Md. Pacôme - 9 mey

Pacôme dia teraka tany amin’ny taona 292 tany Esme. Zanak’olona tambanivohitra, panankarena sady tsy Kristianina izy, ary nianatra ny soratra Coptes.
Tamin’ny taona 312 dia nalaina ankeriny mba hanao miaramila tao amin’ny tafik’ny Amperora Maximin Daya izy ary tany no niaonany tamin’ny ilay pitokamonina be fiantrana sy be fitiavana. Nanazava ny sain’I Pacôme tokoa ilay pitokamonina ka resy lahatra izy ny hanao Kristianina. Rehefa nafahana tany amin’ny ady tsy ho miaramila intsony izy dia nandeha nianatra ary nandray ny batemy ka lasa pianatr’I Palament, ilay pitokamonina nifanena taminy io tamin’ny taona 316.Nanomboka teo dia napihatra ny famolahan-tena ny fiainan’ny pitokamonina izy. Nisy Anjely niseho tamin’I Pacôme ary nanambara azy ny hanitarana ny toerana fitokanamonina. Entitra tokoa izy teo amin’ny fitantanana sy fampitondrana teo amin’ny fikambanana ary dia niroborobo tokoa izany. Ny 9 May 346 I Pacôme no nodimandry ra tratran’ny aretina Pesta tamin’izany fotoana izany.Tamin’ny fotoana nialany aina dia nahita anjely teo akaikiny izy.
Ny hoe Pacôme dia endrika amin’ny teny Breuton hoe “Pascal” izy io fa avy amin’ny teny Ebrio hoe “Peussa”, fandalovana na koa hoe mitsambikina.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727