Md. Philippe Neri - 26 mey

Philippe Néri dia teraka tao Flaurence ny 21 Jolay 1515. Notaire ny Rainy, ary tao amin’io toerana io iany koa izy no tezaina. 
Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin’izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary maha te ho tia. Nakany amin’ny Dadatoany tany San Germanaux izy ny 1533, ary tao no nahafantarany ny fikambanana Benedictin tao Monccacin. Nolavinyireo lova nomen’ny Dadatoany azy, ary lasa izy nakany Roma nanao ny fianarana sy niofana ho Pretra. Tamin’izany izy dia efa nanomboka ny fitoriana teny na dia mbola laika aza. Fahantrana, famolahantena, vavaka ary asa fahanginana, ireo no azo hamaritana ny fiainan’I Philippe Nére tamin’izany. Niditra tao amina fikambanana iray niahy ny marary izy ary ny taona 1551 izy no nohamasinina ho pretra, ary nonina tao iany, ka nitombo ny lazany tao. Faly lava sy mavitrika I Philippe, ary amin’izany ihany koa no anehoany ny fiainambavaka. Tsy nampandry saina azy ny filan’ny fiarahamonina tamin’izany fotoana izany ka nahatonga azy nanorina trano fitsaboana sy fitsimbinana ny marary, izay anokanany fotoana matetika ny amangiany azy io. 
Nanangana ihany koa izy toerana hoan’ny mpivahiny masina sahirana. Nanangana toerana fitezaina ireo tsy salama saina ihany koa izy, sy sekoly hoan’ny tanora.Ny taona 1575 I Philippe no nahazo ny fankatoavan’ny Papa Gregoire 13 ny hananganany congregation de l’Oratoire.Sady sakaizan’ireo mahantra sy sahirana I Philippe Nére no naman’ireo panefoefo ihany koa, satria ampiany ireo mahantra fa tantaniny am-panahy ihany koa ireo matanjaka. 
Nodimandry ny 26 May 1595 tao Roma I Philippe Nére. Izy dia olomasina antsoina ho an’ny fahasalaman’ireo mararin’ny rhumatisme sy ny orohoron-tany ihany koa.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0679