Tonga soa Papa Fransoà

Ny talata 12 marsa tamin'ny 7 ora mahery kely no nivoaka ny setroka fotsy nanambara fa voafidin'ireo Kardinaly nivory nandritra ny Konklavy ny Papa izay handimby ny Papa misotro ronono Benoà faha-16. Horakoraka sy hafaliana no nandraisan'ireo vahoaka maro be teo amin'ny tokotanimalalak'i Md. Piera teo Vatikana ny vaovao. Adin'ny iray latsaka kely taorian'izay dia nitranga teo amin'ny varavarankely ny kardinaly Jean Louis Pierre Tauran nilaza ny "Habemus Papam" sy ny anaran'ny Papa vaovao dia Jorge Mario Borgoglio hitondra ny anarana hoe Fransoà. Avy any Argentine izy, izany hoe Papa voalohany avy tamin'ny kaontinanta Amerika, ary Papa Zezoita voalohany ihany koa.

Amin'izao fotoana nahalany ho dimbin'i Md Piera azy izao dia 76 taona ny Papa Fransoà ary izy no arsevekan'i Buenos Aires any Argentina. Malaza amin'ny fitsimbinana ny mahantra izy teo amin'ny diosezy notantanany. Olona be fanetren-tena ihany koa no ahafantarana azy. Nandritra ny nahavoatendry azy ho Kardinaly dia nilazàny ireo mpiray diosezy aminy tsy handany vola amin'ny fandehanana any Roma hanatrika ny fanosorana azy fa aleo omena ny mahantra izay tokony ho lany. 

Nandritra ny kabary voalohany nataon'ny Papa dia naverimberiny ny maha Evekan'i Roma azy. "Fantatrareo fa ny adidin'ny konklavy, hoy izy, dia ny hifidy izay ho evekan'i Roma. Hita anefa izao fa tany amin'ny faran'ny tany no nifidianan'ireo kardinaly rahalahiko azy... Misaotra anareo noho ny fandraisanareo ahy."  Niverimberina koa ny teny hoe "Fratelanza" na firahalahiana izay fifandraisana tokony hisy eo amin'ny Eveka sy ny vahoaka hoy izy. Nanaitra koa ny fanentanany teo amin'ny vavaka. Teo aloha ny vavaka miaraka, tamin'ny teny Italiana, ho an'i Papa Benoa XVI, dia teo koa alohan'ny tso-drano ny nanentanany ny vahoaka hangina hiara-mivavaka ho azy. Dia tena nivavaka tokoa ny olona. 

Taorian'ny tso-drano moa dia "Buona notte" sy "buon riposo" hoy ny Papa dia nitodi-doha nody ny olona an'hetsiny maro. Feo heno teny ambavan'ny maro nandritra ny kilometatra vitsivitsy ny hoe "Isaorana Andriamanitra nanome Papa tsara", "Papa be fanetren-tena", "Hitondra rivo-baovao", Koa dia apetraka eo antanan'Andriamanitra izay tena tompon'ny Fiangonana ity Papa Fransoà ity. Ho modely amin'ny fitiavana ary ho mpitarika feno fahendrena.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067