FANAMBARANA CEM 2007

FANAMBARANA AVY AMIN’NY FIVONDRONAM-BEN’NY EVEKA

ETO MADAGASIKARA (EKAR) MANOLOANA NY FIAINAM-PIRENENA

1 - Tafavory teto Antananarivo ny Evekan’ny Madagasikara noho ny fanamasinana an’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa koa dia mamerina etoana ny fiarahabana ny diosezy: ary misaotra an’Andriamanitra noho Izy nanome mpiandry ondry ny diosezin’i Miarinarivo; ny hamaroan’ny olona sy fiombonam-bavaka teo dia mampiharihary fa velona marina ny Fiangonana katolika

2 - Fotoana nifampizarana ny vaovao manerana an’i Madagasikara koa izany ary nahatsapanay, fa nitombina ny ahiahinay tamin’ny taratasy nalefanay tamin’ny 23 fevrie 2007

¤ Ambany dia ambany ny taha-pahavitrihana tamin’ny referendum satria tsy nazava tamin’ny olona ny anton-javatra hisafidianana na teo aza ny fiezahana hanazava

¤ Teo koa ny fahasahiranana sy ny voka-dratsin’ny rivo-doza: zava-maika kokoa ho an’ny olona ny hahita hanin-kohanina sy toeram-pialofana toa izay handeha hifidy

¤ Mbola mampametra-panontaniana ny maro ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo

¤ Mampikaikaika ny be sy ny maro, indrindra ireo zanantsika mpianatra amin’ny université ny delestage lavareny amin’ny faritra maro; ka nahatonga fihetsikehena tetsy sy teroa.

3 - Manoloana ireo fahasahiranana ireo dia tianay ho marihina eto fa tsy famahana olana velively ny fampiasana herisetra sy fampihorohoroana, na avy aiza na avy aiza, vao mainka aza manarona na mampihombo ny olana ireny; ary melohinay ny fandrangitana ny adim-poko izay manimba sy mandrava ny firaisam-pirenena

4 - Nanaitra ny besinimaro ary nanohina sy nandratra ny kristianina katolika manerana an’i Madagasikara ny fomba nandroahana an’i Mompera Sylvain Urfer.

¤ mova tsy olon-dratsy

¤ tsy mba nisy akory fifanantonana - endriky ny fifanajana - tamin’ireo ambaratongam-pitondrana misy ato amin’ny Fiangonana Katolika

¤ Marina fa manana ny fiandrianany ny Firenena, nefa eo koa ny hasina sy ny zo maha-olona ny tsirairay. Miombona tanteraka amin’ireo Masoivom-Pirenena naneho ny tsy fankasitrahany ny tsy fanajana ny zo aman-kasin’ny olombelona ny EKAR.

5 - Adidin’ny Fiangonana ny mitory ny Evanjely sy mampandroso an’i Madagasikara. Anisan’izany ny misionera, ary tianay ny mankasitraka azy etoana. Vaindohan-draharahan’ny Fiangonana ny mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ary miandany mandrakariva amin’ireo madinika indrindra, ka tsy maintsy miteny izy - na misionera vahiny na misionera zanatany - raha voatohitohina ny zo aman-kasin’ireny madinika verezin-jo sy poretina ireny; ary làlan’ny fitoriana ny Evanjely izany amin’ny maha-mpaminany azy, fa tsy fitsabahana velively amin’ny raharaham-pitondram-panjakana.

6 – Nisy ny teny nataon’ireo iraky ny Fitondrana tamin’ny fety tany Miarinarivo iny, mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra mahomby sy fifanajana eo amin’ny Fanjakana ny ny EKAR

Ka vonona izahay handre ny fanazavana atolotry ny Fanjakana momba ireny fihetsika sasantsasany mampiseho tsy fatokisana ny Eglizy katolika ireny

7 - Koa manantena izahay fa hisy fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra ary fampiharana marina tokoa ny 3 P izay ambara ombieny ombieny nefa toa tsy mbola ampiharina.

Miankina amin’izany ny endriky ny fiaraha-miasan’ny EKAR amin’ny Fanjakana.

Antananarivo anio 21 mey 2007

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222