Arsidiosezin'Antsiranana - Interview Fikambanana relijiozy CŒUR IMMACULLÉE DE MARIE de Diégo-Suarez

Nampiditra : Saolala
Daty : 30/01/2016

FIAINANA VOATOKANA - MANOKANA NY TENA HO AN'ANDRIAMANITRA,
mety ho voaantso koa ianao???

Ao anatin'ny herinandro famaranana ny taonan'ny voatokana izao, ka misy ny fihaonana sy fiombonana maneran-tany any Roma ho an'ireo voatokana. Misy solon-tena 6000 eo ho eo no mandray anjara amin'izany, nosokafana nanomboka ny alakamisy 28 janoary ka hifaranana amin'ny sorona masina miaraka amin'ny Papa Ray Masina amin'ny andro hankalazana manetriketrika ny Nisehoan'ny Tompo tao an-tempoly dia ny 02 Febroary.

Misy ireo fikambanana miasa amin'ny diosezin'Antsiranana mba anatin'izay mamonjy ny fihaonana, koa ho entintsika ambavaka mba ho taratry ny fahazavan'i Kristy tokoa izy ireo, ho taratry ny famindrampon'Andriamanitra.

Ankafalina no anolorana amintsika hihaino kosa ny INTERVIEW FANAZAVANA NY FIKAMBANANA COEUR IMMACULÉE DE MARIE de DS na koa antsoina hoe MASERAN'NY FO MADION'I MARIA

 

Tsindrio eto hihaino ny interview

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0212 s.] - Hanohana anay