Hafatry ny Eveka Volana Mey 2013

ZANAHARY Ô ! TAHIO NY TANINDRAZANAY...
DIA HO TANY SAMBATRA ‘LAY MADAGASIKARANAY

 

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’i Kristy

 

Ry havana,

 

Eto am-pisasahanan’ny taona diavina isika mianakavy. Anisan’ny tranga lehibe niainantsika ny fifandimbiasan’ny Papa mirahalahy, izay nanome ohatra velona amin’ny fanetren-tena, fahasahiana sy fitiavana ny Eglizy.Tsy tanisaina ny famendrofendroana sy fanakiviana. Tsy nilofika tamin’ny sahoan-dresaka samihafa anefa isika fa nijoro tamim-pinoana, niara-nivavaka, ka manohy an-kafaliana ny fiainam-piangonana ankehetriny.

Raha ny fiainam-pirenena kosa no jerena dia efa maro izay teny sy hafatra nambaranay teto izay. Anisan’izany ilay hafatra farany tamin’ny Novambra 2012 nitodika indrindra tamin’ireo Mpanao Politika sy amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Hamafisina etoana fa tsy anjaran’ny Fiangonana no mametraka rafi-pitondrana na manolotra vinam-piaraha-monina. Reny sy Mpampianatra kosa anefa izy ka mampitandrina izay mahafaty ary manoro izay mahavelona. Indrisy anefa maro ny tsy mihaino ny feon’Andrimanitra fa manamafy ny fony ka mahatonga anay mametraka fanontaniana :

 

Izao zava-misy iainantsika izao ve no lova apetratsika amin’ny taranaka faramandimby ?

 

Dimampolo taona no nandraisantsika an-tànana ny fiainan’ny firenentsika. Nefa izao ny zava-misy:

Mahantra sy fadiranovana ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, migalabona ao anatin’ny harena mihoa-pampana kosa ny olom-bitsy. Mankarary fo ny mahita an’ireo mahantra hararaotin’ireo mpanana sy ireo besandry. Vao mainka mitombo ny fikorotanan’ny fiainam-pianakaviana, ny kolikoly, ny asan-dahalo, ny vono olona....

Ny harena be miavosa ananan’ny tanintsika dia zary mifangarika amin’ny fahantrana mangeja ny maro amin’ny mponina ankehitriny:  Fananana solitany sy harena an-kibon’ny tany maro izay tsy ahodina eto an-toerana hahasoa ny firenena fa zary rembin’ireo mpitrandraka harena iraisam-pirenena. Torak’izany koa lasan’ny vahiny ny tany be velarana misy harena. Moa ve tsy halatra an-karihary voarindra izany? Maro ny mitsoaka amin’ny fandoavan-ketra ary mametraka ny tombony azony any amin’ireny paradisan’ny fanodinkodinam-bola ireny, ka manendaka tsotr’izao amin’ny olona eo an-toerana an’izay loharanon-karena tokony ho azy. Tonga mpiray tsikombakomba amin’ny tombontsoan’ireo vahiny ny mpitondra fanjakana sasany. Ny hafa indray dia tsy miahy afa-tsy izay hiarovana ny fananany manokana fotsiny ihany izay mifandaka amin’ny soa iombonan’ ny fiaraha-monina.

Tsapa ihany koa fa ny tsy fahampian’ny finiavana politika sy ny risi-po ho an’ny tanindrazana ary noho ny fitiavam-bola be loatra no mahatonga ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena ka manankorontana. Ny fahefam-panjakana rahateo tsy hita hiaro, tsy hita hanondro, tsy hita hianteherana, satria tsy misy lalàna voahaja hiarovana ny maha-olona sy ny soa iombonana. Mitatao amin’ireo tanorantsika ankehitriny sy ny ho aviny manontolo izany rahomainty izany. Moa ve tsy tandindon’izany ireo andiam-balàla manarona ny antsasaky ny nosy manontolo, izay jerem-potsiny ankehitriny? Am-bavahaona ny firenena!

 

Tsirim-panantenana maro kosa anefa no aoka hampioitra antsika, na eo aza ireo rahomainty mandrakotra ireo, ka mitsangàna fa aza milofika.

 

Voalohany amin’izany ny fahitana ireo miaiky heloka sy mibebaka ka vonona hihavana sy ho mpampihavana. Izany indrindra no irina sy mifandraika amin’ny soatoavina. Ampirisihina mba ho maro no tahak’izany.

Fanantenan’ny maro an’isa ny fiovana entin’ny fifidianana izay anehoana ny fiandrianam-pirenena. Avelao mba hiteny amin’izay ny vahoaka ary aza ahodikodina ny safidiny. Mitodika aminareo hilatsaka amin’ny fifidianana isan’ambaratongany izahay. Ny soa iombonana sy ny fikajiana ny maha olona no aoka mba hisongadina amin’ny teny ataonareo sy ny fihetsika asehonareo ny vahoaka amin’ny fampielezan-kevitra hifandimby: halaviro ny lainga sy ny famitaham-bahoaka ary ny firenena. Aza mivarotra Tanindrazana ary mahaiza mitana ny teny nomena:  Aza mandraraka ilo mby an-doha.

Ianareo mpanao politika tsara sitra-po, ianareo manam-pahaizana vato nasondrotry  ny tany,  ianareo “Tandroka aron’ny vozona”ianteheran’ny firenena, ianareo tia Tanindrazana:  Velombelomy hatrany ny Soatoavina maha malagasy antsika: tia fihavanana sy mankamamy ny aina ary matahotra an’Andriamanitra. Mitaky fiovam-pitondran-tena sy fiovana fombam-pitantana ary fikojakojana ireo harentsika hahatonga ny firenena ho afaka mizaka tena sy handroso. Mankahery anareo izay milofo hampanjaka izany izahay. Reseo amin’ny soa ny ratsy (Rm 12,21) ho fanavotana ny firenena.

Ianareo tanora solofo dimbin’ny ala: “ny fahakiviana no faharesena voalohany”. Raiso ho ampinga ireo Soatoavina handrafetana olona azo itokisana sy tompon’andraikitra mampijoro firenena vanona. Mahaiza maka lesona amin’ireo zava-misy efa niainantsika teto amin’ny firenena, ka tsy hamerina ny ratsy fa handray ny tsara hoentina hanandratra ambony ny Tanindrazantsika.

Maro ihany koa ireo milofo amin’ny fivavahana, mitodika amin’Andriamanitra satria mino fa tsy misy tsy hohain’Andriamanitra atao (Lk 1,37). Tsy lany hamamiana ny hafatry ny Papa Benoit XVI miantso antsika hihavao ary hivavaka: “Miantso ho amin’ny fiovàn’ny fo, amin’ny fibebahana mandrakariva i Kristy”. (Africae Munus n° 32). Ka indro atolotray aminareo ny vavaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy ny fiadanana. Angatahina hatao isam-pianakaviana sy ankohonana ary amin’ny sehatra rehetra ivoriana sy iasana. Ka aoka isika hiara-hivavaka.

 

VAVAKA FANGATAHANA FANDRIAMPAHALEMANA

 

Ry Andriamanitra Rain’ny Famindram-po ô

Noharianao ho iray Fianakaviana Aminao izahay ,

ary tsimbininao hatrany,hiadana sy ho finaritra.

 

Tsy nahay namaly fitia  anefa izahay indrisy,

fa nanalavitra anao , ka latsaka an-katerena.

Very fanahy mbola velona fa zoim-pahoriana;

Rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina

Mijaly sy misara-bazana  ny fianakaviana.

Revo ao anatin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro.

Ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao

Mamitaka sy mandainga , ary mahavatra mandatsa-drà aza

 

Mitodika aminao anefa izahay ry Ray ô,

Ka mifona, ary avelao heloka.

 

Ahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny

antoky ny fandriam-pahalemana

Amparo ny tananay hifandray amin’ny hafa,

hampanjaka ny fihavanana

Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza

Hazavao ny fiaraha-monina misy anay

hahay handray Anao Fihavanana.

Rotsahy ny tsodranonao ny fiainanay,

Omeo ny Fanahinao hiady amin’ny ratsy

 

Miaraka amin’i Masina Maria Renin’ Jesoa sady Reninay,

Mpanjakavavin’ny Fiadanana  izahay, no mitalaho izany aminao. Amen

 

Antananarivo anio, 24 Mai 2013

 

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Evekan’i Farafangana, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr MALO Michel,  Arsevekan’Antsiranana

Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr TOASY Armand,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary

Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava

Mgr Georges VARKEY, Eveka Coadjuteur Port-Bergé

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka  Mpanampy Antananarivo

Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2018