Hafatry ny Eveka ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona

HAFATRY NY FIVONDRONAM-BEN’NY EVEKAN’I MADAGASIKARA
“NY ASAN’NY MAZAVA DIA NY SOA, NY FAHITSIANA ARY NY FAHAMARINANA” (Ef 5,9)
 
Ho antsika rehetra mpiray Tanindrazana
 
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
 

01. Ny fiadanana nomen’i Jesoa tafatsangan-ko velona ny mpianany no entinay Eveka Raiamandreninareo iarahabana anareo indray amin’ity hafatra ampitainay aminareo ity. Tsy sasatra izahay ny mankahery sy mitondra am- bavaka hatrany ny fiainantsika Malagasy izay nataon’Andriamanitra ho fianakaviana iray miara-dia eto amin’ity tanindrazana malalantsika ity.

HAFALIANA SY FANANTENANA

02. Mampisaotra an’Andriamanitra ireo fahasoavana arotsany ho antsika, na ato amin’ny Eglizy na eto amin’ny firenena. Eo amin’ny fiainan’ny Eglizy dia hafaliana nampiombona antsika ny fitohizan’ny fanendrena Eveka nandritra ity taona ity: Mgr Luc Olivier Razafitsimialona ho an’ny diosezin’i Tolagnaro, Mgr Jean Désiré Razafinirina ho an’i Morombe, Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho an’i Miarinarivo, ary Mgr Clément Herizo Rakotoasimbola ho an’i Maintirano. Natokan’ny Papa Fransoà ho “Taonan’ny vavaka” ity taona 2024 ity, ka ezahintsika ny manamarika azy amin’ny fandalinana sy hetsika maro atao isan’ambaratongany. Anisan’izany ny Kongresy eokaristika izay hatao any Antsiranana ny 23 ka hatramin’ny 25 aogositra 2024. Ny lohahevitra dia hoe: “Ny fihavanana no hanasitrana an’izao tontolo izao. Mpiray tampo avokoa ianareo rehetra”. Mamohafoha ny anjara toeran’ny vavaka, indrindra ny Eokaristia “loharano sy ivon’ny fiainana kristianina”1 katolika, sy ny hasarobidin’ny fihavanana, soatoavina mampiavaka ny Malagasy izany. Io taonan’ny vavaka io no mampiditra antsika amin’ny taon- jobily faha-2025 taonan’ny nahatongavan’i Jesoa ho olombelona tahaka antsika. Manentana ny taon-jobily ny lohahevitra hoe: “Mpivahinin’ny fanantenana”. Satria tsy mitsahatra mamelona sy manavao ny fanantenana ao amintsika Ilay Zanak’Andriamanitra tonga mamangy antsika, ao anatin’ny fahasahiranana sy ny ngidim-piainana zakain’ny Malagasy sy ireo zanak’Andriamanitra maro. Mifampizara ny manta sy ny masaka amintsika Izy ato anatin’ny Eglizy miara-dia izay mahatonga antsika hifanolo-tanana sy hiara-miatrika izay mitranga.

03. Raha ny fiainam-pirenena indray no todihana dia hita ny fitohizan’ireo fananganana fotodrafitrasa amin’ny faritra maro; ny firaisan-kina sy ny fifampitsimbinan’ny samy Malagasy nandritra ireo loza voajanahary namely ny tanintsika; ny fitondram-panjakana koa moa nanao izay ho afany amin’ny fanampiana sy ny fanarenana haingana izay azo narenina mba hitohizan’ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Ao am-ponay ireny ka ankaherezanay sy itondranay am-bavaka hatrany ireo tra-boina. Mampalahelo koa anefa ny fanararaotana nisy tao anatin’ireny fotoana ireny sy ny fitantanana sadasada ny fanampiana ireo tra-boina. Tsy odian-tsy hita koa ireo ezaka atao amin’ny fiarovana ny Tranobe iombonana, indrindra ny fambolen-kazo. Ireo sehatra tsy miankina moa dia tsy mijanona amin’ny fambolena fotsiny, fa mitohy amin’ny fanaraha-maso.

ALOKA EO AMIN’NY FIAINAM-PIRENENA

04. Namoaka hafatra ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana (Justice et Paix) tamin’ny 11 avrily 2024, manadihady sy mikaro-kevitra ho an’ny fiainan’ny vahoaka. “I Jesoa no Fihavanantsika, ary ny Fihavanana no hanasitrana an’izao tontolo izao … satria mpiray tampo isika”, hoy ny lohatenin’io hafatra io. Ampirisihinay ny hiverimberenana mamaky sy mandinika io hafatra io. Izahay ato amin’ny Fivondronamben’ny Eveka koa dia efa nampita ary mbola hampita hafatra maro. Apetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe: Inona no vokatr’ireo hafatra nampitaina hatramin’izay, na ho an’ny mpitondra na ho an’ny vahoaka, indrindra ho an’ny kristianina? Hatao ahoana ny hamadika ireny hafatra ireny ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana marina sy maharitra an’i Madagasikara malalantsika? Firy no mahatsiaro tena fa miantefa aminy ny hafatra?

05. Tsy ho sasatra izahay Eveka ny hiteny, tsy ho sasatra izahay ny hampahatsiahy, satria adidinay ho an’ny firenena izany. Ny fahendren- drazantsika koa dia mampirisika anay, araka ny fomba fiteny hoe: “Ny tany misy olobe, tsy miady zaza”. Milaza miara-mahita izahay raha mbola mamerina indray fa mitombo ireo olona vitsy an’isa miondana vola sy harena tsy fanta-piaviana; mitombo toy izany koa ireo maro an’isa milentika hatrany ao anatin’ny fahantrana lalina. Mirimorimo tokoa ny fidangan’ny vidim-piainana; mbola maro ireo faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana; mihapotika hatrany ary tsy misy fanamboarana ireo lalam-pirenena maro. Mitohy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, na ny fitrandrahana izany na ny fanondranana. Tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fifampihainoana. Baranahiny ny famokarana sy fivarotana ary fidorohana zava-mahadomelina. Ny olan’ny JIRAMA moa dia toa arakaraka ireo fitarainana ataon’ny vahoaka sy ny fampanantenana ataon’ny mpitondra no vao mainka mampihitsoka azy.

ANTONY LEHIBE MISONGADINA

06. Hamafisinay hatrany àry fa ny kolikoly no anisan’ny antony voalohany mampahantra an’i Madagasikara. Mihamahazo vahana hatrany anefa ity aretina ity eto amintsika. Manomboka any amin’ny ambaratongam-pitondrana akaiky ny vahoaka indrindra izany ary tonga hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Matetika no misy olona ambony sy mpanam-bola tsy azo ivalozana mibaiko azy ireny. Saika ny seha-piainana rehetra mihitsy no tafiditry ny kolikoly sy gejainy mafy, eny fa na dia ao amin’ny Eglizy aza. Najoro daholo ireo rafitra miady amin’ny kolikoly; asa anefa na natao ho an’iza izany? Toa tsy misy zavatra vita raha tsy mandalo kolikoly na tsolotra. Takona tanteraka ny lalàna eo anatrehany. Toa lasa rafi-piarahamonina ifampitondrana eto amintsika aza ny kolikoly. Ary ireo te hitsipaka sy hanohitra izany dia iharan’ny tsindry, ny fampitahorana, ny fisamborana, ny famoronana antony hanenjehana azy … atahorana ho tonga hatramin’ny fifofoana ny ainy mihitsy aza. Mampiraviravy tanana ny tsara sitrapo izany. Vokatr’izany dia mahazo vahana ny tsy fanarahan-dalàna, nefa dradradraina ny hoe tany tan-dalàna.2

07. Sakana iray lehibe amin’ny fampandrosoana koa ny tsy fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mivangongo any amin’ny foibe ny fakana finiavana sy ny fametrahana ny tetik’asa sy ny lamin’asa. Hany ka manjary mpiandry baiko sy fandaminana fotsiny ny any ifotony. Izany no anisan’ny miteraka ny toe-tsaina miandrandra fitondrana mandrakariva, na dia adidy tokony ho vitan’ny any an-toerana aza. Ny fifampihainoana rahateo moa tsy misy, na dia zavatra marina sy mahasoa no ambaran’izay miteny, indrindra raha voasokajy ho mpanohitra na tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra izy ireo. Tsy hahasoa ny firenena mihitsy ny fifampiheverana ho fahavalo. Manampy an’izany koa ny tsy fisian’ny drafi-pampivoarana mazava sy mijery izay laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka. Maro ireo fotodrafitrasa ajoro no tsy mamaly ny tena filana maika, na tokony hatao any ambanivohitra mbola tsy misy an’izany mihitsy. Ny tena maika ho an’ny vahoaka dia ny hohaniny sy hitafiany, ny fianaran-janany, ny fahafahany miahy ny fahasalamany, ny jiro sy ny rano hosotroiny, ny fahitany asa hivelomana … Ireo no andrasany hataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana. Tokony ho efa fantatry ny mpitondra izany, fa ny drafitra sy tetika entina miasa no tsy misy. Mila mpitondra mahalala sy manaiky hobaikoin’ny filan’ny vahoaka araka ny laharam-pahamehany i Madagasikara. Tsy amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ihany no hisehoana sy hanaovana resaka momba izany, fa mandritra ny fotoam-pitondrana.

08. Ady varotra mitohy sy mivaivay ny momba ny tontolo iainana. Tsy maintsy hanao azy ho laharam-pahamehana ny vahoaka sy ny mpitondra. Tontolo iainana kanto sy voakolokolo no ilaina sy mampisy endrika an’ireo fotodrafitrasa ajoro etsy sy eroa. Misy akony hatrany amin’ny fotoam- pambolena sy ny vokatra azo ny fiovaovan’ny toetrandro, araka ny tsiahivin’ny Vaomieran’ny Fahamarinana sy ny Fiadanana3. Misy akony amin’ny fahasalamana sy ny asa ihany koa. Ny tsy fampiharana ny lalàna momba azy no anisan’ny manome vahana ny fanapotehana ny tontolo iainana. Ity tsy fampiharana ny lalàna velona ity dia mampivaona zavatra maro amin’ny fiainam-pirenentsika.

ZO AMAN-KASIN’NY OLOMBELONA

09. Heverinay fa fotoana koa izao hanazavana ny hevitry ny Eglizy katolika momba ny toe-javatra roa izay mampametra-panontaniana ny maro hatramin’izao, dia ny lalàna momba ny famosirana ireo mpanolana, sy ny fampirisihana ny fandrindram-piterahana eto amintsika. Momba ny lalàna manasazy ireo nanao fanolanana, amin’ny alalan’ny famosirana: ekena fa heloka be vava ny fanolanana na ny fanararaotana amin’ny endriny hafa; ary manameloka tanteraka an’izany ny Eglizy, miombom-po sy mankahery ireo niharan’ny fanolanana; ary mitaky ny fiahiana manokana an’ireo voaolana. Raha ny lalàna efa nisy anefa no nampiharina ara-drariny sy itovizan’ny rehetra, ka nanasaziana ireo nanao heloka, dia tsy ho tonga amin’ity lalàna hafahafa ity isika. Tena vahaolana hahafoana ny fanolanana ve izany? Na ny fampianaran’ny Eglizy na ny fanambarana ny zon’olombelona, na ny lalàna misy eto Madagasikara, dia miray feo manambara fa mifanohitra amin’ny hasina maha-olona ny fampijaliana ampiasana herisetra. Masina ny vatan’olombelona amin’ny maha-asan-tanan’Andriamanitra azy ary efa navotan’i Kristy, ka tsy misy manam-pahefana aminy, na dia ny lalàna aza.4 Ny olombelona manao ny lalàna manohintohina ny vatan’olombelona dia te haka ny toeran’Andriamanitra. “Ny olona mihambo haka ny toeran’Andriamanitra (anefa), hoy ny Papa Fransoà, dia manjary loza mitatao ho an’ny tenany ihany”5, ary indrindra ho an’ny firenena.

10. Tianay hasiana resaka koa ny fandrindram-piterahana izay ataon’ny fitondram-panjakana fandaharan’asa sy laharam-pahamehana mihitsy aza ankehitriny. Safidy sy sitrapon’ny mpivady malalaka tsara ny manapa-kevitra hiteraka, ary andraikiny ny zaza aterak’izany safidy sy sitrapo izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary no mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy katolika, satria manaja ny hasina maha olona. Ampirisihin’ny Eglizy ny fampiofanana sy fanabeazana momba azy io.6 Mampieritreritra ilay tenin’ny Papa Fransoà hoe: “Ireo te hanatsotsotra zavatra dia manilika ny andraikitra any amin’ny mahantra noho izy ireo maro anaka, ary mba hamahana ny olana dia anesorana taova ny vatan’ny vehivavy any amin’ny firenena mahantra. Toa ny mahantra mandrakariva no diso. Ny zava-misy anefa dia ny vitsy an’isa amin’ireo mpanan-karena eto amin’izao tontolo izao no mandoto ny tontolo iainana raha mitaha amin’ny antsasaky ny mponin’ny tany izay mahantra, ary ny fandotoana isaky ny mponina any amin’ny firenena manan-katao dia mihoatra lavitra ny an’ny firenena mahantra”7

MIFIDY AN-KALALAHANA

11. Momba ny fifidianana dia mbola azo iverenana ny hafatra nataonay tany aloha (mey sy novambra 2023)8. Fototra iorenan’ny fiandrianam-pirenena ny fanehoan’ny vahoaka ny safidiny amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato. Ny fanarahan’ny rehetra ny lalàna no miantoka fifidianana hametraka fanjakana azo itokisana. Aoka ho mendrika hitokisana ianareo mpilatsaka hofidiana amin’ny tsy fivadihana amin’ny teny natao; toy izany koa ny fahalalana izay tena maika ho an’ny vahoaka, araka ny efa voalaza teo aloha9. Mila mahay manao fifaninanana madio sy mihaja ireo mpilatsaka hofidiana, fa tsy hifampitondra toy ny mpifahavalo; ary ny mpifidy dia ho mailo hatrany mba tsy ho latsaka amin’ny vela-pandrika isan-karazany, toy ny tolotolotra avy amin’ireo mpilatsaka hofidiana. Olona hiaro azy no ilain’ny vahoaka ao anatin’izao hasarotam-piainana mangeja azy izao. An-kalalahana tanteraka, tsy voafatopatotra, no handehanan’ny vahoaka mifidy. Io no fotoana fanehoana ny fahendrena mahay manavaka sy mitsinjo lavitra. Antenaina fa ao anatin’ny fifanajana sy filaminana no hanatanterahan’ny vahoaka ny fifidianana sy handraisany ny vokany.

FEHINY

12. Ny fanabeazana sy ny fiofanana no tsy maintsy hamafisina, manomboka any amin’ny fianakaviana ka hatrany amin’ny andraikitra sahanina. Tsy mitsahatra izahay misarika ny saina amin’ny hijerena akaiky ny fanabeazana sy ny fampianarana. Mamaly an’izany ve ny fandaharam-pianarana sy ny mpandraharahan’ny fanabeazana ary ny fotodrafitrasa?

 Eto am-pamaranana dia tsy hainay ny tsy hisaotra sy hankahery ireo tsara sitrapo manao ny adidiny amin-kitsimpo hatrany na dia iaretany ny mafy aza izany. Mitondra am-bavaka ny fianakaviana tsirairay sy ny tanindrazantsika ary izao tontolo izao mangetaheta fiadanana sy famindrampo.

Ny fankalazana ny fidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly amin’ny Pantekoty anie hankahery antsika hatrany sy handrotsaka ny tsodranon’Andriamanitra amintsika, noho ny vavaka ataon’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara sy Md Josefa ary ireo Olomasina sy Olontsambatry ny tanintsika.

Natao teto Antananarivo, 09 mey 2024
Fankalazana ny Fiakaran’ny Tompo any an-danitra
 
_______________________
1 Katesizin’ny Fiangonana katolika (KFK), 1324; Fiangonana fahazavan’izao tontolo izao (FF-LG), 11.
2 Jereo koa JUSTICE ET PAIX, Jesoa no Fihavanantsika, I.1-7
3 Jereo JUSTICE ET PAIX, Jesoa no Fihavanantsika, I.6
4 Jereo Fiangonana manoloana ny andro ankehitriny (FAA-GS), 27; KFK, 2297-2298 ; Dignitatis infinita, 18-
20. 34; Fanambarana ny zon’olombelona, and. 5; Lalàna 2008-08 (25.06.2008)
5 FRANÇOIS, Laudate Deum, 73.
6 KFK, 2270.
7 FRANÇOIS, Laudate Deum, 9.
8 FEM, « Inona àry no hataonay? » (Lk 3,10), 18 may 2023; « Nikely aina mandrakariva aho mba tsy hotsinin’ny fieritreretako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona » (Asa 24,16), 9 novambra 2023.
9 Jereo lah. 7.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101