Hafatry ny Eveka Novambra 2012

Nampiditra : admin
Daty : 17/11/2012

« NY MARINA NO HAHA-OLONA AFAKA ANAREO » (Joany 8, 32)

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’i Kristy
Ry havana,
Nivory teto Antananarivo izahay Evekanareo, tamin’ny 7 ka hatramin’ny 17 novambra 2012. Samy velom-panontaniana isika mianakavy miatrika ny zava-misy eto amin’ny Firenena sy ny Fiangonana. Ka rehefa nandinika sy nandalina izahay dia mampita izao hafatra izao aminareo. 
 

Marina ve fa mahaleo tena isika MALAGASY ?

Lalàm-panorenana efatra no efa niainantsika. Amin’ny ankapobeny, ireo filoha teo amin’ny fitondrana no niala dia vokatry ny fihetseham-bahoaka ary izay voafidy dia samy namorona Lalam-panorenana sady sahaza azy hitazonana ny fahefana no nahazoan’olom-bitsy tombotsoa manokana niaraka taminy : tsy ny teto an-toerana ihany fa teo koa ireo Firenena nanohana azy. Mbola ho tahak’izany koa ny manaraka raha tsy mametraka rindram-piaraha-monina hiaro sy hitsinjo ny tombon-tsoan’ny vahoaka Malagasy hanampy ny tsirairay hikatsaka ny soa iombonana. 
Tena iainantsika andavanandro ny tsy fananana fahaleovantena. Porofon’izany : 
  • Ahodinkodina ny loharanon-karem-pirenena ka potika amin’ny alalan’ny fifanarahana tsy ara-drariny : bois de rose, vy, vatosoa, solitany, omby... ary ny ampahany amin’ny tanintsika. 
  • Manjaka ny mpanao ratsy : risoriso, kolikoly, dorotanety, vaki-trano, famonoana olona,  fanalanjaza, fanaparitahana fitaovam-piadiana etsy sy eroa. ... ary misy mpitandro filaminana mampiasa ny fahefana ananany hamotehana vahoaka.
  • Noho ny tsy fahasahiantsika miaro ny tombon-tsoam-pirenena dia firenen-kafa no manery ankolaka na mivantana mba tsy handraisantsika vahaolana eto an-toerana.
  • Efa nolazainay teto fa ny politika eto amintsika dia mivaona amin’ny fanompoana ny vahoaka : maro loatra ireo antoko politika, rafitra tsy mitombina, fitadiavam-bola sy fitadiavan-tseza no ampanjakaina.
  • Tsy takona afenina ny fahasahiranana eo amin’ny fiainana ara-piaraha-monina : mafy ny hanoanana, tsy afa-mianatra ny ankamaroan’ny zana-bahoaka, ary izay tafita tsy mahita asa, any amin’ny toeram-pitsaboana tsy ampy fanafody na anjakan’ny kolikoly loatra, maro ny tokantrano rava, ary tsy voajery mihitsy  ny  tombo-tsoan’ireo tantsaha maro an’isa.
  • Ny fitsarana tsy azo itokisana, fa toa ny manan-katao sy ny misy mpanohana ary ny mahalala olona hatrany no mahazo rariny eo amin’ny tribonaly, ary firifiry ireo tsy manan-tsiny no mibaby ny heloky ny hafa, na dia ireo mpitsara te hijoro amin’ny marina zary voahilika. Ny fanjakan’ny tsy maty manota no tena fototry ny tsy fisian’ny fitoniana.
Arak’izany, efa tena lasa lavitra ny fahalovana eto amintsika satria ny konsiansy mihitsy no maty na novonoina. Tsy ny fahaizana intsony na ny herim-po no heverina ho antoky ny fahombiazana fa ny kiantranoan-trano, ny hafetsena ary ny fanararaotana ara-nofo, ka voahitsakitsaka ny fanajana ny aina sy ny fanantenana hitraka. 
 

Tandremo sao tara isika. 

Ry olom-pirenena Malagasy, ireo Eveka Ray aman-dReny zokinay teo aloha, dia nametraka hafatra tsy lany hamamiana tamin’ny andro sarotra, ary hamafisinay amin’izao : « Hitam-poko hitam-pirenena fa te-hijoro sy hivoatra araka ny maha-Malagasy azy ny Malagasy. Nasehony fa te-hahaleo tena tanteraka izy eto an-tanindrazany, te-ho afaka amin'ny fatorana isan-karazany nanembantsembana ny fiandrianam-pireneny, na ara-politika na ara-toe-karena  na ara-toe-tsaina ; te-hanorina rafi-pitondrana tsy nalain-tahaka tatsy na taroa fa araka ny toe-tsaina sy toe-po malagasy ;  te-hanangana famokaran-karena mifanandrify amin'ny ilain'ny vahoaka ary tena mahasoa ny olon-drehetra fa tsy ny olom-bitsy fotsiny sy ny Firenena avy any ivelany ; indrindra indrindra, te-hanabe sy hitaiza ny sombin'ny ainy ny Malagasy, araka izay fomba mampivelatra ny hanitra nentin-drazana sady mampisondrotra azy ireo ho olona vanona, tena kinga, tsy ambakan'ny sasany eo amin'ny fahaizana  ».  (Hafatry ny Eveka, 7 décembre 1972; Foi et Justice p. 174)
Hita arak’izany fa tsy mbola tanteraka ireo hetaheta lalina ireo hatramin’izao. Ka manentana izahay :
 
  • Vahoaka Iray isika Malagasy, soatoavina tokony hotandrovantsika io. Ho fanehoana izany dia ilaina ny fitsinjaram-pahefana marina sy tena izy. Manàna herim-po isika  hampijoro ny rafitra mifanentana amintsika, mba tsy ho eo an-tanan’ny olom-bitsy ny hoavin’i Madagasikara ary tsy ho kobaka am-bava fotsiny ny fampandraisana andraikitra ny faritra rehetra.
  • Ny fanabeazana sy ny fahasalamana no loharanon-karena, ka tsy azo atao kilalao na faralahy  amin’ny rafi-pandaminana rehetra eto amin’ny firenena,  ety an-tanan-dehibe ka hatrany ambanivotra rehetra any.  
  • Aoka mba ho foto-kevitra araka ny mahaolona no hoentina miaro ny tombon-tsoan’ny  vahoaka sy manasoa ny firenena  ary koa ho entina mampijoro antoko politika fa tsy tsangan’olona na fitadiavan-tseza.
  • Tsy maintsy malina isika eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Aza variana maka tahaka na manantena fanampiana lalandava avy amin’ny firenan-kafa fa ny fahaizana am-pahalalantsika dia ahafahana mitrandraka tsara ny harena misy eto amintsika sy hahitana vahaolana amin’ireo fahasahiranana rehetra.
  • Ny famahana olana dia fitadiavana ny marina sy ny mahasoa. Ny teto amintsika anefa hatramin’izay dia fitadiavana ny marimaritra iraisana fotsiny ka mitondra amin’ny adi-politikan’olon-droa tsy mety hifanaraka izay miafara amin’ny fanaovana ny vahoaka ho takalon’aina. Aok’izay fa mahamenatra.
 

Maneke hohavaozin’ny Evanjely ka mibebaha

Taonan’ny finoana izao. Na maizina aza ny làlan-kizorantsika ankehitriny, aoka tsy ho very fanantenana fa eto amintsika mandrakariva i Kristy fahazavana. Ho antsika tsara sitra-po rehetra :
  • Ny konsiansy no manazava ny fon’ny tsirairay ka ahafahany mivelona ny fahamarinana. Mibebaha àry isika ary meteza ho entanin’ny Fanahy Masina.
  • Hita taratra fa mivavaka isika, mitombo isa ny mpivavaka alahady any am-piangonana, kanefa aoka hiaiky am-panetren-tena isika fa raha niainantsika marina  ny finoantsika dia tsy ho toy izao i Madagasikara malalantsika ity. Samia mandon-tratra sy mibebaka.
  • Miara-dàlana mandrakariva, tsy misaraka ny fampihavanana sy ny fahamarinana. Hoy indrindra ny Papa ao amin’ny taratasy ho an’i Afrika : « Mba ho azo tsapain-tanana marina anefa ny fahombiazan’ny famitranam-pihavanana, dia tsy maintsy ombana fihetsika mitory herim-po sy fandalana ny marina izy: dia ny fikarohana izay tompon’andraikitra nahatonga ny fifandrafiana, ireo izay nanome baiko hanatanterahana heloka, ary ireo izay nanaram-po tamin’ny risoriso isan-karazany, mba hahafahana mamaritra ny andraikitry ny tsirairay tamin’izany. Manan-jò hahalala ny marina, ary hahazo rariny ireo niharam-boina. Zava-dehibe ho an’ny ankehitriny sy ho an’ny hoavy ny mandio ny raki-pahatsiarovana, mba hahazoana manorina fiaraha-monina tsaratsara kokoa, ka tsy hiverenan’ny antambo tahaka ny teo aloha intsony.  »  (Africae Munus n°21) 
  • Ny fiainan’I Kristy sy ny ezaka nataon’ny Fiangonana hatrany amboalohany dia eo akaikin’ny madinika sy ny mahantra. Miseho amin’ny endriky ny madinika i Kristy : « Izay rehetra ataonareo amin’ireo madinika ireo dia izaho no anaovanareo azy. » (Mt 25, 40). Adidintsika ny mitia sy ny mamerina ny hasina ary ny miaro ny madinika.  
 
Eto am-pamaranana dia miara-misaotra an’Andriamanitra isika tamin’ireo fahasoavana voaray vokatr’ireo fankalazana samihafa teto amin’ny Nosintsika, ny namaranana izany indrindra dia ny fananganana ho Olomasina an’i Mompera Jacques Berthieu. Ny taonan’ny finoana sy ny fankalazana ny sinaodan’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly mifanentana amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia manainga antsika hijoro ho tena mpianatr’i Kristy sy haka tahaka an’ireo Ray aman-drenintsika tena nivelona ny finoana. I Masina Maria, mpanjakavavin’ny Apostôly sy Mpanjakavavin’i Madagasikara, modelin’ny mpino anie, hitari-dàlana antsika hatrany hiatrika izao fotoan-tsarotra izao ka ho misioneran’ny fanantenana isika. 
Mitso-drano anareo izahay.
Antananarivo anio 16 novambra 2012.
 
Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar
 
Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filoha lefitra
 
Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly
 
Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo
 
Mgr MALO Michel,  Arsevekan’Antsiranana
 
Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary
 
Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja
 
Mgr TOASY Armand,  Evekan’i Port-Bergé
 
Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga
 
Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka
 
Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga
 
Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
 
Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy
 
Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo
 
Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra
 
Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary
 
Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Evekan’i Farafangana
 
Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy
 
Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro
 
Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe
 
Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava
 
Mgr Georges VARKEY, Eveka Coadjuteur Port-Bergé
 
Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka  Mpanampy Antananarivo
 
Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa
 
Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo
 
Mgr RAMANANARIVO Félix, Evêque Emérite d’Antsirabe

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1058 s.] - Hanohana anay