Fanambarana avy aminay ato amin’ny diosezy Fianarantsoa.

Ho antsika vahoaka sy mponina eto an-tanàna Fianarantsoa renivohitra.

Mandray tànana antsika, ary miara-miondrika amin’izao patsa iray tsy omby vava izao.

Arak’izay voalazan’ny mpaminany Ezekiela, 2,7, anirahana ny zanak’olona, hoe lazao aminy ihany ny teniko na hihaino izy ireo na tsy hihaino.

Mby an-koditra eto amintsika koa ity faharavana ity androany. Miombona alahelo aminareo manana ny maty , ary mankahery. Hitanay koa ianareo maratra, Mankahery manokana anareo, mirary fahasitranana malaky.

Ka eto isika mianakavy, tsy an-kanavaka, tafiditra amin’ny loza, sy ny atambo isika, ka tsy ifanilihana sy ifampisitasitahana intsony, fa tsy maintsy hiara-mitady ny làlan-kizorana. Tsy misy afaka hanome rariny na oviana an’izay minia mamono sy mandatsaka aina. Na dia sarotra aza ny mifanatona sy mifampidinika am-pilaminana; na dia samy hafa aza ny fomba famosahana ny ao am-pony ; dia aoka mba samy ho tony isika.

Ary dia manao antso avo manokana izahay, mba samy hitodika amin’ Andriamanitra ; hangataka ny fiadanana ho an’ity Firenentsika ity. Hilamina sy handry fahalemana.

Mitondra antsika rehetra am-bavaka, ary homban’ny tsodranon’Andriamanitra Ray be fifiavana anie isika mianakavy.

Fianarantsoa, anio 27 fevrie 2009

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912