Fampianarana ALAHADY FANKALAZANA NY SAKRAMENTA MASINA avy amin'i Mgr Benjamir Ramaroson

Alahady faha 07 jiona 2015
Fankalazana ny VATANA AMAN-DRA MASIN'i KRISTY
Tena fotoan-dehibe ho antsika tokoa ny fankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina satria i Kristy ilay mamelona antsika amin’ny Vatany sy ny Rany ao amin’ny Eokaristia no mampiombona antsika hampitraotro ny finoana sy ny fiainana andavan'andro ary manasa antsika hiray aina aminy mba hahatonga antsika ho velona mandrakizay sy ho vavolombelon'ny fitiavany.

Misaotra anao, Jesoa hôstia,
Misaotra anao i Madagasikara:
Mahafaly anay ny fitiavanao.

Dera sy laza no atolotray
Ho anao, ry Mpamonjy tsara fo,
Anjakao 'zahay, Kristy.
 
Ny Vatanao sy ny Ranao
No natolotrao hamonjena anay:
Mahagaga loatra ny fitiavanao.
 
Atolotra atsika am-pitiavana ireo vakiteny atolotrin'ny eglizy amintsika androany sy ny fampianarana avy amin'i Raimandrenintsika Mgr Arserveka Benjamin Ramaroson

Tsindrio eto hianoana ny vakiteny, salamo ary ny toriteny

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709