Amin'izao fetin'ny fiketrahan'i Md Piera ny asabotsy 22 febroary 2025 izao, izay fiketrahan'ny Ray Masina Fransoa amin'ny maha Evekan'i Roma azy, dia hivavaka miaraka ho an'ny Papa Fransoa isika mba hananany fahasalamana arak'izay sitrak'Izy Tompo hitantanany ny Eglizy Masina Katolika. Arak'izany dia entanina isika mianakavy isa-diosezy hanantontosa fotoana iombonana hivavahana ho azy amin'ny alalan'ny Lamesa, fitsaohana ny Sakramenta Masina, Sapile...
Misaotra antsika rehetra miombom-bavaka ho an'ny Papa Fransoa amin'izao taon-jobilin'ny fanantenana izao. Manantena isika fa homen'Andriamanitra azy ny fahasalamana izay angatahintsika amim-pinoana.
Mitso-drano antsika rehetra.
Natao teto Antananarivo ny 20 febroary 2025
Mgr Fabien RAHARILAMBONIAINA
Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara