MIBEBAHA ARY MINOA NY EVANJELY

Mibebaha ary minoa ny Evanjely

 « Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo… »

Nandalo fitsapana ny Fiangonana Katolika tato ho ato satria namoy Raiamandreny roa dia ny Kardinaly Son Eminence Mgr Armand Gaëtan Razafindratandra sy Son Excellence Mgr Joseph Ignace Randrianasolo. Misaotra antsika mianakavy tsy ankanavaka na izay nentanin’ny Finoana sy ny Fanantenana ny Fitsanganan-ko velona na ireo tsara sitrapo ka niombom-po sy naneho ny maha iray antsika tamin’ny fandevanana azy ireo.

Vanim-potoanan’ny Karemy

Miditra amin’ny vanim-potoanan’ny Karemy isika, izay fiomanana amin’ny Paka fankalazana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Araraotintsika ho fotoana hivavahana bebe kokoa sy hanaovana asa fivalozana ary asa fitiavana-namana, ka ny teny fanaon’ny Fiangonana amin’ny Alarobian’ny Lavenona no entinay manentana antsika mianakavy handinika ny tenantsika sy ny fiaraha-monina misy antsika. : « Mibebaha ary minoa ny Evanjely »

Taonan’ny Pretra

Ao anatin’ny Taonan’ny Pretra isika izao ary manana modely tsara alain-tahaka dia Md Jean Marie Vianney sy Md Vincent de Paul. Nisongadina tamin’ny fiainan’izy ireo ny maha-vavolombelon’i Kristy sy ny maha-misionera azy : tia vavaka, manetry tena, vonona hanompo ny vahoakan’Andriamanitra, nisafidy hadio fiainana ary ho tokon-tena ho an’ny Tompo. Mampirisika antsika Pretra rehetra handalina ny Taratasy Fanentanana tamin’ny Sinaoda momba ny fiainan’ny pretra fa indrindra ny toko faha-VI (p 58-68)

Fankalazana ny faha-30 taonan’ny FFKM

Mety hisy alaim-panahy ampisaram-bazana ny samy Malagasy. Maha-te hidera sy mampisaotra an’Andrimanitra ny mahita fa maro ireo miezaka mitandro ny maha iray antsika Malagasy.  

Nandritra ny 30 taona dia niezaka ny Fiangonana niaina ny « finoana iray, ny batemy iray, Andriamanitra tokana… ». Nefa aoka ho mailo isika fa misy ny te-hampisara-bazana ny Fiangonana amin’ny famafazana sy famoronana lainga tsara lahatra Ho fankazalana izany tsingerin-taona izany eo anivon’ny FFKM, aoka tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ezaka vita hatramin’izay. Ny Fanahy Masina miaraka amin’ny ezaka ataon’ny tsirairay anie hanamafy orina hatrany ny fifankatiavan’ny samy mpianatr’I Kristy ka ho fahazavana sy fanasina isika eo anivon’ny fiaraha-monina.

 

Fankalazana ny faha 50 taonan’ny Fahaleovantena Ao anatin’ny  fankalazana ny faha 50 taonan’ny Fahaleovantena isika. Mara-miaiky fa miaina krizy lavareny ny firenena : mjaly mafy ny vahoaka, mihena ny laza amam-pahendrentsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena .

Araraotinay izao fankalazana roa sosona izao hanaovana antso avo : “Mihavana re amin’Andriamanitra”… (II Ko 5, 20)… Tsy ho tanterka anefa izany raha tsy samy miaiky heloka isika, hibebaka amin’ny fitiavan-tena tafahoatra ary hanao vaindohan-draharaha  ny tena fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana  ny soa iombonana. Matokia fa i Kristy nandalo fijaliana mafy vao niditra amin’ny fandresan’ny Paka.

Paka

Araka ny hafatry ny Papa tamin’ny taratasy nosoratany amin’izao Karemy izao : “Entanin’ny traikefa ampianaran’ny finoana ny vita batemy ka tsy misalasala mirotsaka eo amin’ny fiaraha-monina mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ao anatin’ny fifankatiavana mitondra amin’ny tena fihavanana sy ny fiadanana…. Aoka àry izao Karemy izao hanampy antsika tsirairay avy hibebaka marina tokoa handraisantsika ny famonjena nentin’i Kristy”.

Miantso antsika hitraka i Kristy Nitsangan-ko velona. Izy no Fihavananantsika. Maniraka antsika Izy hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny, izay fototra mampijoro fiaraha-monina vaovao.

I Masina Maria Tsy azon-keloka, natokan’i Mompera Dalmond ho Mpiaro an’I Madagasikara, izay tsy misaraka amin’i Jesoa Zanany amin’ny asam-pamonjena anie,  hivavaka ho antsika mba hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa ity Nosy Malalantsika ity

Hoy Izahay Eveka Raiamandreninareo nivory teto Antananarivo

Anio 11 febroary 2010

Notre Dame de Lourdes

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0457