Mb. Judith - 5 mey

I Judith dia niaina tany amin’ny taonjato faha 13. Zanak’olona tao Thuringe (Allemagne) izy. Nanambady tovolahy avy any Pologne izy. Niteraka maro izy ireo. Mbola tanora Judith no maty ny vadiny. Nilaozany ny tananany sy ny fianakaviany, fa lasa izy namonjy ny anadahiny lehiben’ny Ordre teutonique tamin’izany andro izany. Tany akaikin’io anadahiny io izy.
Tany no nandaniany ny androny tamin’ny asa fanasoavana. Nanorina trano fitsaboina sy trano fitokanamonina izy ary niaina ny aim-panahin’I Masidahy Benoit, izany hoe Benedictine izany i Judith. Tao izy no nody mandry tamin’ny fotoana nisian’ny ady nampifanohitra an’I Alexandre mpanohatra ny Ordre teutonique sy ny anadahiny tamin’ny taona 1260.
Ny hoe Judith dia avy tamin’ny teny hebrio hoe “Yehoudit” midika hoe Jody vehivavy.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119