Md. Samson - 28 jolay

Iray amin’ireo olomasina nanorina ny tanànan’i Bretagne i Samson. Voalaza fa teraka tany amin’ny faritr’i Clamorgan ankehitriny izy.Efa ela ireo ray aman-dreniny no naniry hanan-janaka ka zay vao nahazo azy. Anokanana ny fiainany amin’Andriamanitra misimisy kokoa dia nalefa tany amin’ny trano fitokana-monina izy. Mpianatr’i Masindahy Lideuté moa izy tamin’izany. Vitany ny nampiroso ny ray aman-dreniny ho amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina, ary izy no nitantana izany taorian’ny nahafatesan’i Abe Piéron izay mpitantana ny trano teo aloha. Nohamasinina ho eveka izy taty aoriana. Nitondra fanovana tsara tao Bretagne izy nandritra ny fotoana nahatao azy. Nodimandry ny taona 565 i Samson. Ao amin’ny Katedraly Masindahy Samson Brotagne no nandevenana azy. Maro ireo toerana mitondra ny anarany any Europe, ary maro koa ireo toerana misy fanajana azy ivelan’i Bretagne. Ny hoe Samson dia avy amin’ny teny Hebrio hoe “Simsun” midika hoe masoandro.
 
#‎olomasina_RDB‬
Nampidirin'i Kanto2

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099