Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, Evekan'i Tolagnaro vaovao

Araka ny vaovao nivoaka androany 5 desambra 2023 dia notendren'ny Papa ho Eveka vaovaon'i Tolagnaro i Monsenera Luc Olivier Razafitsimialona. Izy no hisolo an'i Monsenera Vincent Rakotozafy izay neken'ny Papa handeha hisotro ronono noho ny fahanterana araka ny fangatahany.

Mpampianatra, mpanabe sady Econome ao amin'ny Seminera Zokiny ao Vohitsoa Fianarantsoa i Mgr Luc Olivier izao voatendrin'ny Papa ho eveka izao. Andraikitra izay niantsorohany nanomboka ny taona 2019.  

Teraka ny 10 ôktôbra 1969, tao Ambovombe Ambositra, i Mgr Luc Olivier. Nanomboka ny fiofanana ho pretra tao amin’ny Seminera zandriny tao Farafangana izy ny taona 1980. Nanohy izany tao amin’ny Seminera zandriny tao Antsirabe ny taona 1984.

Niditra teny amin’ny Seminera zokiny Vohitsoa Fianarantsoa izy taorian'ny nahazoany ny mari-pahaizana bakalôrea ny taona 1989 niatrika ny fianarana ny filôzôfia hatramin'ny 1993. Nanao ny fihofanana atrik'asa roa taona izy ary niverina teny Vohitsoa indray nanao ny téolojia nandritra ny 3 taona. Nohamasinina ho diakra tao Ihosy izy ny 19 aprily 1998, ary pretra ny 9 aogositra 1998.

Nanohy ny fandalinana ny teôlôjia teny amin’ny Institut Catholique de Madagascar izy, ary nahazo ny mari-pahaizana “licence canonique” ny 27 jona 2000. Nandranto fianarana tany Fribourg Suisse izy ny taona 2005 ka hatramin’ny 2009. Niverina tany amin’ny oniversite tao Fribourg izy ny taona 2015 ka hatramin’ny 2018 ka nahazo ny mari-pahaizana doctorat momba ny teôlôjia.

Maro ny andraikitra sy ny asa pastôraly nosahaniny. Notendrena ho vikera tao amin’ny paroasy Katedraly Ihosy izy ny taona 2000, sady lefitry ny rektoran’ny Seminera zandriny. Herintaona taorin’izay dia notendrena ho rektoran ny Seminera zandriny no sady mpiara-dia amin’ireo seminera zokiny ao amin ny Diôsezin’Ihosy. Ny taona 2004, ankoatra ny maha rektoran’ny seminera zandriny azy dia notendrena ho curé tao amin ny Katedraly no sady mpiara-mitantana ny onjam-peo diôsezanina “Radio AVEC”. Ny taona 2008, notendrena ho vikera jeneraly, ary mbola nitana ny anadraikitra tao amin’ny Katedraly sy ny tao amin’ny Radio AVEC. Voafidy ho Admnistrateur diocésain izy ny taona 2010, rehefa notendren’ny Ray masina ho Evekan’Antsirabe i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan’Ihosy. Notendren’i Mgr Fulgence Razakarivony hanohy ny maha vikera jeneraly sy ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny katedraly sy ny Radio AVEC izy ny taona 2011. Niandraikitra ny aomôneria ny hôpitaly tany Fribourg Suisse i P. Luc Olivier ny 2015 ka hatramin’ny 2018.

(Loharano RDB)

Ireo Eveka nifandimby nitondra ny Diosezin'i Tolagnaro

  • Jean-Jacques Crouzet, C.M. † (16 Jan 1896 - 8 Jan 1933) 
  • Antoine Sévat, C.M. † (8 Jan 1933 - Oct 1952)
  • Alphonse-Marie-Victor Fresnel, C.M. † (4 Mar 1953 - 26 Sep 1968)
  • Jean-Pierre-Dominique Zévaco, C.M. † (26 Sep 1968- 24 Apr 2001)
  • Vincent Rakotozafy (24 Apr 2001 - 5 Déc 2023)
  • Luc Olivier Razafitsimialona (5 Dec 2023 - )

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096