LALAM-PIFAMOIVOIZANA

mandraka.jpg

Tamin'ny 19 jiona 2007 teo no navoakan'ny tao Vatikana ny didy folon'ny mpamily fiarakodia izay adikako malalaka aminao ireto (jereo eto).

 

 

1- Aza mamono olona

2- Aoka mba ho fitaovam-pifamoivoizana mampiombona ny olona ny lalana fa tsy ho sanatria hampidi-doza mahafaty.

3- Hanampy anao hisoroka ny tsy nahy mampidi-doza ny fahalalam-pomba, ny fandeferana sy ny fahamalinana.

4- Aoka ianao halala-tanana, ka hanampy ny namana sahirana, indrindra ireo niharan’ny lozam-pifamoivoizana.

5- Aoka ianao tsy ho sanatria hampiasa ny fiarakodia hireharehana ho matanjaka, na mpanjakazaka na ho sanatria hanosika anao amin'ny fahotana.

6- Reseho lahatra am-pitiavana ny tanora sy ny zokiolona mba tsy hikiry hitondra fiarakodia rehefa hitanao fa mety hampidi-doza izany.

7- Tohano ny fianakavian'ireo niharan'ny lozam-pifamoivoizana.

8- Amin'ny fotoana mampety izany dia ampihaony ilay niharan-doza sy ny mpamily nahavanon-doza mba higohan'izy ireo ny herim-panafahana azo avy amin'ny fifamelana.

9- Eny an-dalana, aoka ianao hiandany amin'izay osa kokoa.

10- Mahatsiarova tena mandrakariva ho tompon'andraikitra eo anatrehan'ny hafa.

{mosimage}{mosimage}{mosimage}

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102