Md. Jacques Berthieu - 8 jona

Teraka ny 27 novambra 1838 tao amin’ny tanana kely atao hoe Montlogis tao Polminhac ao amin’ny Cantal tao Auvergne i Jacques Berthieu. Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniny izy no zokiny indrindra tamin’ireo fito mianadahy velona notaizan’izy mivady. Tao amin’ny seminera zandriny tao Pau izy no niantra talohan’ny niofanany ho pretra tao amin’ny seminera zokiny tao Saint-Flour.Tao amin’io diosezy io koa moa izy no nohamasinana ho pretra ny 21 mey 1864. Tao aorian’io fanamasinana azy ho pretra io dia notendrena ho vicaire tao Roanne-Saint-Mary izy. Naniry ho misionera anefa izy ka nangataka hevitra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ny 31 oktobra ny 1873 no niditra tao amin’ny novisia teo amin’ny faha-35 taonany tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa io. Nanohy ny fandalinana ny filôzôfia sy teôlôjia tao Vals izy. Ary ny fiarahany tamin’i mopera Henri Ramière no nampitombo fatratra ny fanajany ny Fo Masin’i Jesoa. Roa taona tao aorian’izay dia nalefan’ny lehibeny ho misiônera taty Madagasikara i Jacques Berthieu. Ny 1875 no niainga tao Marseille ka niazo ny nosy La Réunion, avy eo dia nianatra ny teny malagasy tao Sainte Marie. Ny 29 marsa 1888 dia voaroaka niala ny faritany frantsay ny Jésuites, 1881–1883 dia nanomboka niasa tany Ambahimandroso i Jacques Berthieu, tany izany no nanohizany ny fitoriana, ary nampianatra ny olona hiezaka amin’ny fahamasinana sy ho amin’ny fiombonana ary indrindra ny fanajana ny mariazy satria tsy azo vonoina ny mariazy. Rehefa niamafy ny adin’ny Frantsay sy ny Malagasy ny 1883 dia voatery niala ny tanana indray i Jacques Berthieu ka nankany Toamasina ary tao izy no aomônien’ny tafika. Ny 1886 i Jacques Berthieu no voatendry hitondra ny distrika tao Ambosita ka nampitombo ny toerana hahafahan’ny Fiangonana manao ny asa fanaovana pastoraly, ny fanabeazana an-tsekoly, anisan’ny nandaniany ny androny ihany koa ny fanofanana ireo katesista, ny fijerana akaiky ireo tokantrano imaso hiroso amin’ny Mariazy ary eo ihany koa ny fanitarana ny fambolena sy ny fiompiana hanampy ny olona amin’ny fampivoarana fivelomana ary ny fitsaboana ny boka.

Ny 1891 i Jacques Berthieu no nafindra tao Andrainarivo Anjozorofady avaratr’Antananarivo, nanahirana ny fiainana tamin’izany satria niseho ny ady teo amin’ny Fiangonana prôtestanta sy katôlika, nihamafy ihany koa ny fifandonana nisy teo amin’i France sy i Madagasikara, ka ny1894 dia lasa tany La Réunion indray i Jacques Berthieu, ary tsy niverina raha tsy ny desambra 1895 ka tao Ambatomainty izy no niasa. Nihanafana ny ady pôlitika sy ny fivavahana ka ny Menalamba dia nanohitra ny fivavahana kristianina satria noheverina fa fahefana frantsay izany kristianina izany. Ny volana mey 1896 àry, raikitra ny ady ka norahonan’ny Menalamba ny kristianina, nitady ny fomba hiarovana ny kristianina nentiny i Jacques Berthieu. Nentiny ireo kristianina hiakatra aty Antananarivo, ny 7 jona 1896 tamin’izay, notafihan’ny Menalamba izy ireo.

Nosamborina i Jacques Berthieu, nokapohina sy nampijaliana, nangataka izy mba hitsidika ilay fiangonana fanaovany Sorona Masina fa tsy navelan’izy ireo. Ny hany heriny raha nandalo teo izy dia nandohalika teo ambaravarana fotsiny nanao ny Rainay any an-danitra. Rehefa nanohy kely ny diany anefa izy tonga teo Ambiatibe dia tsy afa-namindra intsony. Nasain’ireo mpampijaly azy nandà ny fivavahana, nandà ny finoana kristianina i mompera Jacques Berthieu mba tsy ho vonoina nefa hoy izy hoe : “aleoko maty toy izay handà an’Andriamanitra”. Notifirin’izy ireo izy ny 8 jona 1896 ary navariny tao amin’ny renirano Mananara ny fatiny. Tao aoriana kelin’izay dia nisy tamin’ireo namono azy no nangataka atao batemy.

Ny 10 ôktôbra 1896 i Monseigneur de Saune, Vicaire apostolique, teto Antananarivo no nanomboka ny fanadiahadiana momba ny nahafatesan’i Jacques Berthieu. Ny 1933 ny Sacrée Congregation des rites no nanokatra ny fanadihadiana nantsoina hoe “proces de l’ordinaire” ary ny papa Paoly VI no nanambara ampahibemaso fa martiry i Jacques Berthieu ny 8 avrily 1964. Ary io papa io ihany no nanambara fa olontsambatra i Jacques Berthieu ny 17 oktobra 1965, izany hoe nandritra ny Kônsily faharoa an’i Vatican izany. Ny 19 desambra 2011 ny papa Benoît XVI no nanome alalana ny Congregation pour les causes des saints mba hamoaka ilay didy hitsivolana mankatoa ny fahagagana nataony. Ny 21 oktobra 2012 noho ny fankalazana ny andro manera-tany ho an’ny misionera no nambara fa olomasina i mompera Jacques Berthieu.

Loharano RDB.mg

Nampidirin'i tojoolivier

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.089