Md. Martial - 30 jona

Isan’ireo Olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria, mahatratra 23 ny Tanàna mitondra ny anarany. Maro ihany koa ireo Paroasy sy Fiangonana teo ambany fiarovany. Izy no Eveka voalohany tao Limoge. Iray tamin’ireo Eveka 7 avy any Rôma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 1250. Niaina tany amin’ny taonjato faha 3 izy. Araka ny tantaran’ilay mpitokamonina tao amin’ny trano Saint Martial dia, nampahiratra olona jamba iray i Martial ary nampitsangana malemy izay nangataka vonjy taminy ihany koa. Niseho taminy ny Tompo ka naniraka azy hifindra toerana mba hanaovany fanasitranana hafa. Rehefa tonga teo amin’ny renivohitra nitoerany izy dia nanasitrana olona very saina iray, ary nampibebaka olona tao ihany koa. Maro ireo toerana nandehanany nefa maro ihany koa ny fahagagana nataony. Niseo taminy indray ny Tompo ka nilaza taminy fa Tsy ho ela izy dia hiala eto antany. Niverina tany Limoge i Martial ka nifidy an’i Aurelien handimby azy. Nandritra ny sorona masina izy no nodimandry. Nalevina tany ivelan’ny tanàna izy ary nisy fahagagana niseho nandritra ny fandevenana azy satria sitrana ireo olona nalemy nangataka vavaka taminy. Ny hoe Martial dia avy amin’ny teny Latinina hoe “Maritius” midika hoe mpiady na hoe mpiatafika. 

Loharano RDB

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2398