Iza moa ny Papa Fransoa?

Jorge Mario Bergoglio no anarany.Teraka ny 17 desambra 1936 tany Buenos Aires, Argentine. Nataon'i mopera Enrique Pozzoli, batemy izy ny 25 desambra 1936, io pretra io no raisiny ho mpitantana am-panahy azy taty aoriana. Talohan'ny nidirany tany amin'ny seminera dia nandranto fianarana momba ny simia i Jorge faha teo amin'ny faha fito ambin'ny folo taonany no nandrenesany ny antso hiroso amin'ny lalan'ny fisoronana ka ny 11 marsa 1958 izy no niditra tao amin'ny novisin'ny fikambanan'i Jesoa.

Rehefa nandalo ny dingam-piofanana takian'ny fisoronana eo amin'ny laharan'ny pretra izy dia nohamasinin'i Mgr Ramon Jose Castellano arsevekan'i de Cordoba, ho pretra ny 13 desambra 1969.

Maro ireo andraikitra efa notanany, anisan'izany ny nahavoatendry azy ho "Maître des novices" tao amin'ny "Colegio Máximo San José" ao San Miguel. Efa voatendry ho lehiben'ny fikambanan'i Jesoa tao Argentine ihany koa izy ny taona 1973 hatramin'ny taona 1979. Avy eo, nanomboka ny taona 1980 dia izy indray no Rektora mpampianatra teolojia tao amin'ny "Faculté de théologie et de philosophe" ary nitantana ny paroasin'i Masindahy Josefa tao San Miguel. 

Voatendry ho Evekan'i Auca sy Eveka mpanampy tao Buenos Aires tamin'ny 1992 ary arseveka-coadjuteur tao amin'io diosezy io ihany avy eo. Izy no nitantana ny Fivondronam-ben'ny Evekan'ny Argentine ny taona 2005 ka hatramin'ny 2011.

Ny Papa Jean-Paul II no nanandratra azy ho eo amin'ny laharan'ny kardinaly tami'ny 21 febroary 2001. 

Ny 13 marsa 2013 kosa izy no voafidy ho Papa hitantana ny Fiangonana. Francois no anarany nofidiny, anarana nalainy avy amin'i Md Francois d'Assise izay modely ho azy amy fitiavana ny mahantra ary izy no nitondra izany anarana izany voalohany. 

Ny Papa Francois no Papa faha-266, ary Papa voalohany tsy Eoropeanina hatramin'ny taonjato faha-XIII no mankaty. Izy ihany koa no Papa zezoita voalohany. 

Hatramin'ny naha Papa azy dia efa nahatsidika firenena efatra amby efapolo izy nandritra ireo fitsidihana apôstôlika telopolo nataony ivelan'i Roma, ka ny fitsidihana izay ataony aty Môzambika sy Madagasikara ary Maorisy amin'ny 04 ka hatramin'ny 10 septambra 2019 no fitsidihana faha iraika amby telopolo.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101