Hafatry ny Eveka

MITSANGANA, BATAO NY FANDRIANAO ARY MANDEHANA
(Jo 5, 8)
 
 

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo.


Ry havana,


Hafaliana mandrakariva ho anay Eveka ny mitafa aminareo isaky ny mivory. Inefatra izahay no nanoratra tamin’ity taona ity : tamin’ny volana febroary tao anatin’ny fotoana niatrehantsika mianakavy ireny zava-nitranga nampalahelo ireny; ny volana jiona nananganana ho Olontsambatra an’i Frera Rafiringa, Kintan’ny Fanabeazana; ny volana aogositra nampirisihana antsika mianakavy hiatrika ny fiainam-pirenena; ny volana septambra, tamin’ny famaranana ny JMJ nanentanana sy nanirahana ny Tanora ho Mpampihavana. Tohin’ireo hafatra ireo ity teny ataonay amintsika mianakavy ity. Ny zava-nisy niainantsika na teo anivon’ny firenena na teo anivon’ny Fiangonana toy ny fankalazana Sinaoda manokana faha-2 ho an’i Afrika manampy antsika rehetra hibanjina amim-pinoana ny ho avy.
Malemy sady marary ilay olona teo amoron’ny farihin’i Betesdà, ary very fanantenana tanteraka satria indrisy tsy nisy nitsimbina azy fa samy naka ho azy. Nandalo i Jesoa, nanasitrana azy noho ny finoana nasehony, nilaza taminy hoe: “ mitsangàna, batao ny fandrianao ka mandehana” (Jo 5, 8) .
Milaza miara-mahita isika fa marary koa ny fiainantsika Malagasy manontolo. Io tenin’i Jesoa io no hafatry ny Sinaody faha-2 momba an’i Afrika, vao nifarana tany Roma ny alahady 25 oktobra lasa teo. Io koa no teny entinay Eveka Ray aman-dreny manainga antsika hibanjina sy hiatrika ny hoavy.
 

MITSANGANA....


Ny fibanjinantsika an’i Jesoa sy ny fifandraisana aminy manambara mazava hoe : “Mitsangàna” dia manome fanantenana. Miantso antsika izy hiala amin’ny fahalemena sy ny aretina mikiky antsika hatramin’ny fahaleovantena, mba hihavana sy ho mpampihavana ary hanavao ny zavatra rehetra ( Apk.21, 5).
Tsarovy fa ny tena fihavanana dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy, ary tsy hisy ny fihavanana raha tsy ao anatin’ny fahamarinana sy ny fieken-keloka.
Havaozy àry ny fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fivavahana, ny fihavanana amintsika mpiara-belona, ny fihavanana amin’ny tontolo iainana sy ny zava-boahary.


 
BATAO NY FANDRIANAO....


Marina fa fanomezan’Andriamanitra ny fihavanana sy fihavaozana, kanefa mitaky fandraisana andraikitra sy adidy amintsika rehetra olona manam-pinoana sy manam-panahy ary tsara sitra-po. 
Noho ity taona natokan’ny Fiangonana ho an’ny pretra ity, dia mampahatsiaro  antsika Eveka sy pretra mba hivelona ny hafatry ny sinaoda momba ny pretra sy ny hafatry ny Papa mba hanana firaisam-po tsy mivadika amin’i Kristy.
Mampirisika anareo ao anatin’ny fiainana voatokana (vie consacrée) koa,  izay manana hetaheta handalina sy hanavao ny toe-piainana takin’ny Fiangonana amin’izao vanin’andro ankehitriny izao. Fotoana tsara izao hirosoanareo amin’ny lalindalina kokoa hatrany.
Ary ianareo fianakaviana kristiana, miezaha hatrany hanamasina ny tokantrano, hanabe ny zanakareo araka ny maha-olona sy maha-kristiana ary ho fanasin’ny tany tokoa eo amin’ny sehatra misy anareo tsirairay avy.
Ianareo miara-misalahy amin’ny fanabeazana any an-tsekoly, isaoranay ny ezaka vitanareo, indrindra amin’ny fikolokoloana ny mpianatra. Heverinay fa tokony ho hatsaraina bebe kokoa hatrany ny hahatonga azy ireo ho olom-banona sy manam-panahy ary feno fahendrena. Tsapa koa anefa fa anisan’ny soatoavina potika teto amintsika ny fifanajana antoky ny fifandraisana, ka mila hovolena sy hokolokoloina io soatoavina io mba hitsiry indray. Ary ho antsika manokana ao amin’ny sekoly katolika, hamafisinay ny fampidirana ny fanabeazana miaina sy mitia  (éducation à la vie et à l’amour) sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina (doctrine sociale de l’Eglise). Miantefa amintsika ao anatin’ny fikambanana masina isan-karazany koa izany.
Nahafaly ka nitondra fanantenana ny toe-panahy niainanareo tanora nandritra ny fankalazana ny JMJ Mada VI tany Toliary. Ka matoky anareo tanora hivelona ny hafatra natolotray.
Ho antsika vita batemy na batisa, nandray ny Fanahy Masina ho Vatana Iray ao amin’i Kristy, antsoina ho vavolombelon’ny fampihavanana isika. Nisy fotoana tsy nahitana taratra izany ny fiainantsika. Ekentsika am-pinoana ny fahalementsika ka manainga antsika hiara-dia indray ao amin’i Kristy.
Ianareo manana andraikitra eto amin’ny firenena, mihavàna amin’ny olona rehetra ary katsaho mandrakariva ny soa iombonana.
Hita miharihary ny fahapotehan’ny fifandraisantsika amin’ny tontolo iainana, raha tsy hiteny afa-tsy ny fahasimban’ny ala sy ny doro tanety. Manambara ny herisetra mitoetra ao anatintsika izany, kanefa i Jesoa miteny hoe: “sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany” (Mt 5, 4).


 
MANDEHANA....


Eo anatrehan’ireo adidy mavesatra sady sarotra miandry antsika tsirairay avy ireo, ny tenin’i Jesoa tamin’ilay malemy hoe : “ mandehana” dia Fankaherezana ho antsika.
Hankalaza ny faha-50 taonan’ny Fahaleovan-tena isika, ary ao anatin’izany ny firosoana amin’ny Repoblika faha-4. Fotoana handrafetana ny lalàm-panorenana sy ny lalàm-pifidianana koa izao, ka arovy toy ny anakandriamaso ny maha-olona, ny maha-malagasy ary ny firaisam-pirenana sy ny tombotsoam-bahoaka. Miombona tanteraka amin’izany ny Fiangonana, ka mampahatsiaro fa i Kristy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jo 14, 6). Na inona fisamboaravoaran’ ny onja entin’ity fiainana ity dia ho tafita amin’ny tanjona isika raha miombona amin’i Kristy hany afaka mitondra  amin’ny tena fahamarinana sy fihavanana antoky ny fiadanana. 
Hifarana ny taom-piangonana hankalazantsika an’i Kristy Mpanjakan’ ny tany aman-danitra, Fihavanana sy Fiadanana ho antsika. Hiditra ny Vanimpotoan’ny Fiaviana (Avent) hitondra antsika amin’ny Fankalazana ny Noely, hankalazantsika an’Ilay Teny Tonga Nofo miara-monina amintsika, hizara ny Fiadanany : ka faly izahay Ray aman-dReninareo manolotra ny fiarahabana sy firariantsoa.
Farany, ry Havana : “mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra , mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana” (2 Kor 13, 11).
Hitsodrano antsika anie Andriamanitra ka ho Taom-pahasoavana ity taona 2010 ity. Ankinintsika amin’i Masina Maria tsy azon-keloka Mpiaro an’i Madagasikara, izay ankalazantsika amin’ny 8 desambra, mba handry fehizay ny tanindrazantsika.


Antananarivo , Alakamisy 12 Novambra 2009
 Fahatsiarovana an’i Md Josaphat , Eveka Martiry

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0701