Mb. Jeanne d'Arc - 30 mey

Jeanne d’Arc dia teraka tamin’ny 6 Janoary 1412 tao amin’ny tananan’I Domrémy ( Lorraine). Zananka tantsaha izy, efa taratra taminy hatramin’ny fahazazany ny fitiavambavaka, toin’ny kônfesy ny fandraisany Kôminio matetika, ny asa fitiava-namana sy ny famindram-po nataony, ary ny fanajana manokana ny olomasina, indrindra fa I Masina Maria sy ny anarana masina an’I Jesoa. 

Teo amin’ny faha 13 taonany I Jeanne d’Arc no naheno ny feon’I Arkanjely Michel sy ireo Maritiry Masimbavy Catherine ary I Masimbavy Marguerite, nilaza taminy mba hanafaka an’ny fanjakan’i La Frantsa eo ampelatanan’ny Anglisy, sy hametraka an’I Charles faha 7 ho Panjakan’I Frantsa tao Reims. Nandritran’ny telo taona moa izany fangatahana nataon’ireo olomasina azy izany. Noeverina fa adala izy ra nanambara izany tamin’ireo pitondra fanjakana.Taorian’izay dia nanaovana fanadihadiana izy tamin’ny fandraisan’ny olona azy fa hoe pamosavy. Maro ireo sedra nolalovany, saingy afany avokoa izany. Nandefa taratasy tany amin’ny Panjakan’ny Angletera izy mba hialan’ireo tafika panjanaka Anglisy tao Frantsa. Nandray ny fanamiana miaramilan’ny Frantsay izy, ary I Jeanne d’ Arc mihintsy no nitarika ny tafika tamin’izany ka niala moramora tao ireo Anglisy. Ny 17 Jolay 1429 no napetraka teo amin’ny fiketrahan’ny Panjaka I Charles 7, ary nanatrika izany I Jeanne. Ny 8 Septambra 1429 dia niatrika ady indray izy, ary naratra ka nangataka ny fanampian’ireo ponina tao Compiègne. Nosamborin’ireo Bourguignons izy ka natolony tamin’ireo Anglisy ny 23 Maiy 1430. Nomelohana hofaty i Jeanne noho ireo eloka maro niapangan’ny fiangonana sy ny fanjakana Anglisy azy. 
Ny 30 May 1431 izy no maty rehefa avy nampijaliana mafy ary nodorana velona teo ankianjan’I Rouen. Ny taona 1920 izy no nasandratra teo amin’ny laharan’ireo lomasina, izany hoe taonjato efatra taorian’ny nahafatesany.

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099