Hafatry ny CEM Fanandratana Rafiringa

HAFATRA  NOHO NY FANANDRATANA AN’I FRERE RAPHAEL  LOUIS RAFIRINGA HO OLONTSAMBATRA

 

 

 

“Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny Teninao no fahamarinana” (Jo 17, 23)

Ry kristianina sy  vahoaka Malagasy tsy ankanavaka,

Avy nankalaza ny Fanandratana manetriketrika ho Olontsambatra an’i Frera Raphael Louis Rafiringa isika mianakavy . Vanim-potoan-dehibe ho an’ny fiangonana sy ny hoan’ny firenena Malagasy izany.

Mahafaly anay  Ray aman-dreny ato amin’ny Fivondronam-ben’ny Eveka ny mifampizara amintsika mianakavy , amin’ny alalan’ity Hafatra ity, ny toe-po amam-panahy navelan’ity Olontsambatra ity. Zary loharanom-pahasoavana hoan’ny Fiangonana sy ho antsika mpiray tanindrazana aminy, .

Koa satria efa natsangan’ny Fiangonana ho olontsambatra izy dia azontsika raisina ho mpiaro ny firentsika sy ho fakan-tahaka mahatoky.

 Maro ireo toe-panahy nampiavaka azy . Tsy ho voatanisa eto daholo ireny . Tianay ho soritana manokana ireto ohatra velona ireto izay mifandraika betsaka amin’ny fiainantsika ankehitriny .

Olon’ny finoana izy, nifikitra tamin’i Kristy

“Nangatahako tamin’Andriamanitra hatramin ny ela mba ho tonga olomasina aho, tsy ho ahy, fa mba ho voninahiny sy ho fanavotana ny namana..ary vononona tanteraka tamin’izany aho. Koa ny andro mialoha ny Noely 1915, tamin’ny 6,30 hariva tonga nisambotra ahy ny polisy ka nitondra ahy tany amponja. Ny fihetsiham-poko voalohany nony niditra ny fonja aho dia ny fisaorana an’Andriamanitra, satria nampiombona ahy tamin’i Jesoa Kristy Zanany izy, sy tamin’ireo olomasina nijaly tany amponja” (taratasy 2 /3/1916)

Nandalina ny finoana marina Rafaely Rafiringa, ka izany  finoana izany no nitondra azy hahafantatra sy  hifikitra amin’i Kristy Lalana , Fahamarinana ary Fiainana . Io fahazavana avy amin’i Kristy io, nampian’ny fitiavam-bavaka, no nanentana ny fiainany.  Tsy niamboho adidy  izy  fa nandray an-tanana ny fiangonana nandalo fotoan-tsarotra, tamin’ny ireo fandroahana in-droa miantoana ny misionera. Ny fitokisany ny herin’ny Fanahy Masina tao aminy koa no nahasahiany namelona sy niahy ny fiangonana teto Madagasikara niaraka tamin’ny Victoire Rasoamanarivo sy ny “Union Catholique”  ary ireo mpiara-miasa rehetra akaiky azy. Nirotsaka am-perinasa tanteraka izy teo amin’ny fiaraha-monina: niahy ny sahirana sy ny voafonja, ary ireo marary hoditra. Mba hiarovany ny zon’ny madinika voahosihosy dia sahiny ny nanaitra ny manampahefana. Voatery niatrika fitsarana izy tamin’izany.

 “Katolika anankiray tandindomindoza mety hahavery ny fanahiny no ho vonjena; koa  hijoro aho hiaro azy. Misy ny lalàna , ka tsy maintsy misy mpitsara hampihatra azy. Raha miala eto aho, nefa tsy mahazo rariny, henoy tsara. Fantatro Manjakamiadana misy ny Mpanjakavavy. Any indray isika no hifankahita”

Tsy amin’izao vanim-potoana misy “krizy”   izao ve no tokony hijoroan’ireo manam-pinoana ho apôstoly hiady amin’ny fitiavan-tena sy hitodika amin’ireo  niangaran’ny vintana?Tsy izao ve no fotoana hanehoantsika ny fifankatiavana  sy fifanampiana araka ny takian’ny fahazavan’ny Evanjely ? Tsy izao ve no fotoana hiarovana ny zo sy hasina ary ny ain’ny olombelona?

Olona nahay mampihavana izy :

Olon’ny fihavanana Rafiringa, nahay nihaino ny hevitry ny hafa ary nankato ny fifanakalozan-kevitra  ;  nampifanatona ny katolika sy ny protestanta nifandrafy , nijoro ho mpanelanelana teo amin’ny mpitondra mahefa sy ny vahoaka madinika; mba  hanjakan’ ny rariny sy ny hitsiny  : izany  no nimasoany.

 « Isanandro vaky aho dia mbola nandray ireo karazan’olona samy hafa te-hifampinika amiko : na lehilahy na vehivavy, na zoky olona na tanora na ankizy, ireo malaza ho manam-pahaizana eto amin’ny firenena sy ireo tsy nandia fianarana, ireo migoka hasambarana amin’ny fiainana sy ireo fadiranovana » (taratasy 26 avril 1886)

Tena ilain’ny firenentsika tokoa ny fampihavanana ankehitriny.Mila olona mahay mampihavana toa azy izao vanin’androntsika  izao . Satria tsy azontsika odian-tsy hita ireo zava-misy niainantsika, indrindra nanomboka tamin’ity taona 2009 ity : fanaovana an-kilabao ny hafa  , fanarabiana an’ireotsy mitovy hevitra amin’ny tena, fifampiandaniana sy fisaraham-bazana. Vokatr’izany , maro ny fanana simba ,maro ny aina nafoy. Tandindomin-doza ilay Fihavanana malagasy Sambatra izay tiia fihavanana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra (Mt 5

Kintan’ny fanabeazana

Relijiozy Relijiozy nahay nitsinjo manokana ny fanabeazana kristianina izy ary tsy nikely soroka tamin’ny fiarovana sy fampivoarana ny sekoly katolika:

“Ny fiahiana ny sekolin’ny zazalahy sy ny zazavavy no adidy sy andraikitra noraisiko voalohany; ary saika ny andro manontolo no laniko tamin’izany. Teo koa ny fitantanana ny kilasy mandry anankiroa... Nitety trano ho azy ireo aho isanandro hangataka fitafiana sy ny sakafo ... “

Nataony vaindohan-draharaha ny fandalinam-pinoan’ireo tanora nobeaziny. Na izany aza anefa tsy nanosi-bohon-tanana ireo tanora rehetra nila toro-hevitra taminy izy na inona finoana nananany, na avy aiza  fiaviany.

Amin’ny maha mpanabe nahay nanentana ny vahoaka azy, ireo mpianatra efa nahay dia nirahiny hampianatra ny hafa tany ambanivohitra.Ny tanjona nokendreny tamin’izany ? Ny hampifandraisana ny mponina eto amin’ny firenena mba tsy hisian’ny fanavakavahana  sy ny tsy fitoviana.

Mametra-panontaniana amintsika ray aman-dreny, mpanabe sy tompon’andraikitra ankehitriny àry io ezaka nataon’i Frera Rafiringa io. Marobe  ireo zaza Malagasy mbola tsy mandia sekoly;  toraka  izany ireo tanora toa tsy misy mpiahy sy sahirana amin’ny fanomanana ny hoaviny. Nampirisika ny  ray amandreny izy amin’izany

« Tamin’ireo fitsidihako ny Maintimolaly,dia nangataka fivoriana tamiko ireo efa manan-janaka mba hampianarana azy ny fomba fanabeazana ny zanany....Isaorako Andriamanitra fa mandray andraikitra amin’ny ny fanabeazana ny zanany ireo Maintimolaly  efa niteraka...Koa hifanaraka sy hifanampy ary isika misionera sy ray amadreny hanomezana fanabeazana feno ny zanatsika : fanabeazana ara-batana, ara-tsaina, ara-moraly, kristianina, malagasy, amin’ny maha olona sy mpiara-belona »

Mila fiarahamidinika sy fiaraha-mandamina ny fanabeazana eto amin’ny firenentsika, raha tiana ny tena hitsinjo ny taranaka malagasy

Nanandratra ny maha-malagasy sy kolon-tsaina malagasy

Nataony ho zava-dehibe ny fahalalana sy fandalinana ny vakoka sy ny kolontsaina malagasy, ary niezahany ny hanavao sy hanatsara azy hatrany. Maro ny asa soratra navelany. Nandrianiny ny fiteny malagasy nanehoany ny talenta tao aminy toy fahaizana mandahan-teny sy ny  fanoratana ny tantaram-pirenena. Maro koa asa-soratra vitany manandratra ambony ny fitiava-tanindrazana. Isan’ny nisamborana azy izany

Amin’izao andron’ny fanatontoloana izao dia manainga antsika mianakavy ny ohatra nomen’ity Olontsambatra ity mba hiarovantsika ny maha-malagasy antsika ary hahaizantsika hisivana sy hifantina ireo karazan-kolon-tsaina vahiny mila hanempotra antsika.

Reharehantsika Malagasy ny fananana olon-tsambatra

Efatra izao ireo olontsambatra voninahitry ity Nosintsika ity! Samy niaina ny antson’Andriamanitra teo amin’ny seha-piainany nisy azy avy: Beyzym sy Jacques Berthieu, Pretra; Victoire Rasoamanarivo, lahika; ary izao Rafaely Louis Rafiringa,  relijiozy. Toko telo mahamasa-nahandro mampijoro ny Fiangonana.

Mampisaotra an’Andriamanitra  izao androm-pahasoavana sy tso-drano izao. Mpiray tanindrazana  amintsika Frere Raphaël Louis Rafiringa no nasandratra ho olontsambatra, ka ny oham-piainany sy ny vavaka ataony anie hanampy antsika rehetra hizotra amin’ny lalam-pahamarinana sy fahazavana marina araka ny Evanjely. Vavaka nataony:

Tompo ô, làlana sarotra ny mankany aminao, kanefa ianao tsy mandrara ny làlana voaravaka raha mampiverina any aminao, ary tsy dia sakelidalana sarotra mianika tendrombohitra mideza foana no iverenan’ny ondry nania ao amin’ny valan’ondrinao

Hoderaina hatrany anie ny anaranao.. fa mbola hisy  pretra, relijiozy lahy, relijiozy vavy, mpivady krstianina masina ary misionera masina  hipoitra amin’ity firenena ity”

Enga anie ity Olontsambatra Raphaël Louis Rafiringa ity hanohy any an-danitra any ny vavaka nataony ho an’ny firenena malagasy. Ary i Masina Maria Renin’ny Apostoly sady mpiaro manokana an’i Madagasikara koa anie hivavaka ho antsika tsy handraraka ilo mby an-doha.

 

Dia mitso-drano anareo ao amin’i Jesoa Kristy, izahay Ray aman-dReninareo. Hirotsaka amintsika mianakavy anie ny fahasoavana sy ny Fanahin’izy Tompo.

Ny Fiombonam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0676