Hafatra ho anareo tanora katolika eto am-pamaranana izao JMJ-MADA 8

Hafatra ho anareo tanora katolika eto am-pamaranana izao JMJ-MADA 8 natao teto Fianarantsoa ny 15-20 septambra 2015.

« Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5,8).

Ry Tanora malala manatrika etoana, sy ianareo tsy afaka tonga eto,                 

Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika fa tanteraka soa aman-tsara ity JMJ-MADA 8 taty Fianarantsoa ity na dia teo aza ny zava-manahirana isan-karazany nodiavina, ny fahasarotan’ny fanomanana tany amin’ny isan-diosezy indrindra ho an’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa zay nandray. Fa na teo azza izany dia tsapa ny fahavononan’ny tsirairay handray anjara ary niezaka hadio fo satria te hahita an’Andriamanitra.

Isaorana manokana ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa manontolo tarihin’ny Arseveka Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, nanaiky sy nikarakara niaraka tamin’ireo Vaomiera maro mpanomana sy ny Vovonan’ny Tanoran’ny Diosezy. Isaorana indrindra ireo Mpitondra Fanjakana foibe, ny tompon’andraikim-panjakana teto Fianarantsoa, indrindra ianareo mponin’ny Fianarantsoa manontolo nahay nandray vahiny. Isaorana toa izany koa ianareo tsara sitra-po tsy an-kanavaka tamin’ny tolo-tànana maro (vola, trano, fitaovana, fitanterana…..), ny fanamafisam-peo, ny serasera (TVM, RNM, RDB, Radio TSIRY, ny Telma, ny airtel….). Isaorana ianareo mpitandro ny filaminana rehetra nanampy sy nanamora ny fanatanterahana izao fihaonam-be izao.

Misaotra anareo Vovonam-Pirenena Katolikan’ny Tanora, ianareo antenimieran’ny tanora, ianareo gropy « Irak’i Madagasikara » solontenantsika tany Rio ary ianareo Volontaires rehetra tamin’ny fifanomezan-tànana hahatomombana izao JMJ-MADA 8 izao.

Isaorana torak’izany koa ianareo Pretra, Relijiozy, Mpanabe tanora rehetra nifanampy sy niaraka tamin’ireo tanorantsika.

Ary ianareo tanora zanakay, misaotra anareo tonga maro namaly ny antson’i Jesoa Kristy, izay nanoro antsika ny làlam-pahasambarana marina sy maharitra dia ny hadiovam-po : « Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy ». Tsapa teto tokoa fa ny Finoana an’i Jesoa Kristy no nampiombona antsika, satria na inona na inona zava-tsarotra natrehina dia niainanareo an-kafaliana sy noezahinareo niainana hatrany ny hanana fahadiovam-po.

26 taona lasa izay(1989) no namangy antsika teto amin’ity tanànan’i Fianarantsoa ity ny Papa Joany Paoly II olomasina, Rain’ny JMJ, ary ankehitriny dia miaraka mivavaka amintsika ireo Olomasina  dia i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely sy ireo Ray aman-dreniny olon-tsambatra fa hasandratra eo amin’ny laharan’ny olomasina afaka iray volana. Modely ho antsika  amin’ny fiainana ny finoana sy ny fitiavana izy ireo indrindra amin’izao taonan’ny Fianakaviana sy taonan’ny olom-boatokana izao.

Ny LAKROA izay famantarana faratampony nanehoan’i Jesoa ny fitiavany anao : « Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany » (Jo15, 13). Fitiavana niloatra avy ao am-pon’i Jesoa ambaran’ny Rano sy ny Rà manambara ireo Sakramentan’ny Eglizy efa noraisinao. Avy ao am-po madio izany Fitiavana marina izany, hoy i Jesoa : «Tsy ny zavatra avy any ivelany midittra amin’ny olona anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy…dia avy amin’ny fon’ny olona no hiavian’ny hevi-dratsy dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoan’olona, ny halatra, ny fitiavan-karena, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana »(Mk 7, 15.21-22).

Ireo haratsiana mandoto ny fo notanisain’i Jesoa ireo dia mahakasika ny sehatra fifandraisantsika  andavanandro amin’ny hafa na inona sokajin-taona na sokajin’asa  misy antsika  . Nandinika izany isika nandritra izao JMJ izao ka folan-kevitra hiady amin’ireo kilema sy haratsiana ireo ka mahatonga ny fianakaviana ho potika, ny fiainana voatokana hitsingilaila, ary ny fiainantsika tanora mikoroso fahana na hivarilavo. Miantso anao àry Jesoa mba handio ny fonao ka hahitanao ny tena hasambarana marina sy maharitra. Miantso anao i Jesoa hanaraka ny làlan’ny hasambarana atoron’ny Evanjely. Miantso anao i Jesoa hiroso lalindalina kokoa ka handray andraikitra eo anivon’ny Eglizy sy ny Firenentsika.

Ny Soa ambony indrindra azontsika ananana amin’ny fiainana hoy ny Papa Fransoa dia ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : zay no finoana, finoana mifototra  amin’ny vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ny fandraisana sy fiainana ny Sakramenta ary ny fitiava-namana.

Ry tanora malala, Aza kivin’ny sarotra isika fa manàna fanantenana an’Ilay miantso antsika amin’ny Fahasambarana tsy mamitaka. Aza matahotra ny hadio fo ka hiaina ny tena fitiavana marina araka ny natoron’i Md. Paoly : « ny fitiavana dia mahari-po, malemy fanahy, tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo, tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po, tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany » (1 Kor 13,4-6).

Dia hoy izahay Eveka Ray aman-dreninareo hoe : Halalino ny finoana amin’ny alalan’ny Katesizy mifototra  amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fampianaran’ny Eglizy, mazotoa mitodika amin’i Kristy amin’ny Fivavahana, ary raiso sy hiaino ny Sakramenta : Sakramentan’ ny Fampihavanana, handio ny fontsika amin’ny Fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny namana ary ny zava-boaary, fa indrindra ny Fiombonana tanteraka Aminy ao amin’ny Eokaristia ka hanao toa an’i Md Paoly isika hoe : « Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko »(Gal 2,20)

Koa enga anie izao JMJ- MADA 8 niarahantsika niaina izao hitondra fihavaozana eo amin’ny fiainanareo manontolo, ry Tanora malala, efa niezaka hadio fo isika teto dia ho tohizanareo amin’ny fiainanareo manontolo izany. Sahià mijoro amin’ny maha-tanora katolika anareo na aiza na aiza.

Matoky sy manantena anareo izahay Eveka Ray aman-dreninareo, ary ankininay amin’i Masina Maria Môdelin’ny Mpino sy Manjakavavin’i Madagasikara sy ny Tanora ianareo. Ary amin’ny fonay tokoa no anomezanay anareo ny tso-dranon’ny Apôstôly.

Natao teto Fianarantsoa, 20 septambra 2015.

Alahady faha-25 mandavantaona.

Ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2432