Hafatry ny Fiombonamben'ny Eveka eto Madagasikara - Novambra 2019

Nampiditra : admin
Daty : 19/11/2019

“Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza”

( Romana 4, 18)

 

Ho an’ny Kristianina rehetra sy ireo izay tsara sitra-po 

 

Homba anareo anie ny Fiadanana !

 

Isaorana Andriamanitra Trinite Masina satria tontosa soa aman-tsara iny famangiana apôstôlika nataon’ny Papa Fransoà teto amintsika iny amin’ny maha Ray aman-dreny iombonana azy; ary hafaliana ho anay Evekanareo ny mifampizara eto ireo harem-panahy sarobidy, voarakitra tamin’ireo hafatra rehetra nampitainy tamintsika. Tsapany ny hasarobidin’ny soatoavin’ny razantsika, dia ny FIHAVANANA, ka nahafahanay nandalina ny tanjona kendreny amin’ny maha filohan’ny Eglizy maneran-tany azy, dia ny « FIAROVANA NY TRANOBE IOMBONANA », indrindra ny  antsika eto Madagasikara.  

  1. Fiarovana ny Tontolo iainana 

Kanto sady mahasondriana ny Nosy Madagasikara. Voatsodranon’ Andriamanitra  ary manan-karena amin’ny zavaboaary, na  ao an-kibon’ny tany, na an-tanety, na an-dranomasina. Toetrandro mbola zakan’ny maro. Rivotra madio sy mahasalama no hita any ambanivohitra. Nahatalanjona ny Papa Fransoa ny hatsaràny sy ny harena voajanahary misy eto amintsika, ka nolazainy fa manome lanja an’ilay “fanahy maha-malagasy”.

Inona anefa no zava-misy hita taratra ankehitriny? 

Toa tsy raharahaina mihitsy ny fifandraisana amin’ny zavaboaary : doro tanety tsy mitsahatra. Miharihary ny fandrobana tsy am-piheverana ny harena voajanahary na ambonin’ny tany na an-kibon’ny tany… Tsy fizakana intsony no atao fa fanjakazakana. Hany ka miova izay tsy izy ny toetrandro, ny rano miharitra. Mampitolagaga ny fijerin’ny maro avy any ivelany ny fahasimban’ny tontolo iainantsika. Ireo zava-manan’aina maro karazana na ny zava-maniry na ny biby dia miharipaka  noho ny fitrandrahana an-tsokosoko sy ny fanondranana an’ireo any ivelany tsy ara-dalàna. Tokony hiaiky ny rehetra fa potika ny tontolo iainantsika.

Inona ary ny vahaolana ?

Mila fiovam-penitra mahery vaika. Arovana toa ny anakandriamaso ny tontolo iainana fa indrindra izay sisa ananantsika mba hitondra amin’ny fivelaran’ny mahaolona sy ny olona manontolo. Aoka tsy teny manaitra fotsiny no atao fa tena tanterahina sy iainan’ny tsirairay.

Maika ary tsy maintsy androsoana ny firotsahan’ny rehetra amin’ny fambolen-kazo sy ny fikolokoloana ny zava-boahary rehetra. Efa nambara ny androm-pirenena iombonana ho an’ny fambolen-kazo. Tokony hirotsaka ny daholobe amin’izany. Asa vadi-drano izy ity ka tsy vita raha tsy ifanakonana. Hiandahy, hiambavy ny olom-pirenena rehetra satria ny firaisan-kina no hery.

Hoy ny Papa tamin’ireo pretra sy olom-boatokana :“Famantarana ny fandresenareo rehefa mirotsaka mamboly hazo ianareo, na manampy amin'ny fanomezana rano fisotro madio ny fianakaviana”. Nohamafisiny koa izany tamin’ireo Olom-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha : “tsy hisy ny tena fijery ekolôjika  marina na asa mivaingana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana raha tsy ampidirina ao ny rariny sy hitsiny ara-tsosialy izay manome ny zo amin’ny fampiasàna iombonana ny haren’ny tany amin’ny taranaka ankehitriny sy amin’ireo taranaka any aoriana”

Hoy izahay, tonga izao ny fotoana hanovàna ny teny fanentanana hatramin’izay hoe : “izay mandoro tanety, mandoro tanindrazana”, amin’ny hoe : “izay mandoro tanety mamono taranaka ary izay mamboly hazo mampita aina”.

  1. Fiarovana ny tontolon’ny « aina » sy ny zon’olombelona

Ry Malagasy tandrovy ny «maha-izy  anao».

Tsapan’ny Papa Fransoà fa isika Malagasy dia olona manana ny maha-izy azy : manana endrika falifaly, mahay misokatra amin’ny hafa, mahay mandray vahiny. Nahampatsiahiviny fa ao amin’ny Savaranonandon’ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika Malagasy, dia voasoritra mazava tsara ilay “FIHAVANANA” manamarika fa io no Soatoavina tena izy, izay mampahatsiaro ny toe-tsain’ny fifampizaràna, ny fifanampiana ary ny firaisan-kina. Tafiditra amin’izany koa ny maha-zava-dehibe ny rohy mampifandray ny fianakaviana, ny fifankatiavana ary ny halemem-panahy amin’ny samy olona sy ny zava-boahary. 

Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena dia naniry ny hiaina ao anatin’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ny malagasy, “Ho tany sambatra” araka ny hiram-pirenena, ka niroso tamin’ny fifandimbiasana demokratika tsy nisy raorao izay nanehoana ny fanajana ny fifamenoan’ireo fomba fitantanana sy ireo vina isan-karazany. Ary izany dia mampiseho fa “ny politika dia fitaovana fototra enti-manandratra ny maha-olom-pirenena sy ireo haja momba ny olombelona” 

Nahoana anefa no mikorosy fahana ny tontolo iainan’ny Malagasy ankehitriny ? 

Ny trano fonenana tsizarizary, trano bongo no isisihan’ny mpianakavy any ambanivohitra. Tsy ampy sakafo sy rano fisotro madio ny toerana maro samihafa. Ireo zokiolona tsy voakarakara araka ny tokony ho izy, tsy voaray ara-potoana ny fisotroan-dronono. Mahazo vahana ny fahantran’ny madinika tsy manan-katao. Nahoana no tsy mety ho fongotra ity kolikoly ity, izay efa dradradraina hatramin’ny ela ny ady atao aminy? Tsy matahotra an’Andriamanitra intsony ireo mpiasa any amin’ny fitsarana (justice), ny fananan-tany (domaine), ny habantseranana (douane), ary ny any amin’ny tobim-pahasalamana... Ho faty tokoa ny « fanahy maha-olona » raha izao no mitohy. Mitondra amin’ny fahafatesana ireo fahasimbana ireo fa tsy mitondra velively amin’ny fiadanana andrandraina . 

Mbola hita manjaka any amin’ny toeram-piasana maro ny toe-tsaina samy maka ho azy. Ireo mpiasam-panjakana sasany, ireo mpampianatra any amin’ny sekoly dia maro no tsy mahatsapa ny maha zava-dehibe ny andraikitr’izy ireo. Tsy voahaja ny ora fiasana. Tara lava. Simba loatra i Madagasikara hoy ny Mpitazana avy any ivelany. Misy sahy milaza aza fa « tsy misy fanantenana intsony ». 


 

Inona ary no vahaolana ?

Ilaina maika ny fanarenana ny maha-izy ny Soatoavina Malagasy. Ny olona manontolo ary ny olona rehetra no homen-jo aman-kasina mba ahafahany misitraka tontolo iainana mendrika. Hoy ny Papa Fransoà teny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha : “Andriamatoa Filoha, niteny tamim-pirehetam-po tokoa ianao teo, niteny omban’ny fitiavana ny vahoakanao, misaotra anao amin’ny fijoroanao ho vavolombelon’ny olona tia tanindrazana”.

Tsy maintsy atao andrimaso akaiky ny fanabeazana sy ny asa eo anivon’ny fianakaviana araka ny fampianarana tamin’ireo ankizy teny amin’ny Akamasoa. Zava-dehibe ny fifandraisan’ny mpiray tampo sy ny mpiara-belona ary ny zava-boaary. Noho izany mila jerena akaiky ny rafi-pampianarana sy programan’ny fampianarana mba hahatratra izany tanjona izany satria ireo no anisan’ny mandrafitra ny « fanahy maha-olona »,

Ny olona mivoatra no afaka mampivoatra. Mila manam-pahaizana marani-tsaina sy hendry ary modely ny fampivoarana eto Madagasikara ankehitriny. Aoka ho irahina manerana ny nosy ireo mahavita fianarana fa tsy havangongo amin’ny toerana iray na andrenivohitra fotsiny. Ny firaisankina no hahatratrarana ny tanjona iombonana.  Hita taratra hatramin’ireny fandresen’ny ekipam-pirenena malagasy (Barea) tany Ejipta ireny fa olona mahay miray hina ny vahoaka malagasy. Nihamafy orina izany tamin’ity famangian’ny Papa ity. « Ry Malagasy ô, tandrovy ny maha-izy anao. »

  1. Fiarovana ny tontolom-pinoana kristianina

Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy ny manaiky ny hoentanin’ny fisian’Andriamanitra  sy ny fahatahorana azy. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha ». Andriamanitra, hoy ny Papa Ray Masina, no mahatonga ny malagasy hanana « herim-po » hioitra hatrany, manoloana ireo olana isan-karazany mba hiarovana ny « aina ». Izy no manome ilay “fanahy” sy ireo toetra mampiavaka ny maha malagasy azy.

Namolavola an’io finoana io ny ezaka natombok’ireo misionera. Torak’izany koa ny fiaretana ny mafy niainan’ireo Lahika sy Relijiozy teo amin’ny tantara mba hamelona tsy tapaka ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Tonga olontsambatra izy ireny ankehitriny ary mitombo tsy tapaka vokatr’izany ny isan’ny Kristianina malagasy, vita batemy sy vita batisa. 

Inona anefa ny zava-misy ankehitriny ?

Mbola maro ireo misalasala tsy miraikim-po tanteraka amin’ny finoana maha-Kristianina. Tsy sahy mirotsaka mandray andraikitra. Misy ny midi-droa, sady kristianina no manompo sampy. Mivadi-belirano amin’ny toky nomena tamin’ny batemy. Ny fahantrana koa anefa manampy trotraka etsy andaniny : maro ireo lehilahy sy vehivavy, tanora, zaza, mijaly ary tena tsy manana n’inona n’inona ! Maro amin’ny Malagasy no miaina toe-javatra sarotra, tsy ampy amin’ny ilaina andavanandro: sakafo, rano, trano fonenana, herinaratra, làlana, fitsaboana, fianarana, fitaovam-pifandraisana.... Maro no mizaka eo an-tsorony ny vesatry ny politika tsy ahitam-boka-tsoa . Raha adika dia hoe : mafy loatra angamba ny adim-mpiainana ka hadino ny mivavaka, hadino ilay Nahary. 

Inona ary no hatao hampitombo bebe kokoa ny faharetana amin’ny finoana ? 

Adidy masina no takin’ny maha-Kristianina. Aoka isika hahay hifampizara. Hiala amin’ny toe-tsaina mikombona, amin’ny fitiavan-tena feno avonavona fa mba hampandresy ny toe-tsain’ny mpianakavy marina tokoa

Antso avo nataon’ny Papa teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha ny hoe :“tokony halain-tahaka ny fihetsiky ny mpiray tanindrazana aminareo amin’ny fahaizany mifanakalo hevitra, tsy iza fa ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo... Ny fijoroany ho vavolombelon’ny fitiavany ny tanindrazany sy ny lovam-panahy ao aminy, ny fanampiana an’ireo faraidiny izay famantarana ny finoana an’i Jesoa Kristy no manondro antsika ilay làlana izay iantsoana antsika ihany koa mba halehantsika”. 

Ho antsika mpitondra ny Vahoakan’Andriamanitra tsy ankanavaka dia ny Eveka, ny pretra ary ireo olom-boatokana :  mampirisika antsika ny Papa mba ho eo akaikin'ny vahoaka mandrakariva isika, hijoro ho vavolombelona mahatoky ary “tsy hanao ny fiantsoan’Andriamanitra antsika ho tohatra fiakarana ho amin’ny “fiainana tsaratsara kokoa”!  “Fanamby iarahantsika manatanteraka ny ho "Eglizy mivoaka". Aoka ho sahy mivoaka ianareo,  hitondra ny hazavan'ny Evanjely amin'ireo faritra samihafan'ity Nosy ity. Sambatra ianareo, Eglizy sambatry ny mahantra sy ho an'ny mahantra, satria velona vonton'ny hanitry Tompo izy, faly eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ireo izay voailiky ny tany, amin'ireo izay nosafidìn' Andriamanitra”.

HO FEHINY

Ireo rehetra ireo dia lavorary rehefa entintsika ao anatin’ny vavaka sy ny fiderana an’Andriamanitra. Ankasitrahin’Andriamanitra ny vavaka ary manamasina bebe kokoa raha miezaka miaina ny didy roa sosona nomen’i Jesoa isika. Kristianina isika, natao hidera mandrakariva an’ilay mpanome ny soa rehetra. Ao amin’ny vavaka sy ny fiderana no ahatsapantsika ny tena maha izy antsika araka ny voalazan’ny Papa.

Ka eto am-pamaranana dia hamafisinay ny fisaorana ny malagasy rehetra efa natolotry ny Kardinaly teo am-pamaranana iny famangian’ny Papa iny. Ny tsodrano nomeny antsika anie hampitombo tokoa ny fanantenana sy ny fiadanana ao am-pontsika. Manentana antsika ary hifanome tànana miaraka amin’i Masina Maria sy ireo Olomasina ary Olotsambatry ny firenentsika, hiroso amin’ny lalina ary hahay hifanampy hahatonga ity Nosintsika ity tsy ho lany hamamiana eo imason’izao tontolo izao. Hoy izy tamin’ireo tanora teny Soamandrakizay: “Manan-danja sy ilaina avokoa isika rehetra ary tsy misy olona afaka hilaza hoe : Tsy mila anao aho na hoe ianao dia tsy tafiditra amin’ny fandaharam-pitiavana izay nofinofisin’Andriamanitra tamin’ny nahariany antsika”

Mitso-drano anareo rehetra izahay Evekanareo.

                Natao teto Antananarivo

                Anio 15 novambra 2019

                Fetin’i Md Albert le Grand, Eveka, Mpampianatry ny Eglizy.

 

Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

Son Exc. Marie Fabien Mgr RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i  Morondava, Filoha lefitra

Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly

Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana, Administrateur apostolique d’Ambanja 

Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo

Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary

Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa, 

Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA,  Evekan’i Port-Bergé

Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka

Son Exc. Mgr Rosario  VELLA, Evekan’i Moramanga

Son Exc. Mgr Gustavo Bmbin ESPINO, Evekan’i Maintirano, Administrateur Apostolique de Mahajanga

Son Exc. Mgr Philippe,RANAIVOMANANA Evekan’Antsirabe 

Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i  Mananjary, 

Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana

Son Exc. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Son Exc.Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo

Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Son Exc. Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava 

Son Exc. Mgr Michel MALO,  Evêque Emérite d’Antsiranana

Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Rév. Père. Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain de Tsiroanomandidy

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0839 s.] - Hanohana anay