Olontsambatra Raphael Louis Rafiringa - 19 mey

Raphaël Louis Rafiringa dia teraka tao Mahamasina Antananarivo tamin’ny taona 1856.

Nihaona tamin’ireo Frère des École Chrétienne telo mirahalahy Frantsay tonga teto Antananarivo izy tamin’ny taona 1866, ka niditra nianatra tao amin’ny sekolindry zareo. Teo amin’ny faha 13 taonany izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao amin’ny fiangonana Masindahy Josefa Mahamasina 24 Oktobre 1869. Mpampianatra mpisolo toerana tao amin’ny sekolin-dry Frera izy, taona vitsivitsy taty aoriana izy dia nangataka hiditra ho ao amin’ny fikambanana, ka nanomboka ny fiofanana. Ny taona 1878 izy no nisalotra ny akanjo maha Relijiozy azy ka nitondra ny anarana hoe Frère Raphaël Louis. Nandalo fotoan-tsarotra teto Madagasikara, dia voaroaka teto daholo ireo vahiny Misiônera rehetra, ka i Frera Rafiringa no voafidy hitantana ireo Mpino Katôlika ny taona 1883. Mpampianatra sy mpandalina ny teny Malagasy izy ka voatendry ho mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy ny taona 1902. Efa 38 taona no naha Relijiozy azy ary 38 taona niasa mafy sy niaretany ny fanokanan-tena amin’ny fahamasinana niainany. Tao Fianarantsoa izy no nodimandry ny 19 May 1919, ary nafindra teny Soavimbahoaka ny taolambalony ny taona 1933. Tamin’ny fotoana namongarana ny vatany, dia tsy mbola rava fa toy ny endriny nametrahana azy ihany. Ny papa Benoit faha 16 no nanandratra azy ho olotsambatra tamin’ny taona 2009. 

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732