Fihaonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka Afrika sy Madagasikara (SECAM)

Nanomboka ny 8 ka hatramin’ny faha 14 jolay izao no atao any Kinshasa, Repoblika Demokratikan’i Congo, ny fivoriana farantampon’ny Fivondronan’ny Eveka manerana an’i Afrika sy Madagasikara na SECAM. Ny lohahevitra amin’izany dia momba ny fampihavanana, ny rariny sy ny fandriam-pahalemana.

Ny SECAM dia nandray anjara mavitrika tamin’ireo ady hisian’ny ara-drariny sy ny asa fanamafisana ny fandriam-pahalemana manerana an’i Afrika tao anatin’izay 6 taona lasa izay. Izany dia noho ny fisian’ny sampan-draharaha miadidy ny fanajana ny Rariny, ny fandriam-pahalemana ary ny fandrosoana, hoy indrindra ny filohan’ny SECAM ny, Kardinaly Polycarp Pengo, arsevekan’i Dar-es-Salam Tanzania, raha nanokatra ity fivoriana faha 16 tao Kinshasa ity izy.

Ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana sy ny fampihavanana any amin’ny firenena maro, ny tanàna, ny vohitra sy ny tokatrano eto Afrika, hoy izy, no tokony hanentana ny tsirairay amintsika mba hanova ity kontinantantsika ity ho fitoeran’ny fandriam-pahalemana, ny rariny sy hitsiny, fampihavanana, zo mahaolona fitsinjovana ny ara-panahy, ara-batana sy ara-tsaina.

Nentaniny tamin’izany ireo kardinaly 5, eveka 100 sy pretra mihoatra ny 80 nandray anjara tamin’ny lamesa fanokafana mba ho vavolombelon’ny rariny sy ny fandriam-pahalemana ary fampihavanana, eo anivon’ireo fanamby ateraky ny fiovana isan-karazany eto Afrika.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108