
Tamin'ny volana marsa 2026 teo dia nandefa taratasy tamin'ny Papa Leon XIV ny eveka alemana nanontany ny heviny momba ny fahafahan'ny lahika mitory teny mandritra ny lamesa. Misy hoy izy ireo ny lahika manana fahalalàna vonona ny handray an-tanana ny toriteny any am-piangonana. Ka azon'izy ireo atao ve ny manao izany amin'ny fotoana izay tsy hahafahan'ny pretra?
Fandavana no namalian'ny mpandraharaha momba ny fombam-pivavahana avy ao Vatican izany tamin'ny taratasy nalefany ho an'ny filohan'ny fihaonamben'ny Eveka Alemana, Mons. Heiner Wilmer. Mifaningotra tanteraka amin'ny ain'ny litorjia, hoy ny hafatra, ny fitorian-teny fa tsy fampianarana fotsiny. Ka natokana ho an'ny pretra na ny diakra izay mitarika azy ihany izany. Izy ireo no nomena manokana ny fahefana hanao izany tamin'ny fanokanana azy ireo.
Izany anefa tsy milaza fa tsy afaka mianatra ny Tenin'Andriamanitra, na koa tsy afaka mizara ny Tenin'Andriamanitra ny lahika. Misy rahateo ny toerana maro izay efa anaovan'ny lahika izany. Amin'ny fandaharan-teny samihafa, amin'ny tobim-pampianarana isan-tsokajiny, ary na dia amin'ny haino aman-jery sy ny tambazotra an-tserasera aza. Ny mitory teny ao anatin'ny litorjia ihany no tsy azon'ny lahika atao.
Amporisihan'ny Fiangonana koa ny hanohizan'ny pretra ny fanofanan-tena maharitra mba hahafahan'izy ireo manavao hatrany ny rakipahaizany hahafahany manatsara hatrany ny toriteniny.