Md. Athanase - 2 mey

Mpaminatry ny Fiangonana i Athanase. Teraka tao Alexandrie ny 296. Nobeazin’ny fianakaviana araka izay tratra izy. Tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy ho any amin’ny tempolin'ny Tompo.

Nobeazin’ny Eveka tao Alexandrie izy. Niaina tao anatin’ny fanenjehana ny Kristianina ny fahazazany. Vao Diakra izy dia nentin’ny evekany nanatrika ny Kônsily tao Nice tamin’ny taona 325 ary nandray anjara mavitrika izy tamin’izany. Dimy volana taty aoriana dia maty ny Patriarka ka i Alexandre no voatendry hanohy ny asany teo amin’ny fitondrana. Nihamafy ny andraikitra nosahaniny tamin’izany. Nitety ireo Diôsezy nakorontan’i arianina sy ny mpanao ny fampianaran-diso izy. Hentitra izy tamin’io andraikitra nosahaniny io .Nifandona matetika tamin’ny Amperora mihintsy aza izy ka nahatonga azy ho lasa sesitany, noho ny fijoroany amin’ny fahamarinana. Nodimandry ny alin’ny 2 May 373 i Athanase.

Ny hoe Athanase dia avy amin’ny teny Grika hoe “Athanatos”midika hoe tsy mety maty
Loharano: Radio Don Bosco
Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1326