FANAZAVANA NY LOGO FAMINDRAMPON'ANDRIAMANITRA

  Fary lava vaniny io ka mamy tokoa, averimberina fa mahasoa. Hanazava mikasika ny logo ny   famindrampo. Io logo io no mamintina ny hevitry ny taona masina ary maniraka atsika hanao ny  rehetra hianana mandritra an’izay taona masina izay. Ovale fa tsy boribory ny logo. Eo amin’ny  ovale io no misoratra hoe : « Mamindra fo tahaka ny Ray ». Izay no hafatra amin’io  sary io. Jesoa hitantsika amin’ny sary io dia endrik’Andriamanitra mpamindra fo,    famindrampon’Andriamanitra, na isika mpanota baben’i Jesoa koa dia asain’Andriamanitra ho  mpamindra fo tahaka azy. Ny olona anankiroa amin’ny sary io izany dia i Jesoa sy isika mpanota, hitantsika amin’izany fa samy mpanota isika ary i Jesoa izy ilay mifantsika amin’ny hazo fijaliana no mibaby ny fahotantsika, izay ny vaovao mahafaly amin’izao taona masina izao ary anasana atsika. 

Ny sary ovale dia midika ny fifandraisan’ny tany sy ny lanitra, ary i Jesoa mifantsika eo amin’ny hazo fijaliana no varavarana, izay ny mahatonga hoe sokafana ny varavaran’ny lanitra, varavarana masina mba idirantsika amin’ny varavaran’ny lanitra amin’izao taona masina izao. Manambara koa fa efa misokatra ny varavarana, miray ny lanitra sy ny tany. (Tsindrio eto hamaky ny tohiny)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126