Antso ho an’ny feon’ny fieritreretana

Antso ho an’ny feon’ny fieritreretana

“…Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra; far aha izahay dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay hitanay sy renay” (Asa Ap.4,19-20)

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Efa be ny fanambarana nataonay Eveka. Tsy nitsahatra nitady vahaolona koa izahay, niasa mangina mba ho an’ny vahoaka sy ny firenena. Arakaraka ny ezaka natao anefa toa vao mainka koa mikorosy miharatsy ny toe-draharaha: ny fianakavana mifandrafy , ny fiaraha-monina mifampiahiahy sy mifandrahona, noho ny tsy fahitana ny finiavana marina hanatsara ny filaminam-bahoaka eo anivon’ireo tompon’andraikitra.

Raisinay adidy hatrany ny miantso ny fo amam-panahintsika kristianina zanaky ny fiangonana sy ireo tsara sitra-po rehetra amin’ity taratasy ity, na inona na inona sehatra misy antsika, na inona na inona firehana misy.

Mbola mitohy ny fisian’ny ra latsaka sy aina afoy. Miara-kory amin’ireo namoy havana sy naratra ary mankahery azy ireo izahay. Averinay etoana fa toherina sy melohina tanteraka ny herisetra na avy aiza na iza manao izany. Manan-kasina ny aina ary Andriamanitra irery no Tompony. Tsy azon’ny saina ekena eto amin’ity tanindrazantsika ity ny fandatsahan-dra mpiray tanindrazana na inona na inona antony.

Takiana sy tsy ekena velively ny fanosihosena ny zo aman-kasin’ny mpiara-belona amin’ny fanakanana azy ireo tsy haneho ny heviny an-kalalahana, indrindra ny fanosihosena ny zo fototra hahazo vaovao marina sy mitombina eto amin’ny firenena noho ny fanembatsembanana ny haino aman-jery sy ny filazam-baovao sasany. Etsy ankilany anefa misy ny haino aman-jery avala malalaka hamporisika fifandrfesana sy fifamonoana.

Toherina ny jadona ary melohina ny fanenjehana ny olom-pirenena noho ny fanehoan-keviny. Tsy ekena ny fifampihantsiana sy ny fanenjehana an’elakelan-trano mampihorohoro ny tsy manan-tsiny. Tsy rariny ary melohina ny fandrobana ny fananan’ny mpiara-belona.

Lasa laharam-pahamehana ny fihaonam-ben’ny Firaisam-be Afrikanina sy ny SADC noho ny fijerena akaiky ny fiainam-pirenena Malagasy ka zary manitsakitsaka ny fiainam-pirenena izany sady mamery hasina ny foloalindahy.

Izany indrindra no hanaovana antso amin’ny manam-panahy tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy miseho eto amin’ny firenena na iza na iza mamporisika izany. Hiady amin’ny herintsika manontolo isika mba tsy hamela ny ratsy hahazo vahana eo anivon’ny fiainantsika sy ny isam-batan’olona.

Mila mijoro amin’ny finoana sy ny fahamarinana isika. Tsy safidy politika izany. Tsy tokony ho fiandaniana fa fiainana ny batemy noraisintsika, fototry ny maha-zanak’Andriamanitra.

Tianay ny mizara ny ahiahianay Ray aman-dreninareo amin’izao toe-draharaha izao, satria toy ny mivarotra ny fanahintsika amin’ny ratsy isika raha toa mamono ny feon’ny fieritreretana eo anatrehan’ny tsy rariny sy ny karazam-pahotana mamono ny fahintsika. Mbola tsy sasatra izahay ny manao antso avo aminareo anareo polisy sy zandary ary miaramila : mijoroa amin’ny fitokisana apetraky vahoaka aminareo hiaro azy sy ny fananany araka ny sata mifehy anareo.

Amafisinay ny fanohanana ny fanohizana ny dinika tarihin’ny FFKM tohanan’ny Firenena mikambana itadiavam-bahaolana amin’izao fahasahiranana izao.

Samia ary mikolokolo ny fanahy maha-olona sy maha-zanak’Andriamanitra, hampitombo ny vavaka ataontsika ho an’ny fibebahana marina, indrindra amin’izao karemy izao. Misy fomba maro azo tanterahina miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isaky ny diosezy, isam-piangonana, isam-pikambanana sy isam-baomiera amin’izany. Koa manentana antsika indrindra mba hijoro ho fanasina sy fahazavana ho an’ny firenentsika.

Alao hery àry fa ny adidy tsy an’olon-dratsy ary ny firaisankinantsika no hery. Mirary antsika rehetra ho tahin’Andriamanitra.

Mgr Fulgence Rabemahafaly, Filohan’ny Fiombonam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099