Mb. Nathalie - 27 jolay

Masimbavy Nathalie dia ilay Maritiry tany amin’ny taojato faha-9. Maty novonoina niaraka tamin’ny vadiny izy. Mafy tokoa ny fanenjehana ny Kristianina tany Cordou tamin’izany andro izany ka raha mbola te ho velona dia tsy maintsy mifindra Musulman. Isan’ny niharan’izany
fanenjehana izany i Nathalie sy Aurel vadiny niaraka tamin’ireo havany hafa koa. Nijoro hatrany tamin’ny finoana Kristianina izy mivady ireo.
Nosamborina ny 27 Jolay 852 niaraka tamin'ny mpitoka-monina iray izy ireo. Notapahana niaraka ny lohany. Ny taona 858 dia nentina tany amin’ny Saint
Germain de Pris tany Paris ny Reliquen’izy ireo.
Ny hoe: Nathalie dia avy amin’ny teny Latinina hoe:
“Nathalis” midika hoe: fahaterahana.

Nampidirin'i Kanto2

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094