Vaovao avy any Dakar

Nanamarika roa andro, ny 6 sy 7 jolay 2013 teo, natokana ho an’ny oniversité ny mpianatra katolika tao Dakar, izay niarahana nanatontosa tamin’ny aomoneria-n’ny oniversité rahateo. Ny lohahevitra tamin’ity taona ity dia “Manàna finoana an’Andriamanitra, ianao mpianatra katolika. Inona no fandraisanao anjara amin’ny fitehirizana ny tontolo iainana?” Ny tanjona tamin’ireo roa andro ireo dia ny hanentanana indrindra sy hiantsoana ny mpianatra ho tonga saina amin’ny fiarovana sy fitehirisana ny tontolo iainana ho an’ny soa ho an’ny fiaraha-monina

Andriamatoa Akpo, mpampianatra profesora ao amin’ny fakiolte-n’ny siasa sy teknika ao amin’ny oniversité-n’i Cheihk Anta Diop ao Dakara, dia nanambara fa ilaina tokoa ny firotsahana mivantana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana rehefa jerena ny fahasimbana mihatra amin’izao fotoana izao. I Mompera Paulin Ki kosa izay ray am-panahy nasionaly dia nanambara fa mifampiankina avokoa ny singa tsirairay mamolavola ny tontolo iainana. Ary ao anatin’ireo singa ireo ny aim-panahy. Nentaniny ary ny tsirairay mba hanome lanja ny resaka fanahy ihany koa rehefa miresaka ny tontolo iainana. Noharian’Andriamanitra ny zava-boahary manodidina antsika, hoy ihany izy, ny tontolo iainana dia vokatry ny fahariana tao amin’ny Baiboly, fanomezana izay nomen’Andriamanitra ny olombelona. Ka ny fiarovana sy fitehirizana ny tontolo iainana dia anisan’ny iraka lehibe izay ampanaovin’Andriamanitra ho an’ny olona. Ary ny fanajana ny tontolo iainana dia asa ho fitsinjovana ny fiaraha-monina sy ny olombelona ihany koa.  

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123