Hafatry ny Eveka novembre 2010

Nampiditra : harilova
Daty : 16/11/2010

HO AIZA ISIKA MIANAKAVY ITY ?

  en français

 

Ry havana,   

“Ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy I Jesoa Kristy Tompo”. (Rom 1,7)

Vokatry ny fifampizarana ny zava-misy nataonay  nandritra izao fivoriam-be fanao  isan-taona  izao dia mahafaly anay Eveka ray aman-dreninareo ny mampita hafatra fohy hanampy antsika hiatrika ny fanomanana ny fiavian’ny Tompo eo amin’ny an-davanandrom-piainantsika manontolo. Ny fiavian’ny Tompo moa dia tsy inona fa fotoana iainana sahady ny fiaraha-monina amin’ “Andriamanitra eto amintsika”. Koa ny ezaka hiaraha-manao amin’izany indrindra no indro atolotra antsika mianakavy eto.

 

1-           Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry ny Tompo, hampianatra antsika ny Lalàny Izy mba hizorantsika manaraka Azy (Iz. 2,3)

 

Matetika hadinontsika fa ny Lalàna napetrak’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona no mitarika antsika hifanasoa, ambaran’Izaia fa hoe: “Hovana ny sabatra ho fangady ary ny lefona ho antsy fijinjana. Hitsahatra ny fianarana ady ary hampanjakaina ny fahazavan’ny Tompo” (Iz 2, 4). Làlana mitarika antsika tokoa izany hanatanteraka ny fitiava-namana araka tena izy satria voalazan’i Jesoa hoe: “ Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny hafa koa, fa izany no Lalàna sy Mpaminany" (Mt 7, 12). Inona anefa no manjaka ankehitriny? Miharihary ny fitiavan-tena izay asehon’ny fitiavam-bola mihoam-pàmpana, ny lainga, ny tsy fanajana ny tontolo iainana; ao koa ny kolikoly, ny famonoana ain’olona ary ny fanaovana tsindrihazolena ny madinika… Ary fantaro fa araka ny hafatry ny Konsily Vatikana faharoa, ny fandriam-pahalemana dia “tsy hoe rehefa tsy misy ny ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy an-kilany, dia mandry fehizay ny tany. Tsy vokatry ny fanjakazakana na fanaovana jadona ny fandriam-pahalemana fa vokatry ny fahamarinana”. ( GS, n°78)

 

2-           Fa ny sento amam-pijaliana handositra (Iz 35,10)

 

Tebiteby, adin-tsaina, fahoriana no mitambesatra amin’ny maro ao anatin’izao vanim-potoana sarotra izao. Toa very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ny vahoaka, indrindra fa ny tanora maro an’isa. Inona ny vahaolana? Mazava ny Tenin’i Jesoa maniraka antsika  hanambara ‘zay hita sy re : “mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”( Iz 35, 5-6). Manana ny anjara-biriky isika tsirairay avy hahatomombana izany : Ny fianakaviana mijoro ho ohatra velona amin’ny teny sy atao, ny fiaraha-monina haneho ireo soa toavina mendrika ny maha-olona sy ny maha-Malagasy. Ny firenena kosa hitsinjo ny madinika sy ny mahantra araka ny rariny sy ny hitsiny izay fototry ny fiadanana. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany ny “Fifidianana” isan’ambaratongany, hanehoana ny maha olom-pirenena.  Ary tsarovy fa  vokatry ny “safidy matotra” ireo ezaka mitohy sy maharitra tsy maintsy hotanterahantsika. Miseho ankarihary amin’ny tsy fivadihana amin’ny teny nomena io safidy io fa indrindra ho antsika tompon’andraikitra isam-baratongany.

 

3-           Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny halehany  ( Iz 40,3)

 

Miantefa amintsika tsirairay avy io antsom-pibebahana io. Tsy ho tanteraka izany raha tsy manaiky hotarihin’ny Fanahin’ny Tompo isika: “Fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana am-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo…” (Iz 11, 2). Samy nandray io Fanahy io isika rehetra, ary izy ihany koa no nahatonga nofo ny Zanak’Andrimanintra monina eto amintsika. Ka na eo aza ny fahalementsika olombelona, nofo aman-drà, dia sahia manao asam-pibebahana mendrika tsara: miady amin’ny kilema sy ny fitiavan-tena, miezaka hanandratra avo ny soa iombonana. Aoka samy hiara-mijoro isika rehetra hiahy ireo anaovana tsindry hazolena. Izay te hitondra dia aoka izy hilatsaka hanasoa ny besinimaro. Tsy ronono an-tavy na teny poak’aty, na lainga tsara lahatra lava izao no andrasan’ny vahoaka amin’ireo “vato nasondrotry ny tany” fa ohatra velona mampibaribary ny soa iombonana. Fantaro fa “ny voany no ahafantarana ny hazo”( Mt 12,33)

 

4-           Emanoela : Andriamanitra eto amintsika (Iz 7,14)

Hankalaza ny fetin’i Kristy Mpanjakan’ny voaary tontolo isika afaka fotoana fohy.  Hiditra amin’ny taom-baovaon’ny Fiangonana ary hankalaza ny Noely: “Andriamanitra eto amintsika”. Ka ny tenin’i Masindahy Paoly no manentana antsika ho fankaherezana amin’izany     : “ Raiso ny Evanjely fa io no misy ny fanambarana momba ny zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nandraisana ny fahasoavana”(Rom 1,3). Tadidio àry fa vahoakan’Andriamanitra isika. Koa ianareo mpitantana ny raharaham-bahoaka: Aza mivadika amin’ny teny nomena fa tompoy ny vahoaka izay nanoloranareo tena. « Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po ny amin’ny fanantenana ianareo »(1 Pi 3, 15b). Izany no làlan’ny fanompoana ny mpiara-belona amintsika. Ianareo vahoaka : Kajio toy ny anakandriamaso ny fihavanana sy ny zo aman-kasin’ny olombelona. Ary ho antsika kristianina rehetra kosa : mizora toy ny zanaky ny mazava, mifaninàna hatrany hanao soa satria  tsy tonga ho tompoina isika fa hanompo ilay Andrimanitra eto anivontsika (Mt 20, 25-27)

Eto am-pamaranana dia entinay ho famelomana ny fanantenantsika ilay tenin’i Izaia Mpaminany hoe: “ Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito nahita fahazavana lehibe, ary ireo nonina tao amin’ny aloky ny fahafatesana namirampiratan’ny mazava”(Iz 9,1). Enga anie ny hafaliana entin’ny Mesia amin’izao Noely izao hanenika antsika mandritra Taona Vaovao 2011; ary hanjaka tanteraka eto amin’ny firenentsika ny firaisam-po sy ny fiadanana lavorary, vokatry ny vavaka ataontsika miaraka amin’i Masina Maria Renintsika, Mpanjakavavin’i Madagasikara.

 

Antananarivo, anio 12 novambra 2010

 

Hoy ny Eveka ray aman-dreninareo,

 

Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’I Fianarantsoa; Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

Mgr TSARAHAZANA  Désiré, Arsevekan’I Toamasina, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Mpitan-tsoratra

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr MALO Michel,  Arsevekan’Antsiranana

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr TOASY Armand,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i Mananjary

Mgr RAMAROSON Benjamin, Evekan’i Farafangana

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i Morondava

Mgr Georges VARKEY, Eveka Coadjuteurn’i Port-Bergé

Mgr RANDRIAMANANA Jean Paul, Eveka mpanampin’Antananarivo

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka mpanampin’Antananarivo

Mompera RAZAFITSIMIALONA Luc Olivier, Administrateur ny diosezin’Ihosy.

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0864 s.] - Hanohana anay