Evekan'i Morombe Mgr Razafinirina Jean Désiré

Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’i Morombe, i Mompera RAZAFINIRINA Jean Désiré, izay rekteran’ny Seminera Zokiny Md Joany Batista ao Vohitsoa ankehitriny

Iza moa i Mompera Razafinirina Jean Désiré?

Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo – Atsimo - Toliara II, izy
Pretra diosezanin’ny Diosezin’i Toliara
Nohamasinina ho diakra ny 7 jolay 2002 tao Andranovory
Nohamasinina ho pretra ny 10 aogositra 2003 tao Manombo – Atsimo

TOY IZAO NY FIANARANA NORANTOVINY :

• Ny taona 1994 hatramin’ny 1997 izy dia nianatra ny Filozofia tao amin’ny Seminera Zokiny Vohitsoa
• Avy eo, ny taona 1999 hatramin’ny 2002 : Nianatra ny Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny Vohitsoa
• Nanohy fianarana tao amin’ny PONTIFICIA UNIVERSITÀ URBANIANA - ROMA izy ny taona 2007 hatramin’ny 2010 ary nahazo ny diplaoma Licence en Droit Canonique

IRETO KOSA NY TOERANA NANAOVANY ASA PASTORALY :
a. Tao amin’ny Diosezin’i Toliara :

• 2003 – 2004 : Mpampiofana tao amin’ny Seminera Zandriny ao Toliara sady niasa tao Andranovory.
• 2004 – 2005 : Mpampiofana tao amin’ny Seminera Zandriny ao Toliara sady vikera tao amin’ny Katedraly.
• 2005 – 2007 : Curé-n’ny Paroasy « Notre Dame de l’Assomption » ao Sakaraha
• 2010 – 2013 : Curé-n’ny Paroasy « Saint Vincent de Paul », Katedraly – Toliara
• 2010 – 2013 : Mpikambana tao amin’ny Collège des Consulteurs Diosezin’i Toliara.

b. Tao amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa :

• 2013 – 2017 : Mpampiofana tao amin’ny Seminera Zokiny « Masindahy Joany Batista » ao Vohitsoa
• 2017 – 2024 : Rekteran’ny Seminera Zokiny « Masindahy Joany Batista » ao Vohitsoa
• 2013 hatramin’izao nanendrena azy izao : Mpampianatra ny taranja Droit canonique ao amin’ny Seminera Zokiny ao Vohitsoa

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0614