Nivoaka ny Ansiklika "Lumen Fidei" (Fahazavan'ny finoana)

Nivoaka tamin'ny zoma 5 jolay lasa teo ny taratasy ansiklika voalohany nosoratan'i Papa Fransoa mitondra ny lohateny hoe Ny Fahazavan'ny Finoana ("Lumen Fidei"). Araka ny nolazainy dia asa soratra nifandrombonan'izy sy ny Papa Benoa XIV izy ity. 

Azo alaina eto.  Lumen Fidei - Pape François (Teny frantsay)

Mizara efatra mazava tsara ity lahatsoratra ity:

Ny voalohany dia maneho ny finoana nananan'ny Zanak'Israely an'ilay Andriamanitra izay Fitiavana. Nambaran'ny Papa tamin'izany fa ao amin'i Kristy no fahatanterahan'io fitiavana io tamin'ny nanolorany tena teo amin'ny hazo fijaliana ka nahafatesany sy nitsanganany. Ka i Kristy dia tsy ilay fitiavana inoantsika fotsiny fa ilay fitiavana mampiombona antsika ihany koa.

Ny fifaningoran'ny finoana sy ny fahamarinana indray kosa no hita ao amin'ny fizarana faharoa. Ny finoana an'Andriamanitra dia midika fa fitombonana ao anatin'ny fahamarinan'ny fitiavana. Andriamanitra dia Fitiavana Marina ka raha mino azy dia mino ny fitiavana, fa indrindra mino ihany koa ny fahamarinana. Andriamanitra irery ihany no fahamarinana ka izay tena mitoetra ao aminy no mitoetra ao anatin'ny fahamarinana. Izany toe-tsaina izany indrindra no entina miatrika ny dinika amin'ny finoana sy ny firehana hafa. Tsy fahamarinana manao bontolo nefa fa fahamarinana feno fanetren-tena ao anatin'ny fahaiza-mihaino sy manaja ny hafa.

Ao amin'ny fizarana fahatelo dia mampiseho ny vokatr'izay fandraisana ny finoana izay. Ny olona mandray ny fahamarinana dia tsy afaka mitahiry izany ho azy irery fa tsy maintsy mizara izany ho an'ny hafa. Nirahin'i Kristy ny mpianatra hitory azy manerana ny vazan-tany. Ao anatin'ny Fiangonana sy miaraka amin'ny Fiangonana anefa no anaovana izany fampielezana izany. Asain'ny Papa noho izany ny Kristianina handray anjara mavitrika amin'ny asam-pampielezam-pinoana ataon'ny Fiangonana sy ny fiainana anaty ireo Sakramenta rehetra atolotry ny Fiangonana azy.

Ny hamaranan'ny Papa ity taratasy ity ao amin'ny fizarana fahaefatra dia ny fisokafan'ny Kristianina amin'ny hafa. Nirahina ho amin'izao tontolo izao ny Kristianina ka tokony hahalala sy hiditra antsehatra hamaha ny olan'izao tontolo izao ihany koa. Voalazany ao anatin'izany ny momba ny lanjan'ny fianakaviana, ny fifandraisan'ny samy olona, ny fifandraisana sy ny fanajana ny zava-boahary sy tontolo iainana. Ny finoana no hany hery hampiombona ny olona rehetra.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102