Evekan'i Maintirano vaovao

Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’i Maintirano i Monseigneur RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, avy ao amin’ny Fikambanana Pères Missionnaires de Notre Dame de la Salette, vikera délégué ho an’ny administratera apostolikan’ny Diosezin’i Maintirano ankehitriny.
Iza moa i Monseigneur RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo
Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso –Ambohimanga (Rova)
Ao Sabotsy Namehana, Diosezin’Antananarivo no fiaviany

Ny dingam-piainana nolalovany

  • 1999 hatramin’ny 2002, Fianarana Filozofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo
  • 2005 hatramin’ny 2008, Fianarana Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny Faliarivo Antananarivo
  • Ny 18 septambra 2008 : Niditra tao amin’ny Congrégation des Missionnaires de Notre Dame de La Salette
  • 2008 sy 2009, Stage pastoral sy postulat tao amin’ny Centre spirituel Antsahasoa
  • 2009 sy 2010, Novisy tao Antsahasoa
  • Ny 17 septambra 2010, Voady voalohany tao Antsahasoa
  • 2010hatramin’ny 2012, Fianarana Teolojia second cycle tao amin’ny UCM (nahazoana ny Master en Ecritures Saintes)
  • 2012 sy 2013, Stage pastoral tany Ankavandra
  • 2013 sy 2014, Stage pastoral tany Mandoto
  • 2014 et 2015, Junioriste tany Antsahasoa
  • Ny 26 jolay 2015, Voady mandrakizay tany La Salette France
  • Ny18 septambra 2015, nohamasinina ho diakra tany Antsahasoa
  • 2015 sy 2016, Stage diaconal tany Ankazomiriotra
  • Ny 30 jolay 2016, nohamasinina ho pretra tany Antsahasoa
Traikefa pastoraly
  • 2016- 2019 : Proviseur-n’ny Lycée Saint Michel Ankazomiriotra sady vikeran’ny Distrika
  • 2019- 2024 : Curé-n’ny Distrikan’Antsalova
  • 2021-2023 : Curé-n’ny Distrikan’Antsalova sady vikera jeneralin’ny Diosezin’i Maintirano
  • 2023 – Avril 2024 : Curé-n’ny Distrikan’Antsalova sady vikera délégué-n’ny administratera apostolikan’ny Diosezin’i Maintirano

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158