Evekan'Ambatondrazaka vaovao

Notendren’ny Papa Fransoà ho Evekan’Ambatondrazaka i Mgr HERIVONJILALAINA Orthasie Marcellin, pretran’ny Diosezin’Ambatondrazaka
Izy dia Reketeran’ny Seminera Zokiny Filozofia Masindahy François de Sales ao Toamasina
Toy izao ny momba azy
Teraka tamin’ny 13 septambra 1979 tao Morarano-Chrome Amparafaravola
Niditra tao amin’ny Seminera Zandriny Masindahy Piera Ambatondrazaka tamin’ny volana aogositra 1994.
1994-1995 : Année préparatoire
1995-1998 : Kolejy Saint Joseph Ambatondrazaka, Nahazo ny Bakalorea Série D
1998-1999 : Stage pastorale tao amin’ny Distrikan’Andilamena avy eo tao amin’ny Centre Sainte Thérèse Andranokobaka-Moramanga
1999-2002 : Niofana tao amin’ny Seminera Zokiny Filozofia tao Antsirabe
2002-2006 : Nianatra tao amin’ny Séminaire archiépiscopal-n’i Reggio de Calabre (Italie) – nahazo ny diplaoma Baccalauréat en théologie tao amin’ny Institut théologique Pie XI
Nohamasinina ho diakra ny 18 septambra 2005 – San Pantaleo (Reggio Calabria)
Nohamasinina ho pretra ny 21 janoary 2006 – Katedraly Reggio Calabria
2006-2008 : Vikera tao amin’ny paroasy Santa Maria Maddalena in Campo Calabro
2005-2007 : Nahazo ny mari-pahaizana Master en Bioéthique et Sexologie tao amin’ny École Supérieure de Spécialisation de Messine, unie par parrainage avec la Faculté de Théologie de l'Université Pontificale Salésienne de Rome
2008-2009 : Rekteran’ny Seminera Zandriny Masindahy Piera ao Ambatondrazaka – sady Vikera dominical tao amin’ny Distrikan’i Manakambahiny-Ouest.
2009-2011 : Nahazo ny mari-pahaizana Master en Fondements et perspectives d'une culture de l'unité, discours philosophico-théologique tao amin’ny Institut universitaire Sophia Loppiano-Florence, sady Vikera dominical tao Sant’Andrea Corsini Montevarchi (AR) – Diosezin’i Fiesole.
2011-2015 : Nahazo ny mari-pahaizana Doctorat en Fondements et perspectives d'une Culture de l'Unité à visée théologique Sady Vikera tao amin’ny Paroasy Santa Maria Regina di Matassino sy tao San Miniato di Montanino – Diosezin’i Fiesole.
2015-2021 : Mpanabe sady mpampianatra ny taranja Théologie systématique tao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Jean Marie Vianney ao Moramanga
2015-2018 : Animateur spirituel
2018-2021 : Préfet des études
2021- hatramin’izao : Rektera sady Préfet des études ao amin’ny Seminera Zokiny filozofia Saint François de Sales – Arsidiosezin’i Toamasina

(loharano: Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona - Madagasikara)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0187