vitsivitsy ny tombontsoa azo avy amin’ny fandrosoana ara-teknolojia. Tokony handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ny firenena rehetra, indrindra ireo marefo kokoa, mba tsy hampitombo ny elanelana misy eo amin’ny manan-karena sy ny mahantra ny revolisiona nomerika.


Ny finoana sy ny hasin’ny maha-olona

Mifototra amin’ny fampianarana ara-tsosialin’ny Fiangonana Katolika ity taratasin'ny Papa ity, sady manohy ny lova navelan’ny Papa Léon XIII tamin’ny alalan’ny Rerum novarum, nivoaka tamin’ny 1891. Raha nifantoka tamin’ny olan’ny mpiasa sy ny fiovana vokatry ny revolisiona indostrialy io lahatsoratra io, dia mamaly ny fanamby ateraky ny revolisiona nomerika ankehitriny kosa ny Magnifica Humanitas.

Ho an’ny Papa Léon XIV, dia tsy azo refesina amin’ny fahombiazana ara-teknika na ny vokatra ara-toekarena fotsiny ny maha-olona. Manana fahafahana misafidy, feon’ny fieritreretana, fahafahana mitia ary hasina tsy azo soloina milina ny tsirairay.

Noho izany, ny hafatra fototra entin’ity ansiklika ity dia mazava: tsy tokony ny olombelona no hanompo ny teknolojia, fa ny teknolojia no tokony hanompo ny olombelona. Manasa ny mpino sy ny fiarahamonina manontolo ny Papa mba hiara-hiasa amin’ny fananganana tontolo marina kokoa, hiray hina ary tia fihavanana, izay tsy mamela na iza na iza ho any an-tsisin’ny fandrosoana.


Loharano: Tahirin-kevitra ofisialin’ny Vatikana momba ny ansiklika Magnifica Humanitas. Vakio eto ny lahatsoratra feno.


famintinana


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0149