Asabotsy Masina: Hihaino ny fahanginana

Manentana antsika hiaina ao anaty fahanginana ny Asabotsy Masina ny Papa. Nandritra ny fihaonany tamin'ny mpino tao Vatican ny alarobia masina teo no nanazavan'ny Papa Benoit XVI ny toe-panahy tokony hiainana mandritra izao herinandro masina izao. "Ny herinandro masina, hoy izy, no fotoana hahatsiarovantsika ny ady nisy teo amin'ny Fahazavana sy ny Haizina, ny Fiainana sy ny Fahafatesana. Koa raha toa ka tena te hiaina marina izany misitery fahatsiarovana izany isika dia tokony hiaiky ny helotsika"

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109