Mb. Jeanne Françoise de Chantal

 

Teraka ny 23 Janoary 1572 tao Dijon i Françoise de Chantal. Filohan’ny Parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha 18 taonany izy no maty ny reniny, ka ny rainy ihany no nanabe azy. 
Teo amin’ny faha 20 taonany izy no nanambady an’i Christophe Baron de Chantal. Niteraka 6 mianadahy izy ireo, ny roa voalohany moa dia maty an-tanana, ny farany ihany koa dia mbola kely vao 10 taona no nindaosin’ny fahafatesana. Renim-pianakaviana mendrika sy tia vavaka i Jeanne Françoise, fa nanimba ny fony ny fahafatesan’i Christophe vadiny satria nisy namono tamin’ny taona 1601 ka lasa te hamalifaty sy hamoifo izany izy nandritran’ny fotoana nisaonany. 
Nahatsapa ihany izy taty aoriana fa lahatr’Andriamanitra izany ka nitady mpitantana am-panahy.Nitondra fijaliana tokoa izy nandritran’ny fotoana maharitra taorian’izany fahoriana nisesy taminy izany. Nivoàdy ny tsy hanambady intsony nefa izy na dia mbola vao 28 taona monja aza. Rehefa lehibe daholo ireo zanany dia nanoka-tena ho an’Andriamanitra izy. Ny taona 1610 no namonjy an’i Mgr François de Salle tany amin’ny Diôseziny i Jeanne Françoise ary nanorina fikambanana vaovao teo ambanin’ny fitarihana am-panahy an’io Eveka io. Nantsoina hoe ordre de la visitation Sainte Marie moa io fikambanana io. Fikambanana natokana hoan’ireo vehivavy manana toe-pahasalamana marefo. Nihitatra tamin’ny toerana maro anefa izany Ankohonampiainana izany, ka tao anatin’ny 19 taona dia efa nahatra ho 74 ny isan’ny trano naoriny. Nanomboka ny 1618 dia lasa Relijiozy mihiboka io fkambanana ordre de la visitation Sainte Marie io, araka ny fanapahakevitrin’ny Papa Urbain 8 sy efa fangatahan’i François de Salle rahateo. Nihitra hatrany ny fikambanana nanerana an’i France. Ny 13 Desambra 1641 no nodimandry teo amin’ny faha 96 taonany i Jeanne Françoise tao Moulin. 
Ny taona 2003 ny fiangonana no namindra ny anarany ho ankalazaina amin’ny datin’ny 12 Aogositra ny anaran’ ity olomasina ity.Ny hoe Chantal dia anarana fianakaviana Baron izy io. 

Loharano RDB

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103